< Jeremia 22 >
1 Izao no lazain’ i Jehovah: Midìna any amin’ ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:
KE olelo mai nei o Iehova penei, E iho oe ilalo i ka hale o ke alii o ka Iuda, a e olelo malaila i keia olelo;
2 Henoy ny tenin’ i Jehovah, ry mpanjakan’ ny Joda, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ ireto vavahady ireto:
E i aku, E hoolohe oe i ka olelo a Iehova, e ke alii o ka Iuda, ka mea noho ma ka nohoalii o Davida, o oe, a me kau poe kauwa, a me kou poe kanaka, na mea komo iloko o keia mau pukapa.
3 Izao no lazain’ i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin’ ity fitoerana ity.
Ke olelo mai nei o Iehova penei; E hana oukou i ka hooponopono, a me ka maikai, a e hoopakele i ka mea i haoia, mai ka lima aku o ka mea hookaumaha: mai hana i ka mea i hewa, mai hana i ka mea kolohe i ka malihini, a i ke kieki makuaole, a i ka wahine kanemake: mai hookahe hoi i ke koko hala ole ma keia wahi.
4 Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida hiditra amin’ ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
No ka mea, ina hana io oukou i keia, alaila, e komo mai no ma na pukapa o keia hale, he poe alii, e noho ana ma ka nohoalii o Davida, e holo ana hoi maloko o na kaakaua, a maluna o na lio, oia, a me kana poe kauwa, a me kona poe kanaka.
5 Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity.
Aka, ina aole oukou e hoolohe i keia mau olelo, ke hoohiki nei au ia'u iho, wahi a Iehova, e lilo no keia hale i neoneo.
6 Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an’ i Gileada sy ny tampon’ i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.
No ka mea, penei ka olelo ana mai a Iehova i ko ka hale o ke alii o ka Iuda; O oe no o Gileada ia'u, o ke poo hoi o Lebanona. He oiaio, e hoolilo no wau ia oe i waonahele, i kulanakauhale noho ole ia.
7 Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain’ ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.
A na'u hoi e hoomakaukau i poe luku aku ia oe, o kela mea keia mea, me kona mea eha: a na lakou e kua ilalo i kou mau kedera maikai, a e kiola ia lakou iloko o ke ahi.
8 Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin’ ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin’ ity tanàna lehibe ity?
A e nui loa auanei na lahuikanaka e hele ae a hala keia kulanakauhale, a e olelo kela mea keia mea o lakou i kona hoa, No keaha la i haua mai ai o Iehova ia mea i keia kulanakauhale nui?
9 Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken’ i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin’ andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
Alaila, e olelo no lakou, No ka mea, ua haalele lakou i ka berita o Iehova, ko lakou Akua, a ua hoomaua i na'kua e, a ua malama ia lakou.
10 Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.
Mai uwe oukou no ka mea i make, mai kanikau ia ia; e uwe nui i ka mea i hele aku; no ka mea, aole ia e hoi hou mai, aole e ike hou i kona aina hanau.
11 Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Saloma, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an’ i Josia rainy, saingy efa niala tamin’ ity tany ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,
No ka mea, penei ka olelo ana mai a Iehova no Saluma, ke keiki a Iosia, ke alii o ka Iuda, ka mea i noho aupuni ma ka hakahaka o Iosia, o kona makua, ka mea i hele, mai keia wahi aku; aole ia e hoi hou ilaila:
12 Fa ho faty any amin’ ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony.
Aka, e make no oia ma kahi a lakou i lawepio ai ia ia, aole e ike hou mai i keia aina.
13 Lozan’ izay manorina ny tranony amin’ ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin’ ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany,
Auwe ka mea kukulu i kona hale me ka pono ole, a me kona mau keena maluna, me ka mea aole i maikai, ka mea hoohana wale i kona hoalauna, aole hoi i uku mai no kana hana ana;
14 Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.
Ka mea i olelo, E hana no wau i hale akea no'u me na keena nui maluna; a kalai hoi i mau puka makani nona; a ua kapiliia i ka laau kedera, a ua penaia i ka ulaula.
15 Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an’ ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin’ izany dia nambinina izy.
E noho aupuni anei oe no kou hoopuni ana ia oe i ke kedera? Aole anei i ai, a inu kou makuakane, a hana i ka hooponopono, a me ka pololei, alaila, ua pomaikai oia?
