< Isaia 9 >
1 Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin’ ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin’ ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin’ i Jordana, Dia Galilia, tanin’ ny jentilisa.
因為遭受災難的,必將免於黑暗。往昔上主曾使則步隆和納翡塔里地域受了侮辱,但日後卻使沿海之路,約但東岸,外方人的加里肋亞獲得了光榮。
2 Ny olona izay mandeha amin’ ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ ny mazava.
在黑暗中行走的百姓看見了一道皓光,光輝已射在那寄居在漆黑之地的人們身上。
3 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ ny fararano, ary tahaka ny fifalin’ ny olona, raha mizara babo.
你加強了他們的快樂,擴大了他們的歡喜;他們在你面前歡樂,有如人收割時的歡樂,又如分贓時的愉快;
4 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon’ ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin’ ny andro namelezana ny Midiana.
因為你折斷了他們所負的重軛、他們肩上的橫木,以及壓迫他們者的短棍,有如在米德楊那天一樣;
5 Fa ny kiraron’ izay mitrevatreva fandeha eo amin’ ny fihorakorahan’ ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ ny afo izany.
因為戰士所穿發響的軍靴,和染滿血跡的戰袍,都要被焚毀,作為火燄的燃料。
6 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ ny mandrakizay Andrian’ ny fiadanana.
因為有一個嬰孩為我們誕生了,有一個兒子賜給了我們;他肩上擔負著王權,他的名子要稱為神奇的謀士、強有力的天主、永遠之父、和平之王。
7 Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
他的王權是偉大的,達味的御座和他王國的平安是無限的,他將以正義與公平對王國加以鞏固與保持,從今時直到永遠:萬軍上主的熱誠必要完成這事。
8 Ny Tompo mandefa teny ho an’ i Jakoba, ka mihatra amin’ ny Isiraely izany.
吾主發出了一句相反雅各伯的話,這話臨於以色列。
9 Ary ho fantatr’ izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin’ ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ ny fony manao hoe:
整個民眾,即厄弗辣因和撒瑪黎雅的居民,終必領悟,因為他們曾自負,且心高氣傲說:「
10 Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.
假使磚瓦墮毀了,我們將以方石再建;假使桑樹伐倒了,我們將代以香柏! 」
11 Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony,
所以上主必興起他的對手,慫恿他的仇敵來攻擊他:
12 Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.
東有阿蘭,西有培肋舍特,他們必張口併吞以色列;然而他的震怒並未因此而熄滅,他的手仍然伸著。
13 Fa ny olona tsy miverina amin’ Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon’ ny maro, tsy mba tadiaviny.
但民眾仍沒有歸依打擊他們的天主,仍不尋求萬軍的上主。
14 Ka dia nofongoran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro
因此,上主要在一天之內,砍斷以色列的首尾、棕枝和蘆葦。【
15 (Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
長者和尊者是首,傳授謊言的先知是尾。】
16 Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.
因為領導這民族的人走入了歧途,受引導的人陷入了混亂。
17 Ary noho izany dia tsy mahafaly an’ i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
因此,吾主將毫不憐憫他的少年,毫不撫恤他的孤兒和寡婦,因為他們都是乖戾邪惡的,並且都是口出惡言的,然而他的震怒並未因此而熄滅,他的手仍然伸著。
18 Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.
罪惡猶如燃燒的火燄,焚毀荊棘和蒺藜,使叢林燎起大火,煙柱因此旋轉上騰。
19 Noho ny fahatezeran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia efa maintin’ ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin’ ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
由於萬軍上主的憤怒,地域將被燒毀,百姓成為火燄的柴薪,無人撫恤自己的弟兄,
20 Ary mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
各吃自己近人的肉:向右攫食的,仍舊遭受飢餓;向左吞噬的,依然不得果腹。
21 Eny, Manase mihinana an’ i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an’ i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an’ i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
默納協吞噬厄弗辣因,厄弗辣因吞滅默納協,二者又合力併吞猶大;然而他的震怒並未因此而熄滅,他的手仍然伸著。