< Isaia 7 >

1 Ary tamin’ ny andron’ i Ahaza, zanak’ i Jotama, zanak’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan’ i Syria, sy Pelza, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely, hanafika an’ i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
Hĩndĩ ĩrĩa Ahazu mũrũ wa Jothamu, mũrũ wa Uzia, aarĩ mũthamaki wa Juda-rĩ, Rezini mũthamaki wa Suriata marĩ na Peka mũrũ wa Remalia mũthamaki wa Isiraeli, makĩambata mathiĩ magatharĩkĩre itũũra rĩa Jerusalemu, no matiigana kũrĩtooria.
2 Dia nambara tamin’ ny taranak’ i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin’ ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon’ ny vahoakany toy ny firondronan’ ny hazo any an’ ala, raha asian’ ny rivotra.
Na rĩrĩ, andũ a nyũmba ya Daudi nĩ meerirwo atĩrĩ, “Andũ a Suriata nĩmanyiitanĩte na andũ a Efiraimu”; nĩ ũndũ ũcio ngoro ya Ahazu o na ngoro cia andũ ake ikĩinaina o ta ũrĩa mĩtĩ ya mũtitũ ĩinainagio nĩ rũhuho.
3 Ary hoy Jehovah tamin’ Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an’ i Ahaza eo amin’ ny faran’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, eo amin’ ny lalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba,
Hĩndĩ ĩyo Jehova akĩĩra Isaia atĩrĩ, “Umagara, wee mũrĩ na mũrũguo Sheari-Jashubu, mũthiĩ mũgatũnge Ahazu mũthia-inĩ wa mũtaro ũrĩa uumĩte Karia-inĩ ka Rũgongo, njĩra-inĩ ya gũthiĩ Gĩthaka kĩa Mũthambia-Nguo.
4 ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan’ ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak’ i Remalia.
Ũmwĩre atĩrĩ, ‘Wĩmenyerere, ũikare ũhooreire na ndũgetigĩre. Ndũkareke ũũrwo nĩ hinya nĩ ũndũ wa icinga icio igĩrĩ iratooga ndogo; ndũgetigĩre marakara mahiũ ma Rezini, na ma Suriata, o na ma mũrũ wa Remalia.
5 Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak’ i Remalia ka nanao hoe:
Suriata, na Efiraimu, na mũrũ wa Remalia nĩmaciirĩire gũkwananga, makoiga atĩrĩ,
6 Andeha isika hananika an’ i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak’ i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
“Nĩtũtharĩkĩre Juda, tũkũnyariire na tũkũgayane, na tũtue mũrũ wa Tabeeli mũthamaki wakuo.”
7 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
No rĩrĩ, Mwathani Jehova ekuuga atĩrĩ: “‘Ũhoro ũcio ndũgaakinyanĩra, na ndũgekĩka,
8 Fa ny lohan’ i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan’ i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin’ ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
nĩgũkorwo itũũra inene rĩa Suriata nĩ Dameski, na mũnene wa Dameski no Rezini. Ihinda rĩa mĩaka mĩrongo ĩtandatũ na ĩtano ĩtaanathira-rĩ, andũ a Efiraimu magaakorwo maharaganĩtio ũndũ matangĩcooka gũtuĩka rũrĩrĩ.
9 Ary ny lohan’ i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan’ i Samaria dia ny zanak’ i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.
Ningĩ itũũra inene rĩa Efiraimu nĩ Samaria, na mũnene wa Samaria no mũrũ wa Remalia. Mũngĩaga kũrũgama mũrũmĩte wega wĩtĩkio-inĩ wanyu-rĩ, mũtikehaanda o na atĩa.’”
10 Ary Jehovah mbola niteny tamin’ i Ahaza ihany ka nanao hoe:
Ningĩ Jehova nĩarĩirie Ahazu o rĩngĩ, akĩmwĩra atĩrĩ,
11 Mangataha famantarana amin’ i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ ny lalina ambany, na ho avy amin’ ny avo ambony. (Sheol h7585)
“Ĩtia kĩmenyithia kuuma kũrĩ Jehova Ngai waku, o na kiumĩte kũndũ kũrĩa kũriku mũno, kana kiumĩte igũrũ kũrĩa kũraihu mũno.” (Sheol h7585)
12 Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an’ i Jehovah
No Ahazu akiuga atĩrĩ, “Niĩ ndigwĩtia; niĩ ndikũgeria Jehova.”
13 Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak’ i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an’ Andriamanitro koa ianareo?
Ningĩ Isaia akiuga atĩrĩ, “Ta iguai rĩu, inyuĩ andũ a nyũmba ya Daudi! Anga mũkuona arĩ ũndũ mũnini kũgeria ũkirĩrĩria wa andũ? Anga nĩmũũkũgeria ũkirĩrĩria wa Ngai wakwa o naguo?
14 Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan’ anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.
Nĩ ũndũ ũcio-rĩ, Mwathani we mwene nĩakamũhe kĩmenyithia: Nĩgũkorwo mũirĩtu gathirange nĩakagĩa nda aciare kahĩĩ, nake agatue Imanueli.
15 Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.
Iria imata na ũũkĩ nĩcio gakarĩĩaga rĩrĩa gakaamenya kũrega ũũru na gwĩthuurĩra maũndũ marĩa mega.
16 Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin’ ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
No mbere ya kahĩĩ kau kũmenya kũrega ũũru na gwĩthuurĩra maũndũ marĩa mega-rĩ, bũrũri ũcio wa athamaki acio eerĩ wĩtigĩrĩte nĩũkanangwo.
17 Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin’ ny andro nialan’ i Efraima tamin’ ny Joda (Dia ny mpanjakan’ i Asyria);
Jehova nĩagakũrehithĩria wee mwene na andũ aku, o na andũ a nyũmba ya thoguo maũndũ matarĩ moneka kuuma rĩrĩa Efiraimu aatiganire na Juda; Jehova akaarehera mũthamaki wa Ashuri.”
18 Ary amin’ izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin’ ny faran’ ny onin’ i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin’ ny tany Asyria;
Hĩndĩ ĩyo Jehova nĩakahuuhĩra ngi mĩrũri, aciĩte kuuma tũrũũĩ-inĩ twa kũraya twa bũrũri wa Misiri, na eete njũkĩ iria irĩ bũrũri wa Ashuri.
19 Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin’ ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin’ ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin’ ny saha fiandrasana rehetra.
Nacio ciothe nĩcigooka ciikare iharũrũka-inĩ cia mĩkuru, na mĩatũka-inĩ ya ndwaro cia mahiga, na ihinga-inĩ ciothe cia mĩigua, na marima-inĩ mothe ma maaĩ.
20 Amin’ izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin’ ny hareza nohofana any amoron’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin’ iny koa.
Mũthenya ũcio Mwathani nĩakahũthĩra rwenji rũkomboretwo kuuma mũrĩmo wa Rũũĩ rwa Farati; naruo nĩruo mũthamaki wa Ashuri; nake nĩakenja mĩtwe yanyu na njuĩrĩ cia magũrũ manyu, o na ningĩ enje nderu cianyu.
21 Ary amin’ izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;
Mũthenya ũcio, mũndũ akaarĩithia o moori ĩmwe na ngʼondu igĩrĩ.
22 Ary noho ny haben’ ny ronono azo avy amin’ ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan’ ny olona sisa rehetra ao amin’ ny tany.
Na tondũ wa ũingĩ wa iria rĩrĩa igaakamagwo-rĩ, mũndũ ũcio akaanyuuaga iria imata. Arĩa othe magaatigara kũu bũrũri ũcio makaanