< Jeremia 28 >

1 Ary tamin’ izany taona izany ihany, dia tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahefatra, no nitenenan’ i Hanania, zanak’ i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon’ i Jehovah, teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
Ngenyanga yesihlanu yawonalowo umnyaka, umnyaka wesine, ekuqaleni kokubusa kukaZedekhiya inkosi yakoJuda, umphrofethi uHananiya indodana ka-Azuri, owayevela eGibhiyoni, wathi kimi endlini kaThixo phambi kwabaphristi labantu bonke:
2 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Efa notapahiko ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona,
“UThixo uSomandla, uNkulunkulu ka-Israyeli uthi: ‘Ngizalephula ijogwe lenkosi yaseBhabhiloni.
3 ka ao anatin’ ny roa taona no hampodiako ho amin’ ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah izay nalain’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, avy tamin’ ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona:
Phakathi kweminyaka emibili ngizazibuyisela kule indawo zonke izitsha zendlu kaThixo ezathathwa nguNebhukhadineza inkosi yaseBhabhiloni wazisa eBhabhiloni.
4 ary Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babylona, dia hampodiko ho amin’ ity tanàna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona.
Ngizambuyisela kule indawo futhi uJekhoniya indodana kaJehoyakhimi inkosi yakoJuda kanye labanye bonke abathunjwa koJuda baya eBhabhiloni,’ kutsho uThixo, ‘ngoba ngizalephula ijogwe lenkosi yaseBhabhiloni.’”
5 Dia hoy Jeremia mpaminany tamin’ i Hanania mpaminany teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon’ i Jehovah,
Umphrofethi uJeremiya waphendula umphrofethi uHananiya phambi kwabaphristi labantu bonke ababemi endlini kaThixo.
6 Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon’ i Jehovah anie izany! hotanterahin’ i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin’ ny hampodiana ny fanaky ny tranon’ i Jehovah mbamin’ ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin’ ity tanàna ity indray.
Wathi, “Ameni! Sengathi uThixo angamenzenjalo! Sengathi uThixo angagcwalisa amazwi owaphrofethayo ngokubuyisela kule indawo izitsha zendlu kaThixo labo bonke abathunjelwa eBhabhiloni.
7 Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:
Lanxa kunjalo, lalela kulokhu engikutsho lawe usizwa kanye labantu bonke besizwa ukuthi:
8 Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin’ ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin’ ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.
Kusukela ezikhathini zakuqala abaphrofethi abandulela wena lami baphrofetha ngempi, ngomonakalo langesifo emazweni amanengi lasemibusweni emikhulu.
9 Ny amin’ ny mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin’ i Jehovah tokoa izy.
Kodwa umphrofethi ophrofetha ngokuthula uzakwaziwa njengothunywe nguThixo sibili lapho ilizwi lakhe seligcwalisekile.”
10 Dia nesorin’ i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ ny vozon’ i Jeremia mpaminany ka notapahiny.
Lapho-ke uHananiya umphrofethi wasusa ijogwe entanyeni kaJeremiya umphrofethi walephula,
11 Ary Hanania niteny teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: tahaka izao no hanapahako ny ziogan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ ny Babylona, ho afaka amin’ ny vozon’ ny firenena rehetra ao anatin’ ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia mpaminany.
wasesithi phambi kwabantu bonke, “UThixo uthi: ‘Ngizalephula kanjalo ijogwe likaNebhukhadineza inkosi yaseBhabhiloni entanyeni zezizwe zonke phakathi kweminyaka emibili.’” Ngemva kwalokho umphrofethi uJeremiya wasuka wazihambela.
12 Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, nony efa notapahin’ i Hanania mpaminany ho afaka tamin’ ny vozon’ i Jeremia mpaminany ny zioga, nanao hoe:
Masinyane nje emuva kokuba umphrofethi uHananiya ephule ijogwe entanyeni kaJeremiya umphrofethi, kwafika ilizwi likaThixo kuJeremiya lisithi:
13 Mandehana, ka lazao amin’ i Hanania hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zioga hazo no notapahinao, fa zioga vy kosa no hataonao solony.
“Hamba uyetshela uHananiya uthi, ‘UThixo uthi: Wephule ijogwe lesigodo, kodwa esikhundleni salo uzakuba lejogwe lensimbi.
14 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Zioga vy no nataoko tamin’ ny vozon’ ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ka dia hanompo azy izy; eny, na dia ny bibi-dia aza dia nomeko azy koa.
UThixo uSomandla, uNkulunkulu ka-Israyeli uthi: Ngizabeka ijogwe lensimbi entanyeni zezizwe zonke lezi ukuba zisebenzele uNebhukhadineza inkosi yaseBhabhiloni, zizamsebenzela. Ngizamnika amandla laphezu kwezinyamazana zeganga.’”
15 Dia hoy Jeremia mpaminany tamin’ i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao Jehovah; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin’ ny lainga.
Umphrofethi uJeremiya wasesithi kuHananiya umphrofethi, “Lalela, Hananiya! UThixo kakuthumanga, kodwa usuwenze isizwe lesi sathemba amanga.
16 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin’ ny tany ianao; amin’ ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notorinao
Ngakho, uThixo uthi, ‘Sekuseduze ukuthi ngikususe ebusweni bomhlaba. Ngawonalo umnyaka uzakufa, ngoba uphrofithe ukuhlamukela uThixo.’”
17 Ka dia maty tamin’ ny volana fahafito tamin’ iny taona iny ihany Hanania mpaminany.
Ngenyanga yesikhombisa yalowomnyaka, uHananiya umphrofethi wafa.

< Jeremia 28 >