< Jeremia 27 >

1 Tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ izao teny izao tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah hoe:
In the beginning of the reign of Zedekiah, the son of Josiah, king of Judah, came this word to Jeremiah from Jehovah.
2 Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Manaova famatorana sy zioga ianao, ka ataovy eo am-bozonao,
Thus said Jehovah to me: Make thee bands and yokes, and put them upon thy neck,
3 ary ampanatero any amin’ ny mpanjakan’ i Edoma sy any amin’ ny mpanjakan’ i Moaba sy any amin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona sy any amin’ ny mpanjakan’ i Tyro ary any amin’ ny mpanjakan’ i Sidona izany ho entin’ ny iraka izay mankaty Jerosalema ho atỳ amin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda;
and send them to the king of Edom, and to the king of Moab, and to the king of the children of Ammon, and to the king of Tyre, and to the king of Zidon, by the hands of the messengers that are come to Jerusalem, to Zedekiah, king of Judah.
4 ary asaovy lazainy amin’ ny tompony avy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no holazainareo amin’ ny tomponareo:
And command them to say to their masters, Thus saith Jehovah of hosts, the God of Israel: Thus shall ye say to your masters:
5 Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin’ ny heriko lehibe sy tamin’ ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an’ izay sitraky ny foko ny tany.
The earth, and the men and the beasts which are upon the earth, have I made by my great power and my outstretched arm, and I give it to whomsoever it seemeth meet to me.
6 Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.
And now I give all these lands into the hand of Nebuchadnezzar, the king of Babylon, my servant; the beasts of the field also I give him to serve him.
7 Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan’ ny fotoana hamaliana ny tanin’ izy io kosa, ka hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.
And all nations shall serve him, and his son, and his son's son, until the time of his land, even his, shall come, and then shall many nations and great kings make him their servant.
8 Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hovaliako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin’ ny tànany.
And the nation and the kingdom that will not serve him, Nebuchadnezzar, the king of Babylon, and put their neck under the yoke of the king of Babylon, —with the sword and with famine and with pestilence will I punish that nation, saith Jehovah, until I have consumed them by his hand.
9 Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’ i Babylona ianareo.
Therefore hearken ye not to your prophets, and your diviners, and your dreamers, your soothsayers, and your sorcerers, who say to you, Ye shall not serve the king of Babylon.
10 Fa lainga no vinanin’ ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana.
For they prophesy a lie to you, to remove you far from your land, and that I should drive you out, and that ye should perish.
11 Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy.
But the nations that bring their neck under the yoke of the king of Babylon, and serve him, those will I let remain still in their own land, saith Jehovah, and they shall till it, and dwell therein.
12 Ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
And to Zedekiah, king of Judah, also, spake I according to all these words, and said: Bring your necks under the yoke of the king of Babylon, and serve him and his people, and live.
13 Nahoana no ho fatin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin’ ny vahoakanao, araka ny nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan’ i Babylona?
Why will ye die, thou and thy people, by the sword, by famine, and by pestilence, as Jehovah hath spoken concerning the nation that will not serve the king of Babylon?
14 Koa aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’ i Babylona ianareo; fa lainga no vinanin’ ireo aminareo.
Therefore hearken not to the prophets, that say to you, Ye shall not serve the king of Babylon; for they prophesy a lie to you.
15 Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin’ ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.
For I have not sent them, saith Jehovah; but they prophesy a lie in my name, that I may drive you out, and that ye may perish, ye and the prophets that prophesy to you.
16 Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminaninareo, izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon’ i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo.
To the priests, also, and to all the people; spake I, saying, Thus saith Jehovah: Hearken not to the words of your prophets who prophesy to you, and say, Behold the vessels of the house of Jehovah shall be brought back from Babylon now shortly; for they prophesy a lie to you.
17 Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan’ i Babylona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity?
Hearken ye not to them; serve the king of Babylon, and live! Why should this city become a desolation?
18 Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin’ i Jehovah, dia aoka hifona amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon’ i Jehovah sy ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ato Jerosalema
But if they be indeed prophets, and if the word of Jehovah be with them, let them now make intercession to Jehovah of hosts, that the vessels which are left in the house of Jehovah, and in the house of the king of Judah, and in Jerusalem, may not go to Babylon.
19 Fa izao ny lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny amin’ ny andry sy ny tavin-drano lehibe sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin’ ny fanaka hafa izay mbola sisa amin’ ity tanàna ity,
For thus saith Jehovah of hosts concerning the pillars, and concerning the sea, and concerning the bases, and concerning the residue of the vessels that are let in this city,
20 dia izay tsy nalain’ i Nebokadnezara mpanjakan’ i Babylona, fony izy nitondra an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin’ ny manan-kaja rehetra amin’ ny Joda sy Jerosalema,
which Nebuchadnezzar, king of Babylon, took not, when he carried away captive Jeconiah, the son of Jehoiakim, king of Judah, from Jerusalem to Babylon, with all the nobles of Judah and Jerusalem;
21 eny, izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ny fanaka izay sisa ao an-tranon’ i Jehovah sy ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ato Jerosalema:
yea, thus saith Jehovah of hosts, the God of Israel, concerning the vessels that are left in the house of Jehovah, and in the house of the king of Judah and of Jerusalem:
22 Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin’ ity tanàna ity.
They shall be carried to Babylon, and there shall they be until the day when I shall visit them, saith Jehovah. Then will I bring them up, and restore them to this place.

< Jeremia 27 >