< Jeremia 20 >

1 Ary Pasora, zanak’ i Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’ i Jehovah, raha nandre an’ i Jeremia naminany izany zavatra izany,
Pashur, hijo del sacerdote Immer, que era el jefe de la casa de Yahvé, oyó a Jeremías profetizar estas cosas.
2 dia namely an’ i Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin’ ny boloky hazo izay teo am-bavahadin’ i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan’ ny tranon’ i Jehovah.
Entonces Pasjur golpeó al profeta Jeremías y lo puso en el cepo que estaba en la puerta superior de Benjamín, que estaba en la casa de Yahvé.
3 Ary nony ampitso, dia nesorin’ i Pasora tamin’ ny boloky hazo Jeremia. Dia hoy Jeremia taminy: Tsy nataon’ i Jehovah hoe Pasora ny anaranao, fa Magora-misabiba.
Al día siguiente, Pasjur liberó a Jeremías del cepo. Entonces Jeremías le dijo: “Yahvé no ha llamado tu nombre Pashur, sino Magormissabib.
4 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an’ ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin’ ny sabatra.
Porque Yahvé dice: ‘He aquí que te convertiré en un terror para ti y para todos tus amigos. Caerán por la espada de sus enemigos, y tus ojos lo verán. Entregaré a todo Judá en manos del rey de Babilonia, y él los llevará cautivos a Babilonia, y los matará a espada.
5 Ary ny harena rehetra amin’ ity tanàna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny zava-tsoany rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan’ ny Joda rehetra dia samy hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babylona.
Además, entregaré todas las riquezas de esta ciudad, todas sus ganancias y todos sus objetos preciosos, sí, entregaré todos los tesoros de los reyes de Judá en manos de sus enemigos. Los harán cautivos, los tomarán y los llevarán a Babilonia.
6 Ary ianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babylona ianao, ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin’ ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
Tú, Pashur, y todos los que habitan en tu casa irán al cautiverio. Llegarás a Babilonia, y allí morirás, y allí serás enterrado, tú y todos tus amigos, a quienes has profetizado falsamente”.
7 Jehovah ô, notaominao aho ka voataona; Nosamborinao aho ka resinao; Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; Izy rehetra dia maneso ahy.
Yahvé, tú me has persuadido, y yo he sido persuadido. Eres más fuerte que yo y has vencido. Me he convertido en un hazmerreír todo el día. Todo el mundo se burla de mí.
8 Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin’ i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan’ andro.
Porque todas las veces que hablo, grito; Grito: “¡Violencia y destrucción!” porque la palabra de Yahvé se ha convertido en un reproche para mí, y una burla, todo el día.
9 Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin’ ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin’ ny taolako; Ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.
Si digo que no voy a hacer mención de él, ni hablar más en su nombre, entonces hay en mi corazón como un fuego ardiente encerrado en mis huesos. Estoy cansado de aguantar. No puedo.
10 Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika.
Porque he oído la difamación de muchos: “¡Terror por todos lados! Denuncia, y lo denunciaremos”. dicen todos mis amigos conocidos, los que velan por mi caída. “Tal vez se le convenza, y prevaleceremos contra él, y nos vengaremos de él”.
11 Kanefa Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy hendry. Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany!
Pero Yahvé está conmigo como un poderoso imponente. Por eso mis perseguidores tropezarán, y no prevalecerán. Estarán totalmente decepcionados porque no han tratado con sabiduría, incluso con un deshonor eterno que nunca será olvidado.
12 Fa Hianao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
Pero el Señor de los Ejércitos, que pone a prueba a los justos, que ve el corazón y la mente, déjame ver tu venganza sobre ellos, porque te he revelado mi causa.
13 Mihirà ho an’ i Jehovah, miderà an’ i Jehovah; Fa Izy namonjy ny fanahin’ ny malahelo tamin’ ny tanan’ ny mpanao ratsy.
¡Canta a Yahvé! Alabado sea Yahvé, porque ha librado el alma del necesitado de la mano de los malhechores.
14 Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako! Aoka tsy hotahina anie ny andro izay niterahan’ ineny ahy!
Maldito sea el día en que nací. No permitas que el día en que mi madre me dio a luz sea bendecido.
15 Ho voaozona anie ny olona izay nitondra teny mahafaly tamin’ ikaky nanao hoe: Tera-dahy ianao! Ka nahafaly azy indrindra.
Maldito sea el hombre que trajo noticias a mi padre, diciendo, “Te ha nacido un niño”, lo que le alegró mucho.
16 Aoka Izany lehilahy izany ho toy ny tanàna izay noravan’ i Jehovah ka tsy nanenenany; Ary aoka izy handre fitarainana nony maraina sy akoralava nony mitataovovonana,
Que ese hombre sea como las ciudades que Yahvé derribó, y no se arrepintió. Que oiga un grito por la mañana, y gritando al mediodía,
17 Satria tsy nahafaty ahy tany an-kibo izy, hahatonga an’ Ineny ho fasako, ka hivesatra ahy mandrakariva ny kibony.
porque no me mató desde el vientre. Así que mi madre habría sido mi tumba, y su vientre siempre grande.
18 Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo, ka ho lany aman-kenatra ny androko!
¿Por qué salí del vientre materno para ver el parto y el dolor? que mis días se consuman en la vergüenza?

< Jeremia 20 >