< Jeremia 14 >

1 Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Jeremia ny amin’ ny mosary.
AND THE WORD OF THE LORD CAME TO JEREMIAS CONCERNING THE DROUGHT.
2 Misaona ny Joda, ary mitanondrika ny vavahadiny; Mitafy lamba fioriana izy ka mipetraka amin’ ny tany; Ary miakatra ny fitarainan’ i Jerosalema.
Judea has mourned, and her gates are emptied, and are darkened upon the earth; and the cry of Jerusalem is gone up.
3 Ny lehibeny maniraka ny madinika hantsaka rano; Dia tonga any amin’ ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra loha mody; Menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha.
And her nobles have sent their little ones to the water: they came to the wells, and found no water: and brought back their vessels empty.
4 Noho ny fangentan’ ny tany, noho ny tsy nilatsahan’ ny ranonorana taminy, dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha.
And the labours of the land failed, because there was no rain: the husbandmen were ashamed, they covered their heads.
5 Ary na dia ny dieravavy any an-tsaha aza, raha miteraka, dia mahafoy noho ny tsi-fisian’ ny ahi-maitso.
And hinds calved in the field, and forsook [it], because there was no grass.
6 Ary ny borikidia mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia izy; Manjambena ny masony noho ny tsi-fisian’ ny ahitra.
The wild asses stood by the forests, and snuffed up the wind; their eyes failed, because there was no grass.
7 Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, miasà ihany Hianao noho ny anaranao; Fa be ny fiodinanay, taminao no nanotanay.
Our sins have risen up against us: O Lord, do you for us for your own sake; for our sins are many before you; for we have sinned against you.
8 Ry Fanantenan’ ny Isiraely ô, Mpamonjy azy amin’ ny andro fahoriana! Nahoana Hianao no dia toy ny vahiny amin’ ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja?
O Lord, [you are] the hope of Israel, and deliver [us] in time of troubles; why are you become as a sojourner upon the land, or as one born in the land, yet turning aside for a resting-place?
9 Nahoana Hianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Hianao, Jehovah ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; Aza dia mandao anay.
Will you be as a man asleep, or as a [strong] man that can’t save? yet you are amongst us, O Lord, and your name is called upon us; forget us not.
10 Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, ka tsy mahajanona ny tongony; Tsy sitrak’ i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, ary valiany ny fahotany.
Thus says the Lord to this people, They have loved to wander, and they have not spared, therefore God has not prospered them; now will he remember their iniquity.
11 Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mivavaka ho an’ ity firenena ity hahasoa azy.
And the Lord said to me, Pray not for this people for [their] good:
12 Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
for though they fast, I will not hear their supplication; and though they offer whole burnt offerings and sacrifices, I will take no pleasure in them: for I will consume them with sword, and with famine, and with pestilence.
13 Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan’ ny sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin’ ity tany ity ianareo.
And I said, O [ever] living Lord! behold, their prophets prophesy, and say, You shall not see a sword, nor shall famine be amongst you; for I will give truth and peace on the land, and in this place.
14 Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin’ ny anarako; Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinotsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.
Then the Lord said to me, The prophets prophesy lies in my name: I sent them not, and I commanded them not, and I spoke not to them: for they prophesy to you false visions, and divinations, and auguries, and devices of their own heart.
15 Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ireo mpaminany izay maminany amin’ ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin’ ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
Therefore thus says the Lord concerning the prophets that prophesy lies in my name, and I sent them not, who say, Sword and famine shall not be upon this land; they shall die by a grievous death, and the prophets shall be consumed by famine.
16 Ary ny firenena izay aminanian’ ireo koa dia hiely faty eny an-dalamben’ i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra, ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zananilahy, na ny zananivavy, fa haidiko ao aminy ny faharatsiany.
And the people to whom they prophesy, they also shall be cast out in the streets of Jerusalem, because of the sword and famine; and there shall be none to bury them: their wives also, and their sons, and their daughters [shall die thus]; and I will pour out their wickedness upon them.
17 Koa lazao aminy izao teny izao: Ny ranomasoko hijononoka andro aman’ alina ka tsy hitsahatra; Fa ny oloko, zanakavavy virijina, naratra mafy dia mafy tamin’ ny kapoka maharary indrindra.
And you shall speak this word to them; Let your eyes shed tears day and night, and let them not cease: for the daughter of my people has been sorely bruised, and her plague is very grievous.
18 Raha mivoaka any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, dia indreo ny anan’ ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin’ ny tany tsy fantany.
If I go forth into the plain, then behold the slain by the sword! and if I enter into the city, then behold the distress of famine! for priest and prophet have gone to a land which they knew not.
19 Efa narianao tokoa va Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va Ziona? Nahoana no dia mamely anay Hianao, ka efa tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita asa, ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.
Hast you utterly rejected Juda? and has your soul departed from Sion? therefore has you struck us, and there is no healing for us? we waited for peace, but there was no prosperity; for a time of healing, and behold trouble!
20 Jehovah ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay; Fa efa nanota taminao izahay.
We know, O Lord, our sins, [and] the iniquities of our fathers: for we have sinned before you.
21 Noho ny amin’ ny anaranao dia aza arianao izahay; Aza atao ho tsinontsinona ny seza fiandrianan’ ny voninahitrao; Tsarovy, ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay.
Refrain for your name's sake, destroy not the throne of your glory: remember, break not your covenant with us.
22 Mba misy mahalatsaka ranonorana va ireny sampin’ ny jentilisa ireny? Na mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra? Fa tsy Hianao ihany va no Izy, ry Jehovah Andriamanitray ô? Koa manantena Anao izahay, satria Hianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.
Is there any one amongst the idols of the Gentiles that can give rain? and will the sky yield his fulness [at their bidding]? Are not you he? we will even wait on you, O Lord: for you have made all these things.

< Jeremia 14 >