< Isaia 1 >

1 Ny fahitan’ Isaia, zanak’ i Amoza, izay hitany ny amin’ ny Joda sy Jerosalema tamin’ ny andron’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan’ ny Joda.
Maono ya Isaya mtoto wa Amozi ambayo aliyaona kuhusu Yuda na Yerusalemu katika vipindi vya utawala wa Uzia, Yothamu, Ahazi, na Hezekia, wafalme wa Yuda.
2 Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
Sikia enyi mbingu, tega sikio ewe nchi; kwa kuwa Yahwe amesema: ''Nimewatunza na kuwalea watoto, lakini wamenigeuka.
3 Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon’ ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
Ng'ombe anamjua anayemmiliki na punda anajua sehemu anapowekewa chakula, lakini Israeli hawajui, wala hawafahamu.''
4 Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an’ i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin’ ny Isiraely. Efa nihodina izy.
Ole! Taifa, wenye zambi, mtu muovu, watoto wa wenye zambi, watoto wanaoenda kinyume, Wamemtelekeza Yahwe, wamedharau aliye Mtakatifu wa Israeli, wamejitenga wenyew kutoka kwake.
5 Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
Kwa nini ulikuwa unaendelea kupigwa? Kwa nini unazidi kuasi zaudi na zaidi? Kichwa chote kinauma, moyo wote ni dhaifu.
6 Hatramin’ ny faladia ka hatramin’ ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin’ ny diloilo izy.
Kutoka kwenye unyayo wa mguu mpaka kichwani kila sehemu ina maumivu; ni madonda na majeraha mabichi yaliyoachwa wazi, ambayo hayajafungwa, kuasifishwa, kuwafunga vidonda vyao, wala kuwaponya kwa mafuta.
7 Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin’ ny afo; Ny tany volenareo dia lanin’ ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan’ ny fahavalo.
Nchi yenu imeharibiwa; miji yenu imechomwa moto; mashamba yenu— mbele, wageni wamehiaribu; wamepatelekeza katika uharibifu, ulioangushwa na wageni
8 Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an’ ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.
Binti Sayuni ameacha kama kibanda katika shamba la mzabu, kama kivuli kitika shamba la matango, kama mji unaomba.
9 Raha tsy nosisan’ i Jehovah. Tompon’ ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma Ary nitovy tamin’ i Gomora.
Kama Yahwe wa majeshi hakutuasha kwa mda mfupi tungekuwa kama Sodoma, tungekuwa kama Gomora.
10 Mandrenesa ny tenin’ i Jehovah, ry mpitsaran’ i Sodoma; Mihainoa ny lalàn’ Andriamanitsika, ry vahoakan’ i Gomora.
Sikiliza neno la Yahwe, enyi viongozi wa Sodomu; sikilizeni sheria ya Mungu wetu, enyi watu wa Gomora:
11 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran’ ny zanak’ omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran’ ny vantotr’ ombilahy sy ny an’ ny zanak’ ondry ary ny an’ ny osilahy.
''Sadaka zenu ni nyingi kiasi gani kwangu?'' asema Yahwe. ''Nimesikia vya kutosha kuhusu sadaka yenu ya mwana kondoo, na mnyama alionona; na damu ya ng'ombe, ndama, au mbuzi si vifurahii.
12 Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
Ulipokuja kuonekaa mbele yangu, Ni nani aliyehitaji hili juu yako, kukanyaga katika mahama yangu
13 Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masìna haroharoam-paharatsiana!
Msilete tena sadaka zisizo na maana; maana zinaniongezea uchafu mmekusanyika katika siku yenu mpya ya mwenzi na sabato—Mimi siwezi vumlia mikusanyio hii ya waovu.
14 Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan’ ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
Ninaichukia sherehe yenu mpya ya mwenzi na sherehe zilizoteuliwa; ni mzigo kwangu; nimechoka kuubeba.
15 Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran’ olona ny tananareo.
Hivyo basi mnapotawanya mikono yenu kitkika maombi, sitawangalia hata kama mkiomba sana, sitawasikiliza; mikono yenu imejaa damu.
16 Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan’ ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
Jiosheni, jitakaseni wenyewe; ondoeni matendo maovu mbele ya macho yangu; acheni kutenda dhambi;
17 Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin’ ny mpitondratena.
jifunze kutenda mema; tafuta ukweli; msiwanyanyase, wapeni haki yatima, walindeni wajane.''
18 Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ ondry fotsy.
Njooni sasa, njooni tusemezane, asema Yahwe, japokuwa dhambi zenu ni nyekundu kama bendera zitakuwa nyeupe kama theluji; japokuwa ni myekundu kama damu zitakuwa kama sufi.
19 Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ ny tany;
Kama utakubali na kutii, utakula mema ya nchi,
20 Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin’ ny sabatra: Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
lakini ukikataa na kugeuka, upanga utakuangamiza, maama Yahwe amesema.
21 Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran’ ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
Ni kwa jinsi gani mji ulioaminika umekuwa kahaba! ulikuwa ni mij wenye usawa na haki, lakini sasa mji umejaa mauwaji.
22 Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;
Fedha zenu zimechafuka, na mvinyo wenu umechanganjwa na maji.
23 Ny lehibenao dia mpiodina sady naman’ ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin’ ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
Viongozi wenu wamemgeuka Mungu wamekuwa marafiki wa wezi; yeyote anayopenda rushwa na kuikimbilia. Hawawajali yatima, wala wajane wanaokuja kuwanyenyekea mbele yao.
24 Ka dia hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Ilay Maherin’ ny Isiraely: E! hiala fo amin’ ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
Hivyo basi hili ndilo tamko la Bwana, Yahwe wa majeshi, Shujaa wa Israeli: Ole wao! nitachukua hatua kwa wale walio kinyume na mimi na niwaadhibu wale wanaonipinga;
25 Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin’ ny lavenona ianao hahafahan’ ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.
Nitaugeuza mkono wangu juu yako, nitatakasa chuma kilicho chakaa na kuondoa kutu yote.
26 Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin’ ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan’ ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
Nitailinda hukumu yako kama ilivyokuwa mwanzo, na washauri wako kama ilivyokuwa hapo mwanzo; baada ya hapo mtaitwa mji wa haki, mji wa imani.''
27 Ziona havotana amin’ ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin’ ny fahamarinana;
Sayuni itakombolewa kwa haki, na wanaotubu kwa haki.
28 Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an’ i Jehovah.
Waasi na wenye dhambi wataangamizwa pamoja, na wale wataenda kinyume na Yahwe watauliwa.
29 Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin’ ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin’ ny saha izay natokanareo.
Kwakukuwa utaona aibu juu ya miti ya mialoni uliyoitamani, na utakuwa na hofu juu ya bustani uliyoichagua.
30 Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.
Kwa kukuwa utakuwa kama mualoni ambao majani yake yamenyauka, na kama bustani isiyokuwa na maji.
31 Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon’ afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
Mtu mwenye nguvu atakuwa kama kitu kikavu, na kazi yake itakuwa kama cheche; zitawaka moto kwa pamoja, na hakuna hata mmoja ataweza kuuzima''.

< Isaia 1 >