< Jakoba 5 >
1 He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.
Tsono tamverani, inu anthu achuma, lirani ndi kufuwula chifukwa cha zovuta zimene zidzakugwereni.
2 Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin’ ny kalalao.
Chuma chanu chawola ndipo njenjete zadya zovala zanu.
3 Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin’ ny andro farany ianareo.
Golide ndi siliva wanu zachita dzimbiri. Dzimbirilo lidzakhala umboni wokutsutsani ndi kuwononga mnofu wanu ngati moto. Mwadziwunjikira chuma pa masiku ano otsiriza.
4 Indro, ny karaman’ ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan’ ny mpijinja dia efa tafiditra amin’ ny sofin’ ny Tompon’ ny maro.
Taonani, ndalama za malipiro zimene munakanika kulipira aganyu aja ankasenga mʼmunda mwanu zikulira mokutsutsani. Kulira kwa okololawo kwamveka mʼmakutu mwa Ambuye Wamphamvuzonse.
5 Efa velona tamin’ ny fy tetỳ ambonin’ ny tany ianareo sady nanaram-po tamin’ ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin’ ny andro hamonoana ianareo.
Mwakhala pa dziko lapansi pano moyo ofewa ndipo mwalidyera dziko lapansi. Mwadzinenepetsa pa tsiku lokaphedwa.
6 Efa nanameloka namono ny marina ianareo; fa tsy manohitra anareo izy.
Mwaweruza kuti ndi wolakwa ndipo mwapha munthu wosalakwa, amene sakutsutsana nanu.
7 Ary amin’ izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin’ ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ ny tany ka maharitra amin’ izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
Tsono abale, pirirani mpaka kubwera kwa Ambuye. Onani mmene amachitira mlimi. Amadikirira kuti zipatso zabwino zioneke mʼmunda mwake. Amayembekezera mokhazikika mtima kuyambira nthawi ya mvula yoyamba mpaka yotsiriza.
8 Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ ny Tompo.
Inunso mukhale owugwira mtima ndi osasinthika chifukwa Ambuye ali pafupi kubwera.
9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan’ ny varavarana.
Abale, musamanenezane zoyipa kuopa kuti mungadzaweruzidwe. Woweruza ali pa khomo!
10 Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ ny anaran’ ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
Abale, tengerani chitsanzo cha aneneri amene anayankhula mʼdzina la Ambuye. Iwowo anakumana ndi zovuta koma anapirira.
11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’ i Joba ary efa hitanareo ny faran’ ny nataon’ ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.
Monga mukudziwa, tinawatenga ngati odalitsika anthu amene anapirira. Munamva za kupirira kwa Yobu ndipo mwaona zimene Ambuye anamuchitira potsiriza pake. Ambuye ndi wodzaza ndi chisoni ndi chifundo.
12 Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ ny lanitra, na amin’ ny tany, na amin’ izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho “Eny”, ary ny fandànareo ho “Tsia”, fandrao hiharan’ ny fitsarana ianareo.
Koposa zonse, abale anga, musamalumbire. Polumbira osamatchula kumwamba kapena dziko lapansi, kapena china chilichonse. “Inde” wanu azikhala “Inde,” ndipo “Ayi” wanu azikhala “Ayi,” kuopa kuti mungadzapezeke olakwa.
13 Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.
Kodi alipo wina mwa inu amene ali pa mavuto? Apemphere. Kodi wina wakondwa? Ayimbe nyimbo zolemekeza.
14 Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ ny anaran’ ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy;
Kodi alipo wina mwa inu akudwala? Ayitane akulu ampingo kuti adzamupempherere ndi kumudzoza mafuta mʼdzina la Ambuye.
15 ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
Ndipo pemphero lachikhulupiriro lidzachiritsa munthu wodwalayo ndipo Ambuye adzamuutsa. Ngati wachimwa adzakhululukidwa.
16 Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan’ ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
Choncho, ululiranani machimo anu ndi kupemphererana wina ndi mnzake kuti muchiritsidwe. Pemphero la munthu wolungama ndi lamphamvu ndipo limagwira ntchito.
17 Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
Eliya anali munthu ngati ife. Iye anapemphera mwamphamvu kuti mvula isagwe ndipo sinagwedi kwa zaka zitatu ndi theka.
18 Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
Kenaka anapempheranso, ndipo kumwamba kunagwetsa mvula, ndipo dziko lapansi linatulutsa zomera zake.
19 Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,
Abale anga, ngati mmodzi wa inu apatuka pa choonadi ndipo wina wake ndi kumubweza,
20 aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ ny lalan’ ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
kumbukirani izi: Aliyense wobweza wochimwa kuchoka ku cholakwa chake, adzamupulumutsa ku imfa ndi kukwirira machimo ambiri.