< Jeremia 23 >

1 Lozan’ ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah
“Ole wao wachungaji ambao huangamiza na kuwatawanya kondoo wa malisho yangu-hii ndiyo ahadi ya Bwana.”
2 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian’ ny ataonareo, hoe Jehovah
Kwa hiyo, Bwana, Mungu wa Israeli, asema hivi juu ya wachungaji ambao wanawachunga watu wake, “Ninyi mnawatawanya kundi langu na kuwafukuza. Hamuwajali hata kidogo. Tambueni hili! Mimi nitawalipiza uovu wa matendo yenu-hili ni tamko la Bwana.
3 Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin’ ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy
Mimi mwenyewe nitakusanya mabaki ya kondoo wangu kutoka nchi zote nilizowafukuza, nami nitawarejesha kwenye eneo la malisho, ambako watazaa na kuongezeka.
4 Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.
Ndipo nitawainua wachungaji juu yao ambao watawachunga hivyo hawataogopa tena au kupotezwa. Hakuna hata mmoja atakayepotea-hili ni tamko la Bwana.
5 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’ i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany.
Angalia, siku zinakuja-hili ndilo tamko la Bwana-nitakapomuinulia Daudi tawi la haki. Atatawala kama mfalme; atatenda kwa busara na kusababisha hukumu na haki katika nchi.
6 Amin’ ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian’ ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
Katika siku zake Yuda ataokolewa, na Israeli wataishi kwa usalama. Na jina lake atakayeitwa Bwana ni haki yetu.
7 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta;
Kwa hiyo, tazama, siku zinakuja-hili ndilo tamko la Bwana-hawatasema tena, 'Kama Bwana aishivyo, aliyewatoa wana wa Israeli kutoka nchi ya Misri.'
8 Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak’ Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin’ ny tany avaratra sy avy tany amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin’ ny taniny izy.
Badala yake watasema, 'Kama Bwana aishivyo, ambaye aliwaleta na ambaye aliwaongoza wana wa nyumba ya Israeli kutoka nchi ya kaskazini na nchi zote walizofukuzwa.' Nao watakaa katika nchi yao wenyewe.”
9 Ny amin’ ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin’ i Jehovah sy noho ny teniny masìna.
Kuhusu manabii, moyo wangu umevunjika ndani yangu, na mifupa yangu yote imetetemeka. Nimekuwa kama mlevi, kama mtu ambaye ameshindwa na divai, kwa sababu ya Bwana na maneno yake matakatifu.
10 Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan’ ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon’ ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.
Kwa maana nchi imejaa wazinzi. Kwa sababu ya hayo nchi imeuka. Milima katika jangwa imekauka. Njia hizi za manabii ni mbaya; nguvu zao hazitumiwi kwa namna sahihi.
11 Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.
Kwa maana manabii na makuhani wote wamekufuru. Nimeona uovu wao ndani ya nyumba yangu! - hili ndilo tamko la Bwana;
12 Koa dia ho toy ny lala-malama amin’ ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin’ ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
kwa hiyo njia yao itakuwa kama mahali pa kupumzika katika giza. Watasukumwa chini. Wao wataanguka ndani yake. Kwa maana nitawatuma mabaya juu yao katika mwaka wa adhabu yao; hili ndilo tamko la Bwana.
13 Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin’ i Bala izy ka nampivily ny Isiraely oloko,
kwa maana nimeona uchungu kati ya manabii huko Samaria. Walitabiri kwa Baali na wakawaongoza watu wangu Israeli kwenye njia sahihi.
14 Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’ i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’ i Gomora.
Na miongoni mwa manabii huko Yerusalemu nimeona mambo ya kutisha: wanafanya uzinzi na huenda kwa udanganyifu. Wanaimarisha mikono ya waovu; hakuna mtu anarejea na kuacha uovu wake. Wote wamekuwa kama Sodoma kwangu na wenyeji wake kama Gomora!”
15 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny amin’ ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema no nivoahan’ ny faharatsiana ho any amin’ ny tany rehetra.
Kwa hiyo, Bwana wa majeshi asema hivi juu ya manabii, “Tazameni, nitawafanya wale magugu na kunywa maji yenye sumu, kwa maana kufuru imetoka kwa manabii wa Yerusalemu na kuingia katika nchi yote.”
16 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’ i Jehovah.
Bwana wa majeshi asema hivi, “Usisikilize maneno ya manabii wanaokuhubiri. Wamekudanganya! Wanatangaza maono kutoka kwenye mawazo yao wenyewe, si kwa kinywa cha Bwana.
17 Milaza mandrakariva amin’ izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin’ izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
Wanasema daima kwa wale wanaonidharau mimi, 'Bwana asema kutakuwa na amani kwako.' Na kila mtu anayetembea katika ukaidi wa moyo wake anasema, 'mabaya hayatakuja kwenu.'
18 Fa iza moa no efa isan’ ny mpihevitra teo amin’ i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny?
Lakini nani amesimama katika mkutano wa baraza la Bwana? Ni nani anayeona na kusikia neno lake? Ni nani anayezingatia maneno yake na kusikiliza?
19 He! ny tadion’ i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ ny lohan’ ny ratsy fanahy.
Tazama, kuna dhoruba inayotoka kwa Bwana! Hasira yake inatoka, na dhoruba inazunguka. Inazunguka vichwa vya waovu.
