< Jeremia 2 >
1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
Yehova anandiwuza kuti,
2 Mandehana, ka miantsoa eo anatrehan’ i Jerosalema hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan’ ny fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, teny amin’ ny tany tsy mbola nifafy zavatra;
“Pita ukalengeze kwa anthu a ku Yerusalemu kuti Yehova akuti, “‘Ine ndikukumbukira mmene umakhulupirikira pa unyamata wako, mmene unkandikondera ngati momwe amachitira mkwatibwi, mmene unkanditsata mʼchipululu muja; mʼdziko losadzalamo kanthu.
3 Masìna ho an’ i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin’ ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.
Israeli anali wopatulika wa Yehova, anali ngati zipatso zake zoyamba kucha pa nthawi yokolola; onse amene anamuzunza anapezeka kuti ndi olakwa ndipo mavuto anawagwera,’” akutero Yehova.
4 Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry taranak’ i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely!
Imvani mawu a Yehova, inu zidzukulu za Yakobo, inu mafuko onse a Israeli.
5 Izao no lazain’ i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan’ ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?
Yehova akuti, “Kodi makolo anu anandipeza nʼcholakwa chanji, kuti andithawe? Iwo anatsata milungu yachabechabe, nawonso nʼkusanduka achabechabe.
6 Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan’ olona akory na nonenan’ olona?
Iwo sanafunse nʼkomwe kuti, ‘Kodi Yehova ali kuti, amene anatitulutsa mʼdziko la Igupto natitsogolera mʼchipululu mʼdziko lowuma ndi lokumbikakumbika, mʼdziko lopanda mvula ndi la mdima, dziko limene munthu sadutsamo ndipo simukhala munthu aliyense?’
7 Ary nitondra anareo niditra ho any amin’ ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.
Ndinakufikitsani ku dziko lachonde kuti mudye zipatso zake ndi zabwino zake zina. Koma inu mutafika munaliyipitsa dziko langa ndi kusandutsa cholowa changa kukhala chonyansa.
8 Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin’ ny anaran’ i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.
Ansembe nawonso sanafunse kuti, ‘Yehova ali kuti?’ Iwo amene amaphunzitsa malamulo sanandidziwe; atsogoleri anandiwukira. Aneneri ankanenera mʼdzina la Baala, ndi kutsatira mafano achabechabe.
9 Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin’ ny zafinareo koa.
“Chifukwa chake Ine ndidzakuyimbaninso mlandu,” akutero Yehova. “Ndipo ndidzayimbanso mlandu zidzukulu zanu.
10 Fa mità ho any amin’ ny moron-dranomasin’ i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:
Pitani kumadzulo ku chilumba cha Kitimu, ndipo mukaone, tumizani anthu ku Kedara kuti akafufuze bwino; ndipo muona kuti zinthu zoterezi sizinachitikepo nʼkale lomwe:
11 Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin’ ireny tsy mahasoa ireny.
Kodi ulipo mtundu wa anthu uliwonse umene unasinthapo milungu yake? (Ngakhale kuti si milungu nʼkomwe). Koma anthu anga asinthitsa Mulungu wawo waulemerero ndi mafano achabechabe.
12 Talanjona amin’ izany ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy Jehovah;
Inu mayiko akumwamba, dabwani ndi zimenezi, ndipo njenjemerani ndi mantha aakulu,” akutero Yehova.
13 Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon’ aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
“Popeza anthu anga achita machimo awiri: Andisiya Ine kasupe wa madzi a moyo, ndi kukadzikumbira zitsime zawo, zitsime zongʼaluka, zomwe sizingathe kusunga madzi.
14 Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?
Israeli si wantchito kapena kapolo wobadwira mʼnyumba, ayi. Nanga nʼchifukwa chiyani amuwononga chotere?
15 Hamely azy no ampieronan’ ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina.
Adani ake abangulira ndi kumuopseza ngati mikango. Dziko lake analisandutsa bwinja; mizinda yake anayitentha popanda wokhalamo.
16 Ny mponina tao Memfisa sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.
Ndiponso Aigupto a ku Mefisi ndi a ku Tapanesi akuphwanyani mitu.
17 Moa tsy ny nahafoizanao an’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ ny andro nitondrany anao teny an-dalana va no nahatonga izany taminao?
Zimenezitu zakuchitikirani chifukwa munasiya Yehova Mulungu wanu pamene Iye ankakutsogolerani pa njira yanu?
18 Koa inona no anton’ ny ankanesanao amin’ ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon’ i Sihora? Ary inona no anton’ ny ankanesanao amin’ ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin’ ny Ony?
Tsopano mudzapindula chiyani mukapita ku Igupto, kukamwa madzi a mu Sihori? Ndipo mudzapindulanji mukapita ku Asiriya, kukamwa madzi a mu mtsinje wa Yufurate?
19 Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian’ ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Kuyipa kwanuko kudzakulangani; kubwerera mʼmbuyo kwanuko kudzakutsutsani. Tsono ganizirani bwino, popeza ndi chinthu choyipa kundisiya Ine Yehova Mulungu wanu; ndi chinthu chowawa ndithu kusandiopa Ine Mulungu wanu. Akutero Ambuye Yehova Wamphamvuzonse.
20 Fa hatramin’ ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin’ ny havoana andrandraina sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.
