< Jeremia 18 >
1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:
Neno la Bwana lilimjia Yeremia, kusema,
2 Mitsangàna, ka midìna ho any amin’ ny tranon’ ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.
“Simama, uende kwa nyumba ya mfinyanzi; kwa maana nitakusikilizisha neno langu huko.
3 Dia nidina tany amin’ ny tranon’ ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin’ ny ankodina fanaovana izy.
Basi, nikaenda nyumbani kwa mfinyanzi, na tazama! Mfinyanzi alikuwa akifanya kazi kwenye gurudumu la mfinyanzi.
4 Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin’ ny tanimanga eny an-tànan’ ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian’ ny mpanefy tanimanga hanaovana azy.
Lakini chombo cha udongo ambacho alikuwa akikifinyanga kiliharibika mkononi mwake, kwa hiyo alibadili mawazo yake na akafanya kitu kingine ambacho kilionekana kuwa kizuri machoni pake.
5 Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
Ndipo neno la Bwana likanijia, kusema,
6 Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon’ ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’ i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’ Isiraely.
“Je, siwezi kuwa kama huyu mfinyanzi kwenu, nyumba ya Israeli? Angalia! Kama udongo katika mkono wa mfinyanzi-ndivyo ulivyo mkononi mwangu, nyumba ya Israeli.
7 Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;
Kwa wakati mmoja, ninaweza kutangaza jambo fulani juu ya taifa au ufalme, kwamba nitaufukuza, kuuvunja, au kuuharibu.
8 Nefa raha miala amin’ ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.
Lakini kama taifa ambalo nimefanya tamko hilo linageuka na kuacha maovu yake, basi nitaghairi nisitende maafa niliyokuwa nimepanga.
9 Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;
Wakati mwingine, ninaweza kutangaza jambo fulani kuhusu taifa au ufalme, kwamba nitaujenga au kuupanda.
10 Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy.
Lakini ikiwa watafanya mabaya machoni pangu kwa kutosikiliza sauti yangu, basi nitaghairi mema ambayo nilikuwa nimewaambia nitawafanyia.
11 Koa amin’ izany, lazao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin’ ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
Basi sasa, waambie watu wa Yuda na wenyeji wa Yerusalemu, ukisema, 'Bwana asema hivi: Tazameni, nitawaangamiza. Mimi ni karibu kufinyanga mabaya dhidi yenu. Tubuni, kila mtu kutoka njia yake mbaya, hivyo njia zako na matendo yako yatakuletea mema.'
12 Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
Lakini watasema, 'Hili halina maana. Tutafanya kulingana na mipango yetu wenyewe. Kila mmoja wetu atafanya mabaya kwa kuufuata uchupavu wa moyo wake.'
13 Koa izao no lazain’ i Jehovah: anontanio any amin’ ny jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon’ Isiraely virijina.
Kwa hiyo Bwana asema hivi, 'Uliza watu wa mataifa, ambao wamewahi kusikia habari kama hii? Bikira wa Israeli amefanya kitendo cha kutisha.
14 Hitsahatra tsy ho eo amin’ ny vatolampy any an-tsaha va ny oram-panalan’ i Libanona, ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin’ ny tany hafa?
Je, theluji ya Lebanoni imetoka milima yenye miamba juu ya pande zake? Je, mito ya mlima inayotoka mbali iliharibiwa, mito hiyo ya baridi?
15 Fa efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an’ ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin’ ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin’ ny sakeli-dalana madinika, dia amin’ ny lalana tsy voavoatra,
Hata hivyo watu wangu wamesahau. Wamefanya sadaka kwa sanamu zisizo na maana na wamefanya mashaka katika njia zao; wameacha njia za kale za kutembea katika njia ndogo.
16 Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.
Nchi yao itakuwa ya hofu, kitu cha kuzomewa milele. Kila mtu atakayepita karibu naye atashuhudia na kutingisha kichwa chake.
17 Toy ny fampielin’ ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan’ ny fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin’ ny andro hahitany loza.
Nitawaangamiza mbele ya adui zao kama upepo wa mashariki. Nitawageuzia kisogo, wala sio uso wangu, siku ya msiba wao.'”
18 Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
Basi watu wakasema, “Njoni, tufanye njama dhidi ya Yeremia, maana sheria haitapotea kabisa kwa makuhani, wala ushauri kutoka kwa wenye hekima, au maneno ya manabii. Njoo, mshambulie kwa maneno yetu na tusisikilize tena chochote anachosema.”
19 Mihainoa ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin’ izay miady amiko
Sikiliza, Ee Bwana! Na kusikiliza sauti ya adui yangu.
20 Ratsy va no havaly ny soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy.
Je, maafa kutoka kwao itakuwa malipo yangu kwa kuwa mema kwao? Kwa maana wamenichimbia shimo. Kumbuka jinsi nilivyosimama mbele yako ili niseme mema kwa ajili yao na kugeuza ghadhabu yako isiwapate.
21 Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy, ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin’ ny ady.
Basi uwape watoto wao njaa, na uwatie mikononi mwa wale wanaotumia upanga. Basi, waache wanawake wao wafiwe na kuwa wajane, na watu wao watauawa, na vijana wao wauawe kwa upanga wa vita.
22 Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.
Kelele ya kusikitisha isikiwe kutoka katika nyumba zao, kama utakapoleta washambuliaji ghafla juu yao. Kwa kuwa wamechimba shimo kunikamata na wameficha mitego katika miguu yangu.
23 Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin’ ny andro fahatezeranao.
Lakini wewe, Bwana, unajua mipango yao yote dhidi yangu ya kuniua. Usisamehe uovu na dhambi zao. Usiondoe dhambi zao mbali nawe. Badala yake, waache waangamizwe mbele yako. Tenda juu yao wakati wa ghadhabu yako.