< Jeremia 26 >

1 Tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ izao teny izao avy tamin’ i Jehovah nanao hoe:
유다 왕 요시야의 아들 여호야김의 즉위 초에 여호와께로서 이 말씀이 임하니라 가라사대
2 Izao no lazain’ i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, ka lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon’ i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
나 여호와가 이같이 이르노라 너는 여호와의 집 뜰에 서서 유다 모든 성읍에서 여호와의 집에 와서 경배하는 자에게 내가 네게 명하여 이르게 한 모든 말을 고하되 한 말도 감하지 말라
3 Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin’ ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian’ ny ataony.
그들이 듣고 혹시 각각 그 악한 길에서 떠나리라 그리하면 내가 그들의 악행으로 인하여 재앙을 그들에게 내리려 하던 뜻을 돌이키리라
4 Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anoloanareo,
너는 그들에게 이르기를 여호와의 말씀에 너희가 나를 청종치 아니하며 내가 너희 앞에 둔 내 법을 행치 아니하며
5 ary tsy mihaino ny tenin’ ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo
내가 너희에게 보내고 부지런히 보낸 나의 종 선지자들의 말을 이미 듣지 아니하였거니와 너희가 만일 다시 듣지 아니하면
6 dia hataoko tahaka an’ i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ity tanàna ity.
내가 이 집을 실로 같이 되게 하고 이 성으로 세계 열방의 저줏 거리가 되게 하리라 하셨다 하라
7 Ary ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ ny vahoaka rehetra dia nandre an’ i Jeremia nanambara ireo teny rehetra ireo tao an-tranon’ i Jehovah.
예레미야가 여호와의 집에서 이 말을 하매 제사장들과 선지자들과 모든 백성이 듣더라
8 Koa nony efa tapitra voalazan’ i Jeremia izay rehetra nasain’ i Jehovah nolazaina tamin’ ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.
에레미야가 여호와께서 명하신 말씀을 모든 백성에게 고하기를 마치매 제사장들과 선지자들과 모든 백성이 그를 붙잡고 이르되 네가 반드시 죽으리라
9 Nahoana ianao no naminany tamin’ ny anaran’ i Jehovah hoe: Ho tahaka an’ i Silo ity tanàna ity, ary ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin’ i Jeremia tao an-tranon’ i Jehovah.
어찌하여 네가 여호와의 이름을 의탁하고 예언하여 이르기를 이집이 실로 같이 되겠고 이 성이 황무하여 거민이 없으리라 하느뇨 하며 그 모든 백성이 여호와의 집에서 예레미야에게로 모여 드니라
10 Fa nony ren’ ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka nankany amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan’ ny vavahady vaovaon’ i Jehovah.
유다 방백들이 이 일을 듣고 왕궁에서 여호와의 집으로 올라와서 여호와의 집 새문 어귀에 앉으매
11 Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin’ ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin’ ity tanàna ity izy araka izay efa ren’ ny sofinareo.
제사장들과 선지자들이 방백들과 모든 백성에게 말하여 가로되 `이 사람은 죽음이 합당하니 너희 귀로 들음같이 이 성을 쳐서 예언하였느니라'
12 Dia nilaza tamin’ ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin’ ity trano sy ity tanàna ity.
예레미야가 모든 방백과 백성에게 일러 가로되 여호와께서 나를 보내사 너희의 들은 바 모든 말로 이 집과 이 성을 쳐서 예언하게 하셨느니라
13 Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan’ i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.
그런즉 너희는 너희 길과 행위를 고치고 너희 하나님 여호와의 목소리를 청종하라 그리하면 여호와께서 너희에게 선고하신 재앙에 대하여 뜻을 돌이키시리라
14 Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.
보라, 나는 너희 손에 있으니 너희 소견에 선한대로, 옳은 대로 하려니와
15 Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin’ ity tanàna ity ary amin’ ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
너희는 분명히 알라 너희가 나를 죽이면 정녕히 무죄한 피로 너희 몸과 이 성과 이 성 거민에게로 돌아가게 하리라 이는 여호와께서 진실로 나를 보내사 이 모든 말을 너희 귀에 이르게 하셨음이니라
16 Dia hoy ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra tamin’ ny mpisorona sy ny mpaminany: Tsy misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity, satria tamin’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.
방백들과 모든 백성이 제사장들과 선지자들에게 이르되 이 사람이 우리 하나님 여호와의 이름을 의탁하고 우리에게 말하였으니 죽음이 부당하니라
17 Dia nisy nitsangana ny loholona ka nanao tamin’ ny vahoaka rehetra vory teo hoe:
때에 그 땅 장로 중 몇 사람이 일어나 백성의 온 회중에 말하여 가로되
18 Mika Morastita dia naminany tamin’ ny andron’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ka nanao tamin’ ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: “Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.”.
유다 왕 히스기야 시대에 모레셋 사람 미가가 유다 모든 백성에게 예언하여 가로되 만군의 여호와께서 이같이 말씀하시기를 시온은 밭같이 경작함을 당하며 예루살렘은 무더기가 되며 이 전의 산은 수풀의 높은 곳들 같이 되리라 하였으나
19 Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an’ i Jehovah va izy ka nifona tamin’ i Jehovah, ka dia nanenenan’ i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin’ ny tenantsika.
유다 왕 히스기야와 모든 유다가 그를 죽였느냐? 히스기야가 여호와를 두려워하여 여호와께 간구하매 여호와께서 그들에게 선고한 재앙에 대하여 뜻을 돌이키지 아니하셨느냐 우리가 이같이 하면 우리 생명을 스스로 크게 해하는 일이니라
20 Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin’ ny anaran’ i Jehovah, dia Oria, zanak’ i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin’ ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon’ i Jeremia izany koa.
또 여호와의 이름을 의탁하고 예언한 사람이 있었는데 곧 기럇여아림 스마야의 아들 우리야라 그가 예레미야의 모든 말과 같이 이 성과 이 땅을 쳐서 예언하매
21 Ary nony ren’ i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;
여호야김 왕과 그 모든 용사와 모든 방백이 그 말을 듣고는 왕이 그를 죽이려 하매 우리야가 이를 듣고 두려워 애굽으로 도망하여간지라
22 ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak’ i Akbora, mbamin’ ny olona sasany nanaraka ny hankany Egypta.
여호야김 왕이 사람을 애굽으로 보내되 곧 악볼의 아들 엘라단과 몇 사람을 함께 애굽으로 보내었더니
23 Ary Oria dia nalain’ ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin’ i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin’ ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin’ ny fasam-bahoaka.
그들이 우리야를 애굽에서 끌어내어 여호야김 왕께로 데려오매 왕이 칼로 그를 죽이고 그 시체를 평민의 묘실에 던지게 하였다 하니라
24 Nefa ny tànan’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nomba an’ i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan’ ny vahoaka hovonoiny.
사반의 아들 아히감이 예레미야를 보호하여 예레미야를 백성의 손에 내어주지 아니하여 죽이지 못하게 하니라

< Jeremia 26 >