< Jeremia 27 >
1 Tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ izao teny izao tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah hoe:
A farkon sarautar Zedekiya ɗan Yosiya sarkin Yahuda, wannan magana ta zo wa Irmiya daga Ubangiji.
2 Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Manaova famatorana sy zioga ianao, ka ataovy eo am-bozonao,
Ga abin da Ubangiji ya ce mini, “Ka yi karkiyar itace da maɗaurai ka ɗaura a wuyanka.
3 ary ampanatero any amin’ ny mpanjakan’ i Edoma sy any amin’ ny mpanjakan’ i Moaba sy any amin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona sy any amin’ ny mpanjakan’ i Tyro ary any amin’ ny mpanjakan’ i Sidona izany ho entin’ ny iraka izay mankaty Jerosalema ho atỳ amin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda;
Sa’an nan ka aika da saƙo zuwa wurin sarakunan Edom, Mowab, Ammon, Taya da Sidon ta bakin jakadu waɗanda suka zo Urushalima wurin Zedekiya sarkin Yahuda.
4 ary asaovy lazainy amin’ ny tompony avy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no holazainareo amin’ ny tomponareo:
Ka ba su saƙo wa iyayengijinsu su ce, ‘Ga abin da Ubangiji Maɗaukaki, Allah na Isra’ila, yana cewa, “Ku faɗa wa iyayengijinku wannan.
5 Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin’ ny heriko lehibe sy tamin’ ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an’ izay sitraky ny foko ny tany.
Da ikon mai ƙarfi da kuma hannuna da na miƙa na yi duniya da mutanenta da kuma dabbobin da suke ciki, na ba da ita ga duk wanda na ga dama.
6 Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.
Yanzu zan ba da dukan ƙasashenku ga bawana Nebukadnezzar sarkin Babilon; zan sa namun jeji ma su bauta masa.
7 Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan’ ny fotoana hamaliana ny tanin’ izy io kosa, ka hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.
Dukan al’ummai za su bauta masa da ɗansa da kuma jikansa har sai har lokacin ƙasarsa ya kai; sa’an nan al’ummai masu yawa da kuma manyan sarakuna za su kasance a ƙarƙashinsa.
8 Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hovaliako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin’ ny tànany.
“‘“Amma fa, duk al’umma ko mulkin da bai bauta wa Nebukadnezzar sarkin Babilon ba bai kuwa rusunar da wuyarsa ga karkiyarsa ba, zan hukunta wannan al’umma da takobi, yunwa da annoba, in ji Ubangiji, har sai na hallaka ta ta wurin hannunsa.
9 Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’ i Babylona ianareo.
Saboda haka kada ku saurari annabawanku, masu dubanku, masu fassarar mafarkanku, bokayenku ko masu maitancinku waɗanda suke ce muku, ‘Ba za ku bauta wa sarkin Babilon ba.’
10 Fa lainga no vinanin’ ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana.
Suna muku annabcin ƙaryar ne kawai da za tă kau da ku daga ƙasarku; zan kore ku za ku kuwa hallaka.
11 Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy.
Amma duk al’ummar da ta rusuna da wuyarta a ƙarƙashin karkiyar sarkin Babilon ta kuma bauta masa, zan bar al’ummar ta zauna a ƙasarta ta noma ta, ta kuma zauna a can, in ji Ubangiji.”’”
12 Ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
Na ba da wannan saƙo guda ga Zedekiya sarkin Yahuda. Na ce, “Ka rusunar da wuyanka a ƙarƙashin sarkin Babilon; ka bauta masa da kuma mutanensa, za ka kuwa rayu.
13 Nahoana no ho fatin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin’ ny vahoakanao, araka ny nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan’ i Babylona?
Me ya sa kai da mutanenka za ku mutu saboda takobi, yunwa da annoba waɗanda Ubangiji ya yi barazana wa duk al’ummar da ba za tă bauta wa sarkin Babilon ba?
14 Koa aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’ i Babylona ianareo; fa lainga no vinanin’ ireo aminareo.
Kada ku saurari maganganun annabawa waɗanda suke ce muku, ‘Ba za ku bauta wa sarkin Babilon ba,’ gama annabcin ƙarya suke muku.
15 Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin’ ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.
‘Ban aike su ba,’ in ji Ubangiji. ‘Suna annabcin ƙarya ne da sunana. Saboda haka, zan kore ku za ku kuwa hallaka, da ku da kuma annabawan da suke muku annabci.’”
16 Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminaninareo, izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon’ i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo.
Sai na ce wa firistoci da dukan waɗannan mutane, “Ga abin da Ubangiji yana cewa, kada ku saurari annabawan da suke cewa, ‘Ba daɗewa ba za a komo da kayan gidan Ubangiji daga Babilon.’ Suna muku annabcin ƙarya ne.
17 Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan’ i Babylona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity?
Kada ku saurare su. Ku bauta wa sarkin Babilon, za ku kuwa rayu. Don me wannan birni zai zama kufai?
18 Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin’ i Jehovah, dia aoka hifona amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon’ i Jehovah sy ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ato Jerosalema
In su annabawa ne da gaske suna kuma da maganar Ubangiji, bari su roƙi Ubangiji Maɗaukaki ya sa kada a kwashe kayayyakin da suka ragu a gidan Ubangiji da kuma a cikin fadar sarkin Yahuda da kuma cikin Urushalima a kai Babilon.
19 Fa izao ny lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny amin’ ny andry sy ny tavin-drano lehibe sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin’ ny fanaka hafa izay mbola sisa amin’ ity tanàna ity,
Gama ga abin da Ubangiji Maɗaukaki yana cewa game da ginshiƙai, kwatarniya, da dakalai, da sauran kayayyaki da aka bar su a birnin nan,
20 dia izay tsy nalain’ i Nebokadnezara mpanjakan’ i Babylona, fony izy nitondra an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin’ ny manan-kaja rehetra amin’ ny Joda sy Jerosalema,
waɗanda Nebukadnezzar sarkin Babilon ya kwashe sa’ad da ya kame Yekoniya ɗan Yehohiyakim sarkin Yahuda zuwa zaman bauta daga Urushalima zuwa Babilon tare da dukan manyan mutanen Yahuda da Urushalima,
21 eny, izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ny fanaka izay sisa ao an-tranon’ i Jehovah sy ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ato Jerosalema:
I, ga abin da Ubangiji Maɗaukaki, Allah na Isra’ila yana cewa game da abubuwan da aka bari a gidan Ubangiji da kuma a cikin fadar sarkin Yahuda da Urushalima,
22 Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin’ ity tanàna ity.
‘Za a kwashe su zuwa Babilon a can kuwa za su kasance sai ranar da na neme su,’ in ji Ubangiji. ‘Sa’an nan zan komo da su in maido da su wannan wuri.’”