< Jeremia 24 >

1 Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan’ ny tempolin’ i Jehovah, taorian’ ny nitondran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.
پس از آنکه نِبوکَدنِصَّر، پادشاه بابِل، یهویاکین (پسر یهویاقیم) پادشاه یهودا را همراه با بزرگان یهودا و صنعتگران و آهنگران به بابِل به اسارت برد، خداوند در رؤیا، دو سبد انجیر به من نشان داد که در مقابل خانهٔ خداوند در اورشلیم قرار داشتند.
2 Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialin-taona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.
در یک سبد انجیرهای رسیده و تازه بودند و در سبد دیگر انجیرهای بد و گندیده‌ای که نمی‌شد خورد.
3 Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Ary hoy izaho: Aviavy; koa ny tsara moa dia tsara tokoa, ary ny ratsy kosa dia ratsy tokoa ka tsy azo hanina noho ny haratsiny.
خداوند به من فرمود: «ارمیا، چه می‌بینی؟» جواب دادم: «انجیر! انجیرهای خوب خیلی خوبند؛ ولی انجیرهای بد آنقدر بدند که نمی‌شود خورد.»
4 Ary tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
آنگاه کلام خداوند بر من نازل شده، گفت:
5 Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin’ ity tany ity ho any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana.
«یهوه خدای اسرائیل چنین می‌فرماید:”انجیرهای خوب نمونهٔ تبعیدیان یهوداست که از این سرزمین به بابِل فرستاده‌ام.
6 Fa hojeren’ ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin’ ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako.
من بر آنان نظر لطف انداخته، مراقب خواهم بود که در آنجا با ایشان خوش‌رفتاری شود و ایشان را به این سرزمین باز خواهم گرداند؛ من نخواهم گذاشت ایشان ریشه‌کن و نابود شوند بلکه ایشان را حمایت کرده، استوار خواهم ساخت.
7 Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin’ ny fony rehetra izy.
به ایشان دلی خواهم داد که مشتاق شناخت من باشد؛ آنها قوم من خواهند شد و من خدای ایشان، چون با تمام دل نزد من باز خواهند گشت.“
8 Ary ny amin’ ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain’ i Jehovah: Toy izany no hanolorako an’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin’ ity tany ity sy izay mitoetra any amin’ ny tany Egypta,
«ولی انجیرهای بد، نمونهٔ صدقیا، پادشاه یهودا، اطرافیان او و بقیهٔ مردم اورشلیم است که در این سرزمین باقی مانده‌اند و یا در مصر ساکنند. من با ایشان همان کاری را خواهم کرد که با انجیرهای گندیدهٔ بی‌مصرف می‌کنند.
9 eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin’ ny tany rehetra izay handroahako azy.
ایشان را مورد نفرت تمام مردم دنیا قرار خواهم داد و در هر جایی که ایشان را آواره کنم، مورد تمسخر، سرزنش و نفرین واقع خواهند شد.
10 Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy sy ny razany.
همه را گرفتار جنگ و قحطی و بیماری خواهم نمود تا از سرزمین اسرائیل که آن را به ایشان و به پدرانشان دادم، محو و نابود شوند.»

< Jeremia 24 >