< Jeremia 17 >

1 Ny fahotan’ ny Joda dia voasoratra tamin’ ny fanoratana sy tamin’ ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin’ ny vato fisaka sy eo amin’ ny tandroky ny alitarany izany,
U A palapalaia ka hewa o ka Iuda, me ka peni hao, me kahi oi hoi o ka daimana; ua kahakahaia hoi ma ka papa o ko lakou naau, a ma na pepeiaohao o ke kuahu;
2 Dia amin’ izay hahatsiarovan’ ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin’ ny hazo maitso, ambonin’ ny havoana andrandraina.
I ka hoomanao ana o ka lakou keiki i ko lakou kuahu, a me ko lakou ululaau ma na laau uliuli maluna o na puu kiekie.
3 Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin’ ny faritaninao rehetra.
E kuu mauna ma ke kula, e haawi no wau i kou waiwai, a me kou ukana a pau i pio, a me kou mau wahi kiekie i hewa, ma kou mau mokuna a pau.
4 Ary avy amin’ ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon’ ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.
A o oe, e hele aku no oe, mai kou hooilina aku, ka mea a'u i haawi aku ai ia oe; a e hoolilo aku au ia oe i kauwa na kou poe enemi ma ka aina au i ike ole ai: no ka mea, ua hoa oukou i ke ahi ma kuu ukiuki, a e a mau loa aku no ia.
5 Izao no lazain’ i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’ i Jehovah ny fony.
Ke olelo mai nei o Iehova penei, E poino ana ke kanaka i hilinai i ke kanaka, a manao iho la i ka io i ikaika nona, a haalele kona naau ia Iehova.
6 Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin’ ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin’ ny tany sira izay tsy onenana.
E like auanei ia me kahi i haaleleia maloko o ka waonahele, aole ia e ike i ka wa e hiki mai ai ka maikai; aka, e noho no oia ma na wahi maloo ma ka waonahele, ma ka aina hua ole, a noho ole ia.
7 Hotahina izay olona matoky an’ i Jehovah, dia izay manana an’ i Jehovah ho tokiny.
Pomaikai ke kanaka i hilinai aku ia Iehova, a o Iehova hoi kona mea e manaolana'i.
8 Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.
E like auanei ia me ka laau i kanuia ma na wai, a kupu ae la kona mau aa ma kahi mau; aole hoi ia e ike i ka hiki ana mai o ka wela; aka, e uliuli no kona lau; a i ka makahiki wi, aole ia e makau, aole hoi e hooki oia i ka hoohua ana mai i ka hua.
9 Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?
He hoopunipuni ka naau mamua o na mea a pau, a ua hewa loa hoi ia; owai ka mea hiki ke hoomaopopo?
10 Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany
Owau, o Iehova, ke huli nei au i ka naau, ke hoao nei au i ka opu, e haawi i kela kanaka keia kanaka e like me kona mau aoao, e like hoi me ka hua o kana mau hana.
11 Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ ny rariny: Handao azy amin’ ny an-tenatenan’ androny izany, ka ho adala no farany.
E like me ka manu aihue i hoopunana i na hua ana i hanau ole ai; pela no ka mea i loaa ka waiwai ma ka pono ole, iwaenakonu o kona mau la, e waiho oia ia mea, a i kona hope, e lapuwale oia.
12 Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin’ ny voalohany ny fitoera-masintsika.
He nohoalii nani kiekie loa, mai kinohi mai, oia kahi o ko makou keenakapu.
13 Ry Jehovah, Fanantenan’ ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin’ ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an’ i Jehovah, loharano velona.
E Iehova, ka mea e manaolana'i o ka Iseraela, o ka poe a pau e haalele ia oe, e hilahila auanei lakou, a o ka poe e haalele ia'u, e kahakahaia lakou ma ka honua, no ka mea, ua haalele lakou ia Iehova, i ke kumu o na wai ola.
14 Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.
E hoola mai oe ia'u, e Iehova, a e hoolaia mai no wau; e hoopakele mai oe ia'u a e hoopakeleia mai no wau; no ka mea, o oe no ka'u e kaena ai.
15 Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin’ i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.
Aia hoi, ke olelo mai nei lakou ia'u, Auhea ka olelo a Iehova? E hele mai ia, ano.
16 Fa izaho tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian’ ny loza dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin’ ny molotro dia miharihary eo anatrehanao.
