< Jakoba 1 >

1 Jakoba, mpanompon’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin’ ny folo monina any am-pielezana.
James, a servant of God and of the Lord Jesus Christ, to the twelve tribes which are scattered abroad, greeting.
2 Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ ny fakam-panahy samy hafa ianareo,
My brothers, count it all joy when you fall into divers temptations;
3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
Knowing this, that the trying of your faith works patience.
4 Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
But let patience have her perfect work, that you may be perfect and entire, wanting nothing.
5 Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.
If any of you lack wisdom, let him ask of God, that gives to all men liberally, and upbraids not; and it shall be given him.
6 Nefa aoka hangataka amin’ ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ ny rivotra ka atopatopany.
But let him ask in faith, nothing wavering. For he that wavers is like a wave of the sea driven with the wind and tossed.
7 Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ ny Tompo izany olona izany:
For let not that man think that he shall receive any thing of the Lord.
8 olona miroa saina izy, miovaova amin’ ny alehany rehetra.
A double minded man is unstable in all his ways.
9 Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
Let the brother of low degree rejoice in that he is exalted:
10 fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin’ ny ahitra izy.
But the rich, in that he is made low: because as the flower of the grass he shall pass away.
11 Fa miposaka ny masoandro mbamin’ ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon’ ny manan-karena amin’ ny alehany.
For the sun is no sooner risen with a burning heat, but it wither the grass, and the flower thereof falls, and the grace of the fashion of it perishes: so also shall the rich man fade away in his ways.
12 Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain’ ny Tompo homena izay tia Azy.
Blessed is the man that endures temptation: for when he is tried, he shall receive the crown of life, which the Lord has promised to them that love him.
13 Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon’ ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;
Let no man say when he is tempted, I am tempted of God: for God cannot be tempted with evil, neither tempts he any man:
14 fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ ny filany sy fitahiny izy.
But every man is tempted, when he is drawn away of his own lust, and enticed.
15 Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Then when lust has conceived, it brings forth sin: and sin, when it is finished, brings forth death.
16 Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
Do not err, my beloved brothers.
17 Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midìna avy amin’ ny Rain’ ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fihodinana.
Every good gift and every perfect gift is from above, and comes down from the Father of lights, with whom is no ficklenss, neither shadow of turning.
18 Tamin’ ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
Of his own will fathered he us with the word of truth, that we should be a kind of first fruits of his creatures.
19 Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
Why, my beloved brothers, let every man be swift to hear, slow to speak, slow to wrath:
20 fa ny fahatezeran’ ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’ Andriamanitra.
For the wrath of man works not the righteousness of God.
21 Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin’ ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Why lay apart all filthiness and superfluity of naughtiness, and receive with meekness the engrafted word, which is able to save your souls.
22 Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
But be you doers of the word, and not hearers only, deceiving your own selves.
23 Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ ny fitaratra izy;
For if any be a hearer of the word, and not a doer, he is like to a man beholding his natural face in a glass:
24 fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’ izay dia hadinony ny tarehiny.
For he beholds himself, and goes his way, and straightway forgets what manner of man he was.
25 Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ ny fahafahana, ka maharitra amin’ izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ ny asany izany olona izany.
But whoever looks into the perfect law of liberty, and continues therein, he being not a forgetful hearer, but a doer of the work, this man shall be blessed in his deed.
26 Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’ izany olona izany.
If any man among you seem to be religious, and bridles not his tongue, but deceives his own heart, this man’s religion is vain.
27 Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’ Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’ izao tontolo izao.
Pure religion and undefiled before God and the Father is this, To visit the fatherless and widows in their affliction, and to keep himself unspotted from the world.

< Jakoba 1 >