< Jeremia 28 >

1 Ary tamin’ izany taona izany ihany, dia tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahefatra, no nitenenan’ i Hanania, zanak’ i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon’ i Jehovah, teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:
Kong Zedekias af Judas fjerde Regeringsaar i den femte Maaned sagde Profeten Hananja, Azzurs Søn, fra Gibeon til mig i HERRENS Hus i Præsternes og alt Folkets Nærværelse:
2 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Efa notapahiko ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona,
»Saa siger Hærskarers HERRE, Israels Gud: Jeg har sønderbrudt Babels Konges Aag.
3 ka ao anatin’ ny roa taona no hampodiako ho amin’ ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah izay nalain’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, avy tamin’ ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona:
Om to Aar fører jeg tilbage hertil alle HERRENS Hus's Kar, som Kong Nebukadnezar af Babel tog herfra og førte til Babel;
4 ary Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babylona, dia hampodiko ho amin’ ity tanàna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona.
og Jojakims Søn, Kong Jekonja af Juda, og alle de landflygtige fra Juda, som kom til Babel, fører jeg tilbage hertil, lyder det fra HERREN; thi jeg sønderbryder Babels Konges Aag.«
5 Dia hoy Jeremia mpaminany tamin’ i Hanania mpaminany teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon’ i Jehovah,
Profeten Jeremias svarede Profeten Hananja i Nærværelse af Præsterne og alt Folket, som stod i HERRENS Hus,
6 Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon’ i Jehovah anie izany! hotanterahin’ i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin’ ny hampodiana ny fanaky ny tranon’ i Jehovah mbamin’ ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin’ ity tanàna ity indray.
saaledes: »Amen! Maatte HERREN gøre saaledes og stadfæste, hvad du har profeteret, og føre HERRENS Hus's Kar og alle de landflygtige fra Babel tilbage hertil!
7 Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:
Men hør dog dette Ord, som jeg vil tale til dig og alt Folket:
8 Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin’ ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin’ ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.
De Profeter, som levede før mig og dig fra Fortids Dage, profeterede mod mange Lande og mægtige Riger om Krig, Hunger og Pest;
9 Ny amin’ ny mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin’ i Jehovah tokoa izy.
men naar en Profet profeterer om Fred, kendes den Profet, HERREN virkelig har sendt, paa, at hans Ord gaar i Opfyldelse.«
10 Dia nesorin’ i Hanania mpaminany ny zioga tamin’ ny vozon’ i Jeremia mpaminany ka notapahiny.
Saa rev Profeten Hananja Aagstængerne af Profeten Jeremias's Hals og sønderbrød dem;
11 Ary Hanania niteny teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: tahaka izao no hanapahako ny ziogan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ ny Babylona, ho afaka amin’ ny vozon’ ny firenena rehetra ao anatin’ ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia mpaminany.
og Hananja sagde i alt Folkets Nærværelse: »Saa siger HERREN: Saaledes sønderbryder jeg om to Aar Kong Nebukadnezar af Babels Aag og tager det fra alle Folkenes Hals.« Men Profeten Jeremias gik sin Vej.
12 Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, nony efa notapahin’ i Hanania mpaminany ho afaka tamin’ ny vozon’ i Jeremia mpaminany ny zioga, nanao hoe:
Men efter at Profeten Hananja havde sønderbrudt Aagstængerne og revet dem af Profeten Jeremias's Hals, kom HERRENS Ord til Jeremias saaledes:
13 Mandehana, ka lazao amin’ i Hanania hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zioga hazo no notapahinao, fa zioga vy kosa no hataonao solony.
»Gaa hen og sig til Hananja: Saa siger HERREN: Du har sønderbrudt Aagstænger af Træ, men jeg vil lave Aagstænger af Jern i Stedet.
14 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Zioga vy no nataoko tamin’ ny vozon’ ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ka dia hanompo azy izy; eny, na dia ny bibi-dia aza dia nomeko azy koa.
Thi saa siger Hærskarers HERRE, Israels Gud: Et Jernaag lægger jeg paa alle disse Folks Hals, at de maa trælle for Kong Nebukadnezar af Babel; de skal trælle for ham, selv Markens Vildt har jeg givet ham.«
15 Dia hoy Jeremia mpaminany tamin’ i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao Jehovah; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin’ ny lainga.
Saa sagde Profeten Jeremias til Profeten Hananja: »Hør, Hananja! HERREN har ikke sendt dig, og du har faaet dette Folk til at slaa Lid til Løgn.
16 Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin’ ny tany ianao; amin’ ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notorinao
Derfor, saa siger HERREN: Se, jeg slænger dig bort fra Jordens Flade; du skal dø i Aar, thi du har prædiket Frafald fra HERREN.«
17 Ka dia maty tamin’ ny volana fahafito tamin’ iny taona iny ihany Hanania mpaminany.
Og Profeten Hananja døde samme Aar i den syvende Maaned.

< Jeremia 28 >