< Jeremia 25 >

1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia ny amin’ ny Joda rehetra tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona
Neno likamjia Yeremia kuhusu watu wote wa Yuda, katika mwaka wa nne wa utawala wa Yehoyakimu mwana wa Yosia mfalme wa Yuda, ambao ulikuwa mwaka wa kwanza wa utawala wa Nebukadneza mfalme wa Babeli.
2 dia izay nolazain’ i Jeremia mpaminany tamin’ ny Joda rehetra sy tamin’ ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe:
Hivyo nabii Yeremia akawaambia watu wote wa Yuda na wale wote waishio Yerusalemu:
3 Hatramin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda, ka mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo.
Kwa miaka ishirini na mitatu, kuanzia mwaka wa kumi na tatu wa utawala wa Yosia mwana wa Amoni mfalme wa Yuda, hadi siku hii ya leo, neno la Bwana limekuwa likinijia, nami nimesema nanyi mara kwa mara, lakini hamkusikiliza.
4 Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:
Ingawa Bwana amewatuma watumishi wake wote hao manabii kwenu mara kwa mara, hamkusikiliza wala hamkujali.
5 Samia miala amin’ ny lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin’ ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay.
Walisema, “Geukeni sasa, kila mmoja wenu kutoka njia yake mbaya na matendo yake maovu, ndipo mtaweza kukaa katika nchi ambayo Bwana aliwapa ninyi na baba zenu milele.
6 Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin’ ny asan’ ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.
Msiifuate miungu mingine ili kuitumikia na kuiabudu. Msinikasirishe kwa vitu ambavyo mmevitengeneza kwa mikono yenu.”
7 Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin’ ny asan’ ny tananareo hahitanareo loza.
“Lakini ninyi hamkunisikiliza mimi, tena mkanikasirisha kwa vitu mlivyovitengeneza kwa mikono yenu, nanyi mmejiletea madhara juu yenu wenyewe,” asema Bwana.
8 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko,
Kwa hiyo Bwana Mwenye Nguvu Zote asema hivi: “Kwa sababu hamkuyasikiliza maneno yangu,
9 dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin’ ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.
nitayaita mataifa yote ya kaskazini na mtumishi wangu Nebukadneza mfalme wa Babeli,” asema Bwana. “Nitawaleta waishambulie nchi hii na wakazi wake wote, na dhidi ya mataifa yote yanayowazunguka. Nitawaangamiza kabisa na kuwafanya kitu cha kuchukiwa na kudharauliwa, na kuwa magofu daima.
10 Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina, ny feon’ ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ ny jiro.
Nitawaondolea sauti ya shangwe na furaha, sauti ya bibi na bwana arusi, sauti ya mawe ya kusagia, na mwanga wa taa.
11 Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan’ i Babylona fito-polo taona.
Nchi hii yote itakuwa ukiwa na isiyofaa kitu, nayo mataifa haya yatamtumikia mfalme wa Babeli kwa miaka sabini.”
12 Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan’ i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin’ ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.
“Lakini miaka sabini itakapotimia, nitamwadhibu mfalme wa Babeli na taifa lake na nchi ya Wakaldayo kwa ajili ya hatia yao,” asema Bwana. “Nitaifanya kuwa ukiwa milele.
13 Ary hotoviko amin’ izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin’ ity boky ity, izay novinanin’ i Jeremia hamely ny firenena rehetra.
Nitaleta juu ya nchi hiyo mambo yote niliyosema dhidi yake, yote yaliyoandikwa katika kitabu hiki, na kutolewa unabii na Yeremia dhidi ya mataifa yote.
14 Fa ireo kosa indray dia hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan’ ny tànany avy izy.
Wao wenyewe watakuwa watumwa wa mataifa mengi na wafalme wakuu. Nitawalipizia sawasawa na matendo yao na kazi ya mikono yao.”
15 Fa izao no nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
Hili ndilo Bwana, Mungu wa Israeli, aliloniambia: “Chukua kutoka mkononi mwangu kikombe hiki kilichojaa divai ya ghadhabu yangu, na kuyanywesha mataifa yote ambayo ninakutuma kwao.
16 Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.
Watakapoinywa, watapepesuka na kukasirika sana kwa sababu ya upanga nitakaoupeleka katikati yao.”
17 Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tànan’ i Jehovah, ka nampisotroako ny firenena rehetra izay nanirahan’ i Jehovah ahy,
Hivyo nikakichukua kikombe kutoka mkononi mwa Bwana, na kuyafanya mataifa yote aliyonituma kwao kukinywa:
18 dia Jerosalema sy ny tanànan’ ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin’ izao anio izao;
Yaani Yerusalemu na miji ya Yuda, wafalme wake na maafisa wake, kuwafanya magofu na kuwa kitu cha kuchukiza, cha dhihaka na laana, kama walivyo leo;
19 ary Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoakany rehetra,
pia Farao mfalme wa Misri, watumishi wake, maafisa wake na watu wake wote,
20 ary ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany Oza sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny tanin’ ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa any Asdoda;
pia wageni wote walioko huko; wafalme wote wa nchi ya Usi; wafalme wote wa Wafilisti (wale wa Ashkeloni, Gaza, Ekroni na watu walioachwa huko Ashdodi);
21 ary Edoma sy Moaba sy ny taranak’ i Amona,
Edomu, Moabu na Amoni;
22 ary ny mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan’ ny nosy any an-dafin’ ny ranomasina;
wafalme wote wa Tiro na Sidoni; wafalme wa nchi za pwani ngʼambo ya bahari;
23 ary Dedana sy Tema sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,
Dedani, Tema, Buzi na wote walio maeneo ya mbali;
24 ary ny mpanjaka rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny firenena maro samy hafa izay monina any an-efitra;
wafalme wote wa Arabuni na wafalme wote wa watu wageni wanaoishi katika jangwa;
25 ary ny mpanjaka rehetra any Zimry sy ny mpanjaka rehetra any Elama ary ny mpanjaka rehetra any Media,
wafalme wote wa Zimri, Elamu na Umedi;
26 ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao, izay etỳ ambonin’ ny tany; ary ny mpanjakan’ i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo.
na wafalme wote wa pande za kaskazini, wa karibu na wa mbali, mmoja baada ya mwingine; yaani falme zote juu ya uso wa dunia. Baada ya hao wote, mfalme wa Sheshaki atakunywa pia.
27 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro. Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.
“Kisha uwaambie, ‘Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote, Mungu wa Israeli, asemalo: Kunyweni, mlewe na mtapike; angukeni, wala msiinuke tena kwa sababu ya upanga nitakaotuma miongoni mwenu.’
28 Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Tsy maintsy misotro ianareo.
Lakini kama wakikataa kupokea kikombe kutoka mikononi mwako na kunywa, waambie, ‘Hili ndilo asemalo Bwana Mwenye Nguvu Zote: Ni lazima mnywe!
29 Fa, indro, ao amin’ ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny fahatongavana loza, ka ho afaka va ianareo? Tsy ho afaka mihitsy ianareo, fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin’ ny tany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Tazama, nimeanza kuleta maafa juu ya mji ulio na Jina langu, na je, kweli ninyi mtaepuka kuadhibiwa? Hamwezi kuepuka kuadhibiwa, kwa maana nitaleta vita juu ya wote waishio duniani, asema Bwana Mwenye Nguvu Zote.’
30 Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin’ ny fitoerany masìna, eny, hierona mafy amin’ ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin’ ny tany.
“Basi sasa toa unabii kwa maneno haya yote dhidi yao, uwaambie: “‘Bwana atanguruma kutoka juu; atatoa sauti ya ngurumo kutoka makao yake matakatifu na kunguruma kwa nguvu sana dhidi ya nchi yake. Atapiga kelele kama wao wakanyagao zabibu, atapiga kelele dhidi ya wote waishio duniani.
31 Mihatra amin’ ny faran’ ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin’ ny firenena; Mifandahatra amin’ ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ ny sabatra, hoy Jehovah.
Ghasia zitasikika hadi miisho ya dunia, kwa maana Bwana ataleta mashtaka dhidi ya mataifa; ataleta hukumu juu ya wanadamu wote na kuwaua waovu wote,’” asema Bwana.
32 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin’ ny faran’ ny tany;
Hili ndilo Bwana Mwenye Nguvu Zote asemalo: “Tazama! Maafa yanaenea kutoka taifa moja hadi jingine; tufani kubwa inainuka kutoka miisho ya dunia.”
33 Ary amin’ izany andro izany Ny voavonon’ i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ ny faran’ ny tany anankiray ka hatramin’ ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany.
Wakati huo, hao waliouawa na Bwana watatapakaa kila mahali, kuanzia mwisho mmoja wa dunia hadi mwisho mwingine. Hawataombolezewa wala kukusanywa au kuzikwa, lakini watakuwa kama mavi yaliyoenea juu ya ardhi.
34 Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, ianareo zokiny amin’ ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.
Lieni na kuomboleza, enyi wachungaji, mgaagae mavumbini, ninyi viongozi wa kundi. Kwa maana wakati wenu wa kuchinjwa umewadia; mtaanguka na kuvunjavunjwa kama vyombo vizuri vya udongo.
35 Ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin’ ny ondry tsy hanam-pahafahana.
Wachungaji hawatakuwa na mahali pa kukimbilia, viongozi wa kundi hawatapata mahali pa kutorokea.
36 Injany! misy feo fitarainan’ ny mpiandry ondry sy fidradradradran’ ny zokiny aminy! Satria efa nosimban’ i Jehovah ny saha fiandrasana azy,
Sikia kilio cha wachungaji, maombolezo ya viongozi wa kundi, kwa maana Bwana anayaharibu malisho yao.
37 Ary efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
Makao yao ya amani yataharibiwa kwa sababu ya hasira kali ya Bwana.
38 Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan’ ny mpampahory sy noho ny firehetan’ ny fahatezerany.
Kama simba ataacha pango lake, nchi yao itakuwa ukiwa kwa sababu ya upanga wa mdhalimu, na kwa sababu ya hasira kali ya Bwana Mungu.

< Jeremia 25 >