< Jeremia 1 >

1 Ny tenin’ i Jeremia, zanak’ i Hilkia, isan’ ny mpisorona tao Anatota, tamin’ ny tanin’ ny Benjamina,
Maneno ya Yeremia mwana wa Hilkia, mmoja wa makuhani katika mji wa Anathothi, katika nchi ya Benyamini.
2 izay nanambarana ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny andron’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo nanjakany,
Neno la Bwana lilimjia katika mwaka wa kumi na tatu wa utawala wa Yosia mwana wa Amoni mfalme wa Yuda,
3 sy tamin’ ny andron’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda koa, ka hatramin’ ny faran’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo nanjakan’ i Zedekia, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia hatramin’ ny namaboana an’ i Jerosalema tamin’ ny volana fahadimy.
na pia wakati wa utawala wa Yehoyakimu mwana wa Yosia mfalme wa Yuda, mpaka mwezi wa tano wa mwaka wa kumi na moja wa utawala wa Sedekia mwana wa Yosia mfalme wa Yuda, wakati watu wa Yerusalemu walipopelekwa uhamishoni.
4 Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Neno la Bwana lilinijia, kusema,
5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ ny firenena.
“Kabla sijakuumba ndani ya tumbo la mama yako, nilikujua; kabla hujazaliwa nilikutenga kwa kazi maalum; nilikuweka uwe nabii kwa mataifa.”
6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
Nami nikasema, “Aa, Bwana Mwenyezi, sijui kusema, kwani mimi ni mtoto mdogo tu.”
7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’ izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
Lakini Bwana akaniambia, “Usiseme, ‘Mimi ni mtoto mdogo tu.’ Utaenda popote nitakapokutuma na kunena lolote nitakalokuagiza.
8 Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
Usiwaogope, kwa maana niko pamoja nawe nikuokoe,” asema Bwana.
9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,
Kisha Bwana akaunyoosha mkono wake na kugusa kinywa changu, akaniambia, “Sasa nimeyaweka maneno yangu kinywani mwako.
10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
Tazama, leo nimekuweka juu ya mataifa na falme ili kungʼoa na kubomoa, kuharibu na kuangamiza, kujenga na kupanda.”
11 Ary tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.
Neno la Bwana likanijia kusema, “Je, Yeremia unaona nini?” Nami nikajibu, “Naona tawi la mti wa mlozi.”
12 Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
Bwana akaniambia, “Umeona vyema kwa maana ninaliangalia neno langu ili kuona kwamba limetimizwa.”
13 Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
Neno la Bwana likanijia tena, “Unaona nini?” Nikajibu, “Naona chungu kinachochemka, kikiwa kimeinama kutoka kaskazini.”
14 Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin’ ny tany.
Bwana akaniambia, “Kutoka kaskazini maafa yatamwagwa kwa wote waishio katika nchi.
15 Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin’ ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan’ ny vavahadin’ i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.
Nitawaita watu wote wa falme za kaskazini,” asema Bwana. “Wafalme wao watakuja na kuweka viti vyao vya enzi katika maingilio ya malango ya Yerusalemu, watakuja dhidi ya kuta zake zote zinazouzunguka, na dhidi ya miji yote ya Yuda.
16 Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan’ ny asan’ ny tànany.
Nitatoa hukumu zangu kwa watu wangu kwa sababu ya uovu wao wa kuniacha mimi, kwa kufukiza uvumba kwa miungu mingine na kuabudu kile ambacho mikono yao imekitengeneza.
17 Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
“Jiandae! Simama useme chochote nitakachokuamuru. Usiwaogope, la sivyo nitakufanya uwaogope wao.
18 Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon’ ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
Leo nimekufanya mji wenye ngome, nguzo ya chuma, na ukuta wa shaba ili kusimama dhidi ya nchi yote: dhidi ya wafalme wa Yuda, maafisa wake, makuhani wake na watu wa nchi hiyo.
19 Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
Watapigana nawe lakini hawatakushinda, kwa kuwa niko pamoja nawe, nami nitakuokoa,” asema Bwana.

< Jeremia 1 >