16 Nitsara ny tenin’ ny ory sy ny malahelo izy; Tamin’ izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah.
Nana no i hooponopono i ka hihia o ka poe hune, a me ka poe nele, alaila, pomaikai. Aole anei oia ka i ike mai ia'u, wahi a Iehova?
17 Nefa tsy misy alehan’ ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
Aka, aohe mea ma kou mau maka, a ma kou naau, o kou makeewaiwai no, a me ka hookahe i ke koko hala ole, a me ka hookaumaha, a me ka lawe wale, e hana hoi.
18 Ary noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
Nolaila, penei ka olelo ana mai a Iehova no Iehoiakima, ke keiki a Iosia, ke alii o ka Iuda; Aole lakou e kumakena ia ia, me ka i iho, Auwe kuu kaikuaana! auwe kuu kaikuwahine! aole lakou e kumakena ia ia, me ka i iho, Auwe ka haku! auwe kona nani!
19 Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan’ ny vavahadin’ i Jerosalema.
E kanuia no ia me ke kanu ana o ka hoki, i hukiia a kiolaia'ku mawaho aku o na pukapa o Ierusalema.
20 Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.
E pii aku oe i Lebanona, a e kahea aku, e hookiekie hoi i kou leo ma Banana, a e kahea aku ma kela aoao; no ka mea, ua lukuia kou poe ipo a pau.
21 Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
I kou wa i pomaikai ai, olelo aku la no wau ia oe, aka, olelo mai oe, Aole au e hoolohe: oia hoi kou aoao, mai kou wa opiopio mai, no ka mea, aole oe i hoolohe i ko'u leo.
22 Ny mpitondra anao rehetra ho paohin’ ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.
Na ka makani no e hoopau i kou mau kahu a pau; a e hele no kou poe ipo iloko o ke pio. Oiaio, i kela wa, e hilahila no oe, a e hoopalai no hoi, no kou hewa a pau.
23 Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin’ ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan’ ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka!
E ka mea noho ma Lebanona, ka mea hana i kou punana maloko o na laau kedera; pehea la oe e alohaia mai ai i ka wa e hiki mai ai kou eha, o ke kuakoko hoi, e like me ko ka wahine hanau keiki?
24 Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin’ ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao,
Me au e ola nei, wahi a Iehova, ina o Konia, ke keiki a Iehoiakima, ke alii o ka Iuda, ina paha oia ka hoailona ma ko'u lima akau; e uhuki aku no au ia oe malaila mai.
25 Ka hatolotro eo an-tànan’ izay mitady ny ainao sy eo an-tànan’ izay atahoranao, dia eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo amin’ ny tanan’ ny Kaldeana.
A e haawi aku no au ia oe iloko o ka lima o ka poe e imi nei i kou ola, a iloko hoi o ka lima o ka poe nona ka maka au e makau nei, iloko o ka lima hoi o Nebukaneza, ke alii o Babulona, a iloko o ka lima o ko Kaledea.
26 Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo.
A e kipaku aku no wau ia oe, a me kou makuwahine nana oe i hanau, i ka aina e, i kahi o oukou i hanau ole ia'i; a malaila oukou e make ai.
27 Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany.
Aka, o ka aina a lakou e makemake ai e hoi mai; aole lakou e hoi mai ilaila.
28 Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin’ ny tany tsy fantany?
O keia kanaka, o Konia, he kii anei oia i hoowahawahaia, a naha no hoi? He ipu anei i makemake ole ia? No ke aha lakou i kipakuia'ku ai, oia, a me kana hua, a ua hooleiia iloko o ka aina a lakou i ike ole ai?
29 Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin’ i Jehovah.
E ka honua, ka honua, ka honua, E hoolohe oe i ka olelo a Iehova:
30 Izao no lazain’ i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin’ ny androny; Fa tsy hisy amin’ ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, na hanapaka ao amin’ ny Joda intsony
Ke olelo mai nei o Iehova penei, E palapala oe i keia kanaka, ua keiki ole, he kanaka pomaikai ole i kona mau la: no ka mea, aohe kanaka o kana hua e pomaikai ana, e noho ana ma ka nohoalii o Davida, a e noho aupuni hou ana ma ka Iuda.