< Jeremia 10 >

1 Henoy ny teny izay lazain’ i Jehovah aminareo, ry taranak’ Isiraely!
Ku ji abin da Ubangiji yana ce muku, ya gidan Isra’ila.
2 Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon’ ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin’ ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.
Ga abin da Ubangiji yana cewa, “Kada ku koyi hanyoyin al’ummai ko ku razana game da alamun sararin sama, ko da yake al’ummai sun razana saboda su.
3 Fa ny fanaon’ ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an’ ala ireny, dia asan-tànan’ ny mpiasa amin’ ny famaky;
Gama al’adun mutane banza ne; sukan yanke itace daga kurmi, sai mai sassaƙa yă sassaƙa shi da gizago.
4 Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany.
Sukan yi masa ado da azurfa da kuma zinariya; sukan ɗauki guduma su kafa shi da ƙusoshi, don kada yă fāɗi.
5 Toy ny hazo voasana ho sari-drofia izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.
Kamar dodon gona cikin gonar kabewa, haka gumakansu ba sa iya magana; dole a yi ta ɗaukansu domin ba za su iya tafiya ba. Kada ku ji tsoronsu; ba za su iya yi wa wani lahani ba ba sa iya yin wani abin kirki.”
6 Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin’ ny hery ny anaranao.
Babu wani kamar ka, ya Ubangiji; kai mai girma ne, kuma sunanka yana da girma da kuma iko.
7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ ny firenena! Fa Hianao no iendrehan’ izany, eny, amin’ ny hendry rehetra amin’ ny firenena sy amin’ ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.
Wane ne ba zai girmama ka ba, Ya Sarkin al’ummai? Tsoronka wajibi ne. A cikin dukan masu hikima na al’ummai kuma cikin dukan mulkokinsu, babu kamar ka.
8 Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.
Dukansu marasa azanci ne wawaye; gumakan itacen banza ne suke koya musu.
9 Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan’ ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan’ ny mahay zavatra izy rehetra.
An kawo ƙeraren azurfa daga Tarshish zinariya kuma daga Ufaz. Abin da gwani da maƙerin zinariya suka yi sa’an nan aka yi masa ado da mulufi da shunayya dukan aikin gwanaye.
10 Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin’ ny fahatezerany, ka tsy tantin’ ny firenena ny fahavinirany
Amma Ubangiji shi ne Allah na gaskiya; shi ne Allah mai rai, madawwamin sarki. Sa’ad da ya yi fushi, ƙasa takan girgiza; al’ummai ba sa iya jure da hasalarsa.
11 (Izao no holazainareo amin’ ireny; Ny amin’ ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin’ ny tany na ho atỳ ambanin’ ny lanitra ireny)
“Ka faɗa musu wannan, ‘Waɗannan alloli, waɗanda ba su yi sammai da ƙasa ba, za su hallaka daga duniya da kuma daga ƙarƙashin sammai.’”
12 Dia Ilay nanao ny tany tamin’ ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ ny fisainany.
Amma Allah ya yi duniya ta wurin ikonsa; ya kafa duniya ta wurin hikimarsa ya shimfiɗa sammai ta wurin fahiminsa.
13 Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin’ ny faran’ ny tany; Manao ny helatra ho amin’ ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ ny firaketany.
Sa’ad da ya yi tsawa, ruwaye a cikin sammai sukan yi ƙugi; yakan sa gizagizai su taso daga iyakokin duniya. Yakan aiki walƙiya da ruwan sama ya fitar da iska daga gidajen ajiyarsa.
14 Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon’ aina ao aminy.
Kowa marar azanci ne, marar ilimi; kowane maƙerin zinariya zai sha kunya saboda gumakansa. Siffofinsa ƙarya ne; ba su da numfashi a cikinsu.
15 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
Su ba kome ba ne, aikin ruɗami ne; Sa’ad da hukuncinsu ya yi za su lalace.
16 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’ i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Shi da yake Rabon Yaƙub ba kamar waɗannan yake ba, gama shi ne Mahaliccin abubuwa duka, har da Isra’ila, kabilar gādonsa Ubangiji Maɗaukaki ne sunansa.
17 Angony ny korontan’ entanao, ka ento hiala amin’ ny tany, ry ilay mipetraka ao amin’ ny haterena!
Ku tattara kayayyakinku don ku bar ƙasar, ku da kuke zaune a wurin da aka kewaye da yaƙi.
18 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton’ antsamotady ny mponina amin’ ny tany, ary hataoko terỳ izy mba hahitany.
Gama haka Ubangiji ya faɗa, “A wannan lokaci zan jefar da waɗanda suke zaune a ƙasar; zan kawo damuwa a kansu domin a kama su.”
19 Mahita loza aho, fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako izao, ka dia hozakaiko ihany.
Tawa ta ƙare, saboda raunin da aka yi mini! Raunina ba mai warkewa ba ne! Duk da haka na ce wa kaina, “Wannan ciwona ne, dole kuma in jure da shi.”
20 Rava ny laiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko.
An lalatar da tentina; dukan igiyoyinsa sun tsintsinke.’Ya’yana maza sun bar ni ba sa nan; ba wanda aka bari da zai kafa tentina ko ya kafa mini mafaka.
21 Fa efa ketrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady an’ i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia miely ny ondry andrasany rehetra.
Makiyaya marasa azanci ne kuma ba sa neman nufin Ubangiji; saboda haka ba sa nasara dukan garkensu kuwa ya watse.
22 Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin’ ny fihorakorahana be avy any amin’ ny tany avaratra mba hahatonga ny tanànan’ ny Joda ho lao sy ho fonenan’ ny amboadia.
Ku saurara! Rahoto yana zuwa babban hargitsi daga ƙasar arewa! Zai mai da garuruwan Yahuda kufai, mazaunin diloli.
23 Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ ny mpandeha ny hahalavorary ny diany
Na sani, ya Ubangiji, cewa ran mutum ba nasa ba ne; ba mutum ne yake kiyaye takawarsa ba.
24 Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin’ ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.
Ka yi mini gyara, Ubangiji, amma fa da adalci kaɗai ba cikin fushinka ba, don kada ka wofinta ni.
25 Aidino amin’ ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin’ ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an’ i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.
Ka zuba hasalarka a kan al’umman da ba su san ka ba, a kan mutanen da ba sa kira bisa sunanka. Gama sun cinye Yaƙub; sun cinye shi gaba ɗaya suka kuma lalace wurin zamansa.

< Jeremia 10 >