20 Ny fahatezeran’ i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
Hasira za Bwana hazitarejea mpaka zitakapotimiza nia ya moyo wake. Katika siku za mwisho, utaelewa.
21 Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy.
Sikuwatuma manabii hawa. Wao tu walionekana. Sikuwahubiri jambo lolote kwao, lakini bado wanatabiri.
22 Fa raha isan’ ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin’ ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin’ ny lalany ratsy sy tamin’ ny faharatsian’ ny nataony.
Kwa kuwa kama walisimama katika mkutano wangu wa baraza, wangeweza kuwasababisha watu wangu kusikia neno langu; wangewafanya wapate kuacha maneno yao mabaya na mazoea mabaya.
23 Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?
Mimi ni Mungu aliye karibu-hili ni tamko la Bwana-mimi sio Mungu aliye mbali?
24 Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.
Je, kuna mtu yeyote anayejificha mahali penye siri ili nisiweze kumwona? -Hili ndilo tamko la Bwana-Je mbingu na nchi hazikujawa nami? -hili Ndilo tamko la Bwana.
25 Efa reko ny nolazain’ ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin’ ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.
Nimesikia yale waliyosema manabii, wale waliokuwa wanatabiri uongo kwa jina langu. Wakisema, 'Nilikuwa na ndoto!
26 Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon’ ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va?
Nilikuwa na ndoto!' Je, hii itaendelea mpaka lini, manabii wanaotabiri uongo kutoka kwa akili zao, na wanasema nini kutokana na udanganyifu mioyoni mwao?
27 Ny hampanadino ny oloko ny anarako amin’ ny nofiny izay lazainy amin’ ny namany avy, toy ny nanadinoan’ ny razany ny anarako noho ny amin’ i Bala?
Wana mpango wa kuwafanya watu wangu kusahau jina langu kwa ndoto ambazo wanazoripoti, kila mmoja kwa jirani yake, kama vile babu zao walivyosahau jina langu kwa ajili ya jina la Baali.
28 Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin’ ny vary? hoy Jehovah.
Nabii aliye na ndoto, aseme ndoto hiyo. Lakini yule ambaye nimemwambia kitu fulani, basi aseme neno langu kwa kweli. Je, majani yanahusiana na nafaka? - hili ni tamko la Bwana-
29 Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?
Na neno langu si kama moto? -Hili ni tamko la Bwana-na kama mwamba wenye kupiga nyundo?
30 Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin’ ny namany avy.
Tazameni, ninapingana na nabii-hii ndiyo ahadi ya Bwana-yeyote anayeiba maneno kutoka kwa mtu mwingine na anasema yanatoka kwangu.
31 Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.
Tazama, ninapingana na manabii-hili ndilo tamko la Bwana-ambao hutumia lugha zao kutabiri maneno.
32 Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.
Tazameni, ninapingana na manabii wanaoota ndoto-hii ndiyo ahadi ya Bwana-na kisha kuwahubiri na kwa njia hii kuwadanganya watu wangu kwa udanganyifu wao na kujivunia. Mimi ni juu yao, kwa kuwa sikuwatuma wala kuwapa amri. Kwa hivyo hawatawasaidia watu hawa - hili ndilo tamko la Bwana.
33 Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan’ i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin’ ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.
Watu hawa au nabii au kuhani wakakuuliza, 'Je, ni nini tamko la Bwana?' basi lazima uwaambie, 'Ni tamko gani? Kwa maana nimekuacha wewe-hili ndilo tamko la Bwana.
34 Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan’ i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin’ ny ankohonany.
Kwa habari ya manabii, makuhani, na watu wanaosema, 'Hili ndilo tamko la Bwana,' nitamuadhibu mtu huyo na nyumba yake.
35 Samia manontany amin’ ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin’ i Jehovah? Ary ahoana no nolazain’ i Jehovah?
Endelea kusema, kila mtu kwa jirani yake na kila mtu kwa ndugu yake, 'Bwana alijibu nini?' na 'Bwana alitangaza nini?'
36 Fa ny hoe: Ny entan’ i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin’ ny olona avy ihany no ho entan’ ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin’ Andriamanitra velona, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitsika.
Lakini usizungumze tena juu ya tamko la Bwana, kwa kuwa kila tamko kutoka kwa kila mtu limekuwa ujumbe wake mwenyewe, na umepotosha maneno ya Mungu aliye hai, Bwana wa majeshi, Mungu wetu.
37 Izao no hanontanianareo amin’ ny mpaminany; Ahoana no navalin’ i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain’ i Jehovah?
Utamuuliza nabii hivi, 'Bwana alikujibu nini? Je, Bwana alisema nini? Kisha unasema tamko kutoka kwa Bwana;
38 Fa raha hoy ianareo: Entan’ i Jehovah, Dia izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny entan’ i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan’ i Jehovah,
lakini Bwana asema hivi, Sema hivi, “Hili ni tamko la Bwana” ingawa nimekuagiza na kusema, “Usiseme: Hili ni tamko kutoka kwa Bwana.”
39 Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin’ ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;
Kwa hiyo, angalia, nitawachukua na kukutupa mbali na mimi, pamoja na jiji ambalo nilikupa wewe na baba zako.
40 Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.
Ndipo nitaweka aibu ya milele na fedheha juu yenu ambayo haitasahauliwa.'”

< Jeremia 23 >