< Jeremia 12 >

1 Raha mifandahatra aminao aho, Jehovah ô dia Hianao no marina; Nefa kosa aoka ihany mba handahatra aminao aho: Nahoana ary no ambinina ny lalan’ ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra?
Right wouldest Thou be, O LORD, were I to contend with Thee, yet will I reason with Thee: Wherefore doth the way of the wicked prosper? Wherefore are all they secure that deal very treacherously?
2 Nambolenao izy, ka dia miorim-paka; Mitombo izy, ka dia mamoa; Manakaiky Anao amin’ ny vavany izy, nefa manalavitra Anao amin’ ny fony.
Thou hast planted them, yea, they have taken root; they grow, yea, they bring forth fruit; Thou art near in their mouth, and far from their reins.
3 Fa Hianao, Jehovah ô, mahalala ahy; Mahita ahy Hianao sady mizaha toetra ny foko ny aminao; Sariho toy ny ondry hovonoina ireny, ary atokàny ho amin’ ny andro hamonoana.
But Thou, O LORD, knowest me, Thou seest me, and triest my heart toward Thee; pull them out like sheep for the slaughter, and prepare them for the day of slaughter.
4 Mandra-pahoviana no hisaonan’ ny tany sy hahalazoan’ ny ahitra any amin’ ny saha rehetra? Noho ny faharatsian’ ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; Fa hoy ireo: Tsy mba hahita izay hiafarantsika izy.
How long shall the land mourn, and the herbs of the whole field wither? For the wickedness of them that dwell therein, the beasts are consumed, and the birds; because they said: 'He seeth not our end.'
5 Raha niara-nihazakazaka tamin’ ny mandeha an-tongotra ianao ka voany, dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly? Ary raha eny amin’ ny tany miadana no anananao toky, hanao ahoana kosa ianao, raha mby any amin’ ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana?
'If thou hast run with the footmen, and they have wearied thee, then how canst thou contend with horses? And though in a land of peace thou art secure, yet how wilt thou do in the thickets of the Jordan?
6 Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin’ ny rainao aza dia samy namitaka anao; Eny, niantso mafy teo aorianao ireo; Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy.
For even thy brethren, and the house of thy father, even they have dealt treacherously with thee, even they have cried aloud after thee; believe them not, though they speak fair words unto thee.'
7 Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; Ny sombin’ aiko dia natolotro ho eo an-tànan’ ny fahavalony.
I have forsaken My house, I have cast off My heritage; I have given the dearly beloved of My soul into the hand of her enemies.
8 Raha amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any an’ ala; Mierona amiko izy, ka dia halako.
My heritage is become unto Me as a lion in the forest; she hath uttered her voice against Me; therefore have I hated her.
9 Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia, ka angòny ny bibi-dia rehetra, ampanatony ireny hihinana.
Is My heritage unto Me as a speckled bird of prey? Are the birds of prey against her round about? Come ye, assemble all the beasts of the field, bring them to devour.
10 Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko, nohitsakitsahiny ny anjarako; Nataony tany efitra lao ny anjarako mahafinaritra;
Many shepherds have destroyed My vineyard, they have trodden My portion under foot, they have made My pleasant portion a desolate wilderness.
11 Nataony lao izany, eny, lao izy ka mitomany amiko; Nataony lao avokoa ny tany rehetra, satria tsy nisy nandatsaka am-po.
They have made it a desolation, it mourneth unto Me, being desolate; the whole land is made desolate, because no man layeth it to heart.
12 Ny mpandrava dia tonga any amin’ ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy sabatr’ i Jehovah mandringana amin’ ny faran’ ny tany ka hatramin’ ny farany koa, ka dia tsy misy fiadanana ho an’ ny nofo rehetra.
Upon all the high hills in the wilderness spoilers are come; for the sword of the LORD devoureth from the one end of the land even to the other end of the land, no flesh hath peace.
13 Vary no nafafiny, fa tsilo no nojinjany; Nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very foana izany; Dia hangaihay ny amin’ ny zavatra azonareo ianareo noho ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
They have sown wheat, and have reaped thorns; they have put themselves to pain, they profit not; be ye then ashamed of your increase, because of the fierce anger of the LORD.
14 Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ireo ratsy fanahy rehetra mifanakaiky fonenena amiko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan’ ny Isiraely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin’ ny taniny ireo, ary ny taranak’ i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.
Thus saith the LORD: As for all Mine evil neighbours, that touch the inheritance which I have caused My people Israel to inherit, behold, I will pluck them up from off their land, and will pluck up the house of Judah from among them.
15 Nefa nony efa voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, ka samy ho entiko mody any amin’ ny lovany sy ny taniny avy indray izy.
And it shall come to pass, after that I have plucked them up, I will again have compassion on them; and I will bring them back, every man to his heritage, and every man to his land.
16 Koa raha mba hianatra ny fanaon’ ny oloko tokoa ireo ka hianiana amin’ ny anarako hoe: Raha velona koa Jehovah, tahaka ny nampianaran’ ireo ny oloko hianiana amin’ i Bala, dia haorina ao amin’ ny oloko izy;
And it shall come to pass, if they will diligently learn the ways of My people to swear by My name: 'As the LORD liveth,' even as they taught My people to swear by Baal; then shall they be built up in the midst of My people.
17 Fa raha tsy hankatò kosa izy, dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy Jehovah.
But if they will not hearken, then will I pluck up that nation, plucking up and destroying it, saith the LORD.

< Jeremia 12 >