< Jakoba 3 >

1 Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.
Не багато-хто ставайте, брати мої, учителями, знавши, що більший о́суд при́ймемо.
2 Fa tafintohina amin’ ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
Бо багато ми всі помиляємось. Коли хто не помиляється в слові, то це муж досконалий, спроможний прибо́ркувати й усе тіло.
3 Ary raha asiantsika lamboridy amin’ ny vavan’ ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika.
От і ко́ням вкладаєм узде́чки до ро́та, щоб корилися нам, і ми всім їхнім тілом керуємо.
4 Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin’ ny rivotra mahery, dia ahodin’ ny familiana kely foana izy ho any amin’ izay tian’ ny mpitondra.
От і кораблі, хоч які величезні та гнані вітра́ми жорсто́кими, проте найменшим сте́рном скеро́вуються, куди хоче стерни́чий.
5 Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!
Так само й язик, — малий член, але хва́литься ве́льми! Ось маленький огонь, а запалює величезного ліса!
6 Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin’ ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy; (Geenna g1067)
І язик — то огонь. Як світ неправости, поста́влений так поміж нашими членами, язик скверни́ть усе тіло, запалює круг життя, і сам запалюється від геєнни. (Geenna g1067)
7 Fa folaka avokoa ny karazan’ ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny;
Бо всяка природа звірі́в і пташо́к, гадів і мо́рських потвор прибо́ркується, і прибо́ркана буде природою лю́дською,
8 fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.
та не може ніхто із людей язика вгамува́ти, — він зло безупи́нне, він повний отрути смерте́льної!
9 Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’ Andriamanitra.
Ним ми благословляємо Бога й Отця, і ним проклинаєм людей, що створені на Божу подобу.
10 Ny vava iray ihany no ivoahan’ ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
Із тих самих уст виходить благослове́ння й прокля́ття. Не повинно, брати́ мої, щоб так це було́!
11 Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ ny vavany iray ihany?
Хіба з одно́го отвору виходить вода солодка й гірка́?
12 Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’ oliva, na ny voaloboka mamoa voan’ aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan’ ny mamy.
Хіба може, бра́ти мої, фіґове дерево родити оливки, або виноград — фіґи? Солодка вода не тече з солонця́.
13 Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ ny fitondran-tena tsara ny asany amin’ ny fahalemem-panahin’ ny fahendrena.
Хто мудрий і розумний між вами, нехай він покаже діла́ свої в ла́гідній мудрості добрим поводженням!
14 Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.
Коли ж гірку́ заздрість та сварку ви маєте в серці своєму, то не величайтесь та не говоріть неправди на правду, —
15 Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ ny demonia.
це не мудрість, що ніби зве́рху походить вона, але земна, тілесна та де́монська.
16 Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
Бо де за́здрість та сварка, там бе́злад та всяка зла річ!
17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.
А мудрість, що зверху вона, насамперед чиста, а потім спокійна, ла́гідна, покірлива, повна милосердя та добрих пло́дів, безстороння та нелукава.
18 Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ ny fihavanana ho an’ izay mampandroso ny fihavanana.
А плід праведности сіється творцями миру.

< Jakoba 3 >