< Jeremia 10 >

1 Henoy ny teny izay lazain’ i Jehovah aminareo, ry taranak’ Isiraely!
Hear the word that the LORD speaks to you, O house of Israel.
2 Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon’ ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin’ ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.
This is what the LORD says: “Do not learn the ways of the nations or be terrified by the signs in the heavens, though the nations themselves are terrified by them.
3 Fa ny fanaon’ ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an’ ala ireny, dia asan-tànan’ ny mpiasa amin’ ny famaky;
For the customs of the peoples are worthless; they cut down a tree from the forest; it is shaped with a chisel by the hands of a craftsman.
4 Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany.
They adorn it with silver and gold and fasten it with hammer and nails, so that it will not totter.
5 Toy ny hazo voasana ho sari-drofia izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.
Like scarecrows in a cucumber patch, their idols cannot speak. They must be carried because they cannot walk. Do not fear them, for they can do no harm, and neither can they do any good.”
6 Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin’ ny hery ny anaranao.
There is none like You, O LORD. You are great, and Your name is mighty in power.
7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ ny firenena! Fa Hianao no iendrehan’ izany, eny, amin’ ny hendry rehetra amin’ ny firenena sy amin’ ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.
Who would not fear You, O King of nations? This is Your due. For among all the wise men of the nations, and in all their kingdoms, there is none like You.
8 Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.
But they are altogether senseless and foolish, instructed by worthless idols made of wood!
9 Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan’ ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan’ ny mahay zavatra izy rehetra.
Hammered silver is brought from Tarshish, and gold from Uphaz— the work of a craftsman from the hands of a goldsmith. Their clothes are blue and purple, all fashioned by skilled workers.
10 Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin’ ny fahatezerany, ka tsy tantin’ ny firenena ny fahavinirany
But the LORD is the true God; He is the living God and eternal King. The earth quakes at His wrath, and the nations cannot endure His indignation.
11 (Izao no holazainareo amin’ ireny; Ny amin’ ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin’ ny tany na ho atỳ ambanin’ ny lanitra ireny)
Thus you are to tell them: “These gods, who have made neither the heavens nor the earth, will perish from this earth and from under these heavens.”
12 Dia Ilay nanao ny tany tamin’ ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin’ ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin’ ny fisainany.
The LORD made the earth by His power; He established the world by His wisdom and stretched out the heavens by His understanding.
13 Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin’ ny faran’ ny tany; Manao ny helatra ho amin’ ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ ny firaketany.
When He thunders, the waters in the heavens roar; He causes the clouds to rise from the ends of the earth. He generates the lightning with the rain and brings forth the wind from His storehouses.
14 Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon’ aina ao aminy.
Every man is senseless and devoid of knowledge; every goldsmith is put to shame by his idols. For his molten images are a fraud, and there is no breath in them.
15 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
They are worthless, a work to be mocked. In the time of their punishment they will perish.
16 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’ i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
The Portion of Jacob is not like these, for He is the Maker of all things, and Israel is the tribe of His inheritance— the LORD of Hosts is His name.
17 Angony ny korontan’ entanao, ka ento hiala amin’ ny tany, ry ilay mipetraka ao amin’ ny haterena!
Gather up your belongings from this land, you who live under siege.
18 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton’ antsamotady ny mponina amin’ ny tany, ary hataoko terỳ izy mba hahitany.
For this is what the LORD says: “Behold, at this time I will sling out the inhabitants of the land and bring distress upon them so that they may be captured.”
19 Mahita loza aho, fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako izao, ka dia hozakaiko ihany.
Woe to me because of my brokenness; my wound is grievous! But I said, “This is truly my sickness, and I must bear it.”
20 Rava ny laiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko.
My tent is destroyed, and all its ropes are snapped. My sons have departed from me and are no more. I have no one left to pitch my tent or set up my curtains.
21 Fa efa ketrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady an’ i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia miely ny ondry andrasany rehetra.
For the shepherds have become senseless; they do not seek the LORD. Therefore they have not prospered, and all their flock is scattered.
22 Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin’ ny fihorakorahana be avy any amin’ ny tany avaratra mba hahatonga ny tanànan’ ny Joda ho lao sy ho fonenan’ ny amboadia.
Listen! The sound of a report is coming— a great commotion from the land to the north. The cities of Judah will be made a desolation, a haunt for jackals.
23 Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ ny mpandeha ny hahalavorary ny diany
I know, O LORD, that a man’s way is not his own; no one who walks directs his own steps.
24 Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin’ ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.
Correct me, O LORD, but only with justice— not in Your anger, or You will bring me to nothing.
25 Aidino amin’ ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin’ ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an’ i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.
Pour out Your wrath on the nations that do not acknowledge You, and on the families that do not call on Your name. For they have devoured Jacob; they have consumed him and finished him off; they have devastated his homeland.

< Jeremia 10 >