< Jakoba 5 >

1 He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.
Agite nunc divites, plorate ululantes in miseriis vestris, quae advenient vobis.
2 Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin’ ny kalalao.
Divitiae vestrae putrefactae sunt: et vestimenta vestra a tineis comesta sunt.
3 Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin’ ny andro farany ianareo.
Aurum, et argentum vestrum aeruginavit: et aerugo eorum in testimonium vobis erit, et manducabit carnes vestras sicut ignis. Thesaurizastis vobis iram in novissimis diebus.
4 Indro, ny karaman’ ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan’ ny mpijinja dia efa tafiditra amin’ ny sofin’ ny Tompon’ ny maro.
Ecce merces operariorum, qui messuerunt regiones vestras, quae fraudata est a vobis, clamat: et clamor eorum in aures Domini sabbaoth introivit.
5 Efa velona tamin’ ny fy tetỳ ambonin’ ny tany ianareo sady nanaram-po tamin’ ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin’ ny andro hamonoana ianareo.
Epulati estis super terram, et in luxuriis enutristis corda vestra in die occisionis.
6 Efa nanameloka namono ny marina ianareo; fa tsy manohitra anareo izy.
Adduxistis, et occidistis iustum, et non resistit vobis.
7 Ary amin’ izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin’ ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ ny tany ka maharitra amin’ izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
Patientes igitur estote fratres usque ad adventum Domini. Ecce agricola expectat pretiosum fructum terrae, patienter ferens donec accipiat temporaneum, et serotinum.
8 Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ ny Tompo.
Patientes igitur estote et vos, et confirmate corda vestra: quoniam adventus Domini appropinquabit.
9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan’ ny varavarana.
Nolite ingemiscere fratres in alterutrum, ut non iudicemini. Ecce iudex ante ianuam assistit.
10 Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ ny anaran’ ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
Exemplum accipite, fratres, exitus mali, laboris, et patientiae, Prophetas: qui locuti sunt in nomine Domini.
11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’ i Joba ary efa hitanareo ny faran’ ny nataon’ ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.
Ecce beatificamus eos, qui sustinuerunt. Sufferentiam Iob audistis, et finem Domini vidistis, quoniam misericors Dominus est, et miserator.
12 Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ ny lanitra, na amin’ ny tany, na amin’ izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho “Eny”, ary ny fandànareo ho “Tsia”, fandrao hiharan’ ny fitsarana ianareo.
Ante omnia autem fratres mei nolite iurare, neque per caelum, neque per terram, neque aliud quodcumque iuramentum. Sit autem sermo vester: Est, est: Non, non: ut non sub iudicio decidatis.
13 Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.
Tristatur autem aliquis vestrum: oret aequo animo et psallat.
14 Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ ny anaran’ ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy;
Infirmatur quis in vobis? inducat presbyteros Ecclesiae, et orent super eum, ungentes eum oleo in nomine Domini:
15 ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
et oratio fidei salvabit infirmum, et alleviabit eum Dominus: et si in peccatis sit, remittentur ei.
16 Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan’ ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
Confitemini ergo alterutrum peccata vestra, et orate pro invicem ut salvemini: multum enim valet deprecatio iusti assidua.
17 Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
Elias homo erat similis nobis passibilis: et oratione oravit ut non plueret super terram, et non pluit annos tres, et menses sex.
18 Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
Et rursum oravit: et caelum dedit pluviam, et terra dedit fructum suum.
19 Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,
Fratres mei, si quis ex vobis erraverit a veritate, et converterit quis eum:
20 aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ ny lalan’ ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
scire debet quoniam qui converti fecerit peccatorem ab errore viae suae, salvabit animam eius a morte, et operiet multitudinem peccatorum.

< Jakoba 5 >