“Kuyambira kalekale inu munathyola goli lanu ndi kudula msinga zanu; munanena kuti, ‘Sitidzakutumikirani!’ Ndithudi, inu mwakhala ngati mkazi wachiwerewere. Mukupembedza milungu ina pa phiri lililonse lalitali ndiponso pansi pa mtengo uliwonse wa masamba ambiri.
21 Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?
Ine ndinakudzala iwe ngati mtengo wampesa wosankhika; unali mpesa wabwino kwambiri ndi wodalirika. Nanga nʼchifukwa chiyani wasanduka mpesa wachabechabe wonga wa kutchire?
22 Fa na dia misasa sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo.
Ngakhale utasamba ndi soda kapena kusambira sopo wambiri, kuthimbirira kwa machimo ako kumaonekabe pamaso panga,” akutero Ambuye Yehova.
23 Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ ny alehany,
“Iwe ukunena bwanji kuti, ‘Ine sindinadziyipitse; sindinatsatire Abaala’? Takumbukira mmene unkandichimwira mʼchigwa muja; zindikira bwino zomwe wachita. Iwe uli ngati ngamira yayikazi yaliwiro yomangothamanga uku ndi uku,
24 Sy ry borikivavi-dia tamàna any an-efitra, izay manimbolo ny rivotra noho ny faniriany; Ary ny fahamaimaizany iza no mahasakana azy? Izay rehetra mitady azy dia tsy ho sasa-poana; Fa amin’ ny volany no hahitany azy.
wakhala ngati mbidzi yozolowera mʼchipululu, yonka ninunkhiza pa nthawi yachisika. Ndani angayiretse chilakolako chakecho? Mphongo iliyonse yoyikhumba sidzavutika. Pa nthawi yachisika chakecho mphongoyo idzayipeza.
25 Aza esorina ny kapa amin’ ny tongotrao; Ary aoka tsy ho maina ny tendanao; Nefa hoy ianao: Tsy misy fanantenana; Tsia! fa ny hafa no tiako, ka dia hanaraka azy aho.
Iwe usathamange, nsapato zingakuthere kuphazi ndi kukhosi kwako kuwuma ndi ludzu. Koma unati, ‘Zamkutu! Ine ndimakonda milungu yachilendo, ndipo ndidzayitsatira.’
26 Toy ny fangaihain’ ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain’ ny taranak’ Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
“Monga momwe mbala imachitira manyazi pamene yagwidwa, moteronso nyumba ya Israeli idzachita manyazi; Aisraeliwo, mafumu ndi akuluakulu awo, ansembe ndi aneneri awo.
27 Dia izay manao amin’ ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin’ ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin’ ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.
Iwo amawuza mtengo kuti, ‘Iwe ndiwe abambo athu,’ ndipo amawuza mwala kuti, ‘Iwe ndiye amene unatibala.’ Iwo andifulatira Ine, ndipo safuna kundiyangʼana; Koma akakhala pa mavuto amati, ‘Bwerani mudzatipulumutse!’
28 Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin’ ny andro fahorianao fa araka ny isan’ ny tanànanao, ry Joda, no isan’ ny andriamanitrao.
Nanga ili kuti milungu yanu imene munadzipangira nokha? Ibweretu ngati ingathe kukupulumutsani pamene muli pamavuto! Inu anthu a ku Yuda, milungu yanu ndi yambiri kuchuluka kwake ngati mizinda yanu.
29 Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.
“Kodi mukundizengeranji mlandu? Nonse mwandiwukira,” akutero Yehova.
30 Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.
“Ine ndinalanga anthu ako popanda phindu; iwo sanaphunzirepo kanthu. Monga mkango wolusa, lupanga lanu lapha aneneri anu.
31 Ry taranaka, dinihonareo ny tenin’ i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an’ ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?
“Inu anthu a mʼbado uno, ganizirani bwino mawu a Yehova: “Kodi Ine ndinakhalapo ngati chipululu kwa Israeli kapena ngati dziko la mdima wandiweyani? Chifukwa chiyani anthu anga akunena kuti, ‘Ife tili ndi ufulu omayendayenda; sitidzabweranso kwa Inu’?
32 Hanadino ny firàvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan’ ny oloko Ahy.
Kodi namwali amayiwala zokongoletsera zake, kapena kuyiwala zovala zake za ukwati? Komatu anthu anga andiyiwala masiku osawerengeka.
33 Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin’ ny ratsy ny dianao!
Mumadziwa bwino njira zopezera zibwenzi! Choncho ngakhale akazi oyipa omwe mumawaphunzitsa njira zanu.
34 Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin’ ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin’ izany rehetra izany.
Ngakhale pa zovala zako anthu amapezapo magazi a anthu osauka osalakwa. Anthuwo simunawapeze akuthyola nyumba. Komabe ngakhale zinthu zili chomwechi,
35 Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.
inu mukunena kuti, ‘Ndife osalakwa, sadzatikwiyira.’ Ndidzakuyimbani mlandu chifukwa mukunena kuti, ‘Ife sitinachimwe.’
36 Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin’ i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin’ i Asyria.
Chifukwa chiyani mukunkabe nimusinthasintha njira zanu? Aigupto adzakukhumudwitsani monga momwe Asiriya anakuchititsani manyazi.
37 Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin’ i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin’ ireo ianao.
Mudzachokanso kumeneko manja ali kunkhongo. Popeza Ine Yehova ndawakana anthu amene munkawadalira, choncho sadzakuthandizani konse.