Aole au i hoolalelale ia'u iho mai ka noho kahuhipa ana, e hahai mamuli ou, aole hoi au i makemake ia la kaumaha, ua ike no oe. O ka mea i puka aku iwaho o ko'u mau lehelehe, ua pololei no ia imua ou.
17 Enga anie ka tsy ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin’ ny andro fahoriana Hianao!
Mai lilo oe i mea makau no'u; o oe no ko'u mea e manaolana'i, i ka la o ka hewa.
18 Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.
E hoohilahilaia ka poe hoomaau mai ia'u, mai hookuu ia'u i ka hoohilahilaia. E hoopilihua ia lakou, mai hookuu ia'u i ka hoopilihuaia. E lawe mai oe maluna o lakou i ka la o ka hewa, a e luku hoi oe ia lakou i ka luku papalua.
19 Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Mandehana ka mitsangàna eo amin’ ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan’ ny mpanjakan’ ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin’ ny vavahady rehetra eto Jerosalema
Ke olelo mai nei o Iehova ia'u penei, O hele, e ku ma ka pukapa o na keiki a ko'u poe kanaka, kahi e komo mai ai na'lii o ka Iuda, ma kahi hoi e puka aku ai lakou iwaho, a ma na pukapa a pau hoi o Ierusalema;
20 ka lazao amin’ ny olona hoe: Henoinareo ny tenin’ i Jehovah ry mpanjakan’ ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin’ ireto vavahady ireto.
A e i aku ia lakou, E hoolohe oukou i ka olelo a Iehova, e na'lii o ka Iuda, a me ka Iuda a pau, a me ka poe a pau e noho ana ma Ierusalema, ka poe komo iloko, ma keia mau pukapa.
21 Izao no lazain’ i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin’ ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema;
Ke olelo mai nei o Iehova penei, E malama oukou i ko oukou kino iho; mai halihali oukou i ka mea halihali i ka la Sabati, aole hoi e lawe mai iloko, ma na pukapa o Ierusalema.
22 ary aza mitondra entana mivoaka avy amin’ ny tranonareo amin’ ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.
Mai lawe aku hoi i ka haawe mawaho aku o ko oukou mau hale i ka la Sabati; mai hana hoi i kekahi hana; aka, e hoano oukou i ka la Sabati, me au i kauoha aku ai i ko oukou poe kupuna.
23 Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra.
Aole lakou i hoolohe, aole hoi i haliu mai i ko lakou mau pepeiao, aka, hooolea lakou i ko lakou a-i i mea e lohe ole ai lakou, i mea hoi, e loaa ole ai ia lakou ka naauao.
24 Ary raha mihaino Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin’ ny vavahadin’ ity tanàna ity amin’ ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin’ izany,
A ina e hoolohe pono mai oukou ia'u, wahi a Iehova, a lawe ole i ka mea lawe maloko o na pukapa o ke kulanakauhale i ka la Sabati: aka, hoano oukou i ka la Sabati, a hana ole i kekahi hana ia la;
25 izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida dia hiditra amin’ ny vavahadin’ ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.
Alaila, e komo mai no iloko o na pukapa o keia kulanakauhale, na'lii, a me na luna, e noho ana ma ka nohoalii o Davida, e holo ana hoi maloko o na halekaa, a maluna o na lio, o lakou, a me ko lakou luna, o na kanaka o ka Iuda, a me ka poe noho ma Ierusalema; a e hoomau loa ia aku no keia kulanakauhale.
26 Ary ho avy ny olona avy amin’ ny tanànan’ ny Joda sy ny manodidina an’ i Jerosalema sy ny tanin’ ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’ i Jehovah.
A e hele mai no lakou, mai na kulanakauhale o ka Iuda mai, a no na wahi mawaho o Ierusalema a puni, a mai ka aina o Beniamina mai, a mai na papu mai, a mai na mauna mai, a mai ke kukuluhema mai, e lawe ana i na mohnikuni, a me na alana, a me na mohai makana, a me ka mea ala, e lawe ana hoi i na mea aloha, a i ka hale o Iehova.
27 Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasìna ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema ihany amin’ ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.
Aka, ina aole oukou e hoolohe mai ia'u, e hoano i ka la Sabati, a e lawe ole hoi i ka mea lawe, e komo ana hoi iloko ma na pukapa o Ierusalema i ka la Sabati; alaila, e hoa no wau i ke ahi ma kona mau pukapa, a e hoopau no ia i na hale alii o Ierusalema, aole hoi ia e kinaiia.

< Jeremia 17 >