< Isaia 9 >
1 Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin’ ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin’ ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin’ i Jordana, Dia Galilia, tanin’ ny jentilisa.
Nzokande, molili ekozala lisusu te mpo na bato oyo bazalaki na pasi. Na tango ya kala, Nzambe asambwisaki mokili ya Zabuloni mpe ya Nefitali; kasi na mikolo oyo ekoya, Nzambe akopesa lokumu na Galile ya bapagano, na nzela ya ebale monene, na ngambo mosusu ya Yordani.
2 Ny olona izay mandeha amin’ ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ ny mazava.
Bato oyo bazalaki kotambola kati na molili bamoni pole makasi; ba-oyo bazalaki kovanda kati na mokili ya bakufi, pole engengeli bango.
3 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ ny fararano, ary tahaka ny fifalin’ ny olona, raha mizara babo.
Okomisaki bango ekolo monene, obakisaki esengo na bango. Bazali kosepela liboso na Yo ndenge basepelaka tango babukaka milona, ndenge mibali basepelaka tango bakabolaka bomengo ya bitumba.
4 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon’ ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin’ ny andro namelezana ny Midiana.
Pamba te ekangiseli oyo ezalaki na likolo na bango, nzete oyo ezalaki na mapeka na bango mpe fimbu oyo na nzela na yango bazalaki konyokola bango, Yo, obukaki yango lokola na mokolo ya kokweya ya Madiani.
5 Fa ny kiraron’ izay mitrevatreva fandeha eo amin’ ny fihorakorahan’ ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ ny afo izany.
Basapato nyonso ya basoda oyo lokito na yango eningisaka mabele, mpe bilamba nyonso oyo etondaki na makila, ekobwakama na moto mpo ete ezika makasi.
6 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ ny mandrakizay Andrian’ ny fiadanana.
Pamba te mwana mobali moko abotami mpo na biso, mwana mobali moko apesameli biso, mpe bokonzi ezali na likolo ya mapeka na ye; bakobenga ye: Mosungi ya kokamwa, Nzambe ya nguya, Tata ya seko, Mokonzi ya kimia.
7 Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Bokonzi na ye ekokende mosika penza, mpe kimia na ye ekozala na suka te. Akovanda na kiti ya bokonzi ya Davidi, akozala mokonzi ya mokili na ye, akolendisa mpe akokamba yango na bosembo mpe na boyengebene, wuta na tango oyo kino libela na libela. Yango nde makambo oyo Yawe, Mokonzi ya mampinga, akosala na bolingo makasi na Ye.
8 Ny Tompo mandefa teny ho an’ i Jakoba, ka mihatra amin’ ny Isiraely izany.
Nkolo atindaki liloba mpo na kotelemela Jakobi, mpe liloba yango ekomeli Isalaele.
9 Ary ho fantatr’ izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin’ ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ ny fony manao hoe:
Bato nyonso bakoyeba yango, Efrayimi mpe bavandi ya Samari, oyo balobaka na lofundu mpe na lolendo ya mitema:
10 Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.
« Ata babiliki ekweyi, tokotonga lisusu na mabanga bakata; ata bakati banzete ya sikomori, tokotia na esika na yango banzete ya sedele. »
11 Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony,
Kasi Yawe alendisaki bayini ya Retsini mpo na kobundisa bango mpe apelisaki mitema ya banguna na bango mpo ete batombokela bango.
12 Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Bato ya Siri na liboso, mpe bato ya Filisitia na sima, bapasolaki Isalaele mpe baliaki ye na lokoso. Kasi atako bongo, kanda ya Yawe ekitaki kaka te, loboko na Ye etikalaki kaka ya kosembolama.
13 Fa ny olona tsy miverina amin’ Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon’ ny maro, tsy mba tadiaviny.
Kasi atako bongo, bato bazongaki kaka te epai na Yawe oyo abetaki bango, mpe balukaki te Yawe, Mokonzi ya mampinga.
14 Ka dia nofongoran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro
Yango wana, kaka na mokolo moko, Yawe akokata, kati na Isalaele, moto mpe mokila, lindalala mpe nzete oyo ebotaka na mayi.
15 (Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
Bampaka mpe bato ya lokumu, bango nde moto; mpe basakoli ya lokuta, bango nde mokila.
16 Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.
Bakambi ya bato babungisi bato na bango nzela, mpe bato oyo balandaka bango bakomi kotelengana.
17 Ary noho izany dia tsy mahafaly an’ i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Yango wana, Nkolo akosepela na bilenge te, akoyokela bana bitike mpe basi bakufisa mibali mawa te, pamba te bango nyonso bazali kotiola Nzambe, bazali kosala mabe, mpe minoko nyonso ezali kobimisa maloba ya bozoba. Kasi atako bongo, kanda ya Yawe ekitaki te, loboko na Ye etikalaki kaka ya kosembolama.
18 Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.
Solo, mabe etumbaka lokola moto oyo ezikisaka basende mpe banzube, ezikisaka bazamba minene mpe ematisaka makonzi ya milinga.
19 Noho ny fahatezeran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia efa maintin’ ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin’ ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
Na kanda makasi ya Yawe, Mokonzi ya mampinga, mokili eziki na moto, mpe bato bakomi lokola mafuta na moto. Moto moko te akobikisa ndeko na ye.
20 Ary mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
Na ngambo ya loboko ya mobali, bakobotola bato biloko, kasi bato bakozala kaka na nzala; na ngambo ya loboko ya mwasi, bakolia, kasi bato bakotonda kaka te; moko na moko akolia mosuni ya loboko na ye:
21 Eny, Manase mihinana an’ i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an’ i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an’ i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Manase akolia Efrayimi, mpe Efrayimi akolia Manase; bango mibale bakosangana mpe bakobalukela Yuda. Kasi atako bongo, kanda ya Yawe ekitaki kaka te, loboko na Ye etikalaki kaka ya kosembolama.