< Jeremia 13 >

1 Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.
Bwana aliniambia hivi, “Nenda ukape nguo ya kitani na kuiweka karibu na kiuno chako, lakini usiiweke kwenye maji kwanza.”
2 Dia nividy fehin-kibo aho araka ny tenin’ i Jehovah ka nifehezako ny kiboko.
Kwa hiyo nilinunua vazi kama vile Bwana alivyoagiza, na nikafunga karibu na kiuno changu.
3 Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’ i Jehovah hoe:
Ndipo neno la Bwana likanijia mara ya pili, kusema,
4 Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy.
“Twaa vazi lako ulilolinunua lililo karibu na kiuno chako, uinuke, ukasafiri mpaka Frati. Ukaifiche huko katika mwamba wa jabali.
5 Ka dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron’ i Eofrata izy, araka ny nandidian’ i Jehovah ahy.
Basi nikaenda na kuificha katika Frati kama vile Bwana alivyoniamuru.
6 Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
Baada ya siku nyingi, Bwana akaniambia, “Simama, urudi Frati. Ukaichukue nguo ambayo nilikuambia ufiche.”
7 Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin’ ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony.
Kwa hiyo nikarudi Frati na kuchimba na kuchukua nguo mahali pale nilipoificha. Lakini tazama! Nguo hiyo ilikuwa imeharibika; haikuwa nzuri kabisa.
8 Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
Ndipo neno la Bwana likanijia tena, kusema,
9 Izao no lazain’ i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon’ ny Joda sy ny haben’ ny avonavon’ i Jerosalema.
“Bwana asema hivi, Nitakiangamiza kiburi cha Yuda na Yerusalemu.
10 Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ ny ditry ny fony ka manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony.
Watu hawa waovu wanaokataa kusikia neno langu, ambao huenda katika ugumu wa mioyo yao, ambao hufuata miungu mingine ili kuabudu na kuinama-watakuwa kama hii nguo isiyofaa kwa lolote.
11 Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin’ ny valahan’ ny olona no nampiraiketako ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy.
Kwa maana kama vile vazi lililofungwa kwenye viuno vya mtu, ndivyo nimefainya nyumba yote ya Israeli na nyumba yote ya Yuda zimefungwa kwangu- hili ndilo tamko la Bwana-wawe watu wangu, ili kunifanya jina, sifa, na heshima. Lakini hawakunisikiliza.
12 Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?
Basi uwaambie neno hili, 'Bwana, Mungu wa Israeli, asema hivi Kila chupa itajazwa divai.' Watakuambia, 'Je, hatujui kwamba kila chupa itajazwa divai?'
13 Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin’ ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.
Basi uwaambie,' Bwana asema hivi: Tazama, nitawajaza kila mkaaji wa nchi hii ulevi, na wafalme wanaokaa kiti cha Daudi, na makuhani, na manabii, na wenyeji wote wa Yerusalemu.
14 Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin’ ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.
Ndipo nitawagonganisha kila mtu na mwenzake baba na watoto wao pamoja; hili ndilo tamko la Bwana-sitawahurumia au kuwa na huruma, wala sitawarehemu kutoka kwenye uharibifu.
15 Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.
Sikilizeni na makini. Msiwe na kiburi, kwa kuwa Bwana amesema.
16 Manomeza voninahitra an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.
Mtukuze Bwana, Mungu wako, kabla ya hajaleta giza, na kabla ya kuifanya miguu yako kuwa na mashaka juu ya milima wakati wa jioni. Kwa maana unatarajia mwanga, lakini ataugeuza kuwa mahali pa giza, na kuwa giza nene.
17 Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin’ ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin’ i Jehovah.
Kwa hiyo ikiwa husikilizi, nitaomboleza peke yangu kwa sababu ya kiburi chako. Hakika macho yangu yatalia na kutoa machozi, kwa sababu kundi la Bwana limechukuliwa mateka.
18 Lazao amin’ ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin’ ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.
“Mwambieni mfalme na mama wa malkia, 'Jinyenyekezeni, na kukaa chini, kwa maana taji juu ya kichwa chako, kiburi chako na utukufu wako, umeanguka.'
19 Voarindrina ny tanàna any amin’ ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.
Miji ya Negebu itafungwa, bila mtu wa kufungua. Yuda watachukuliwa mateka, wote uhamishoni.
20 Atopazy ny masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?
Inua macho yako na angalia wale wanaokuja kutoka kaskazini. Je, ni kundi gani alilokupa, kundi ambalo lilikuwa zuri sana kwako?
21 Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka?
Je, unasema nini wakati Mungu anawaweka wale ambao uliwafundisha kuwa marafiki? Je, huu si mwanzo wa maumivu ya utungu ambayo yatakuchukua kama mwanamke aliye katika kuzaa?
22 Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben’ ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr’ akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao.
Kisha unaweza kusema moyoni mwako, 'Kwa nini mambo haya yanatokea kwangu?' Itakuwa kwa uovu wa maovu yako ambapo marinda yako yamefunuliwa na umeumizwa.
23 Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.
Je, watu wa Kushi hubadilisha rangi yao ya ngozi, au chui hubadilisha madoa yake? Ikiwa ndivyo, basi wewe mwenyewe, ingawa unazoea uovu, utaweza kufanya mema.
24 Koa dia haeliko izy toy ny vodivary indaosin’ ny rivotra avy any an-efitra.
Kwa hiyo nitawaangamiza kama makapi ambayo yanaangamia katika upepo wa jangwa.
25 Izany no lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin’ ny lainga.
Hii ndiyo niliyokupa, sehemu ambayo nimekuagiza kwako-hili ndilo tamko la Bwana - kwa sababu umenisahau na kuamini katika udanganyifu.
26 Ary Izaho kosa dia hampiainga ny moron-tongotr’ akanjonao ho eny amin’ ny tavanao, mba hisehoan’ ny henatrao.
Kwa hiyo mimi mwenyewe nitaondoa nguo zako, na sehemu zako za siri zitaonekana.
27 Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan’ ny fijejojejoanao any amin’ ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?
Uzinzi na ubembe wako, aibu ya tabia yako ya uasherati kwenye milima na katika mashamba! Nitayafanya yaonekane, mambo haya ya machukizo! Ole wako, Yerusalemu! Hutaki kuwa safi. Je! Hili litaendelea kwa muda gani?”

< Jeremia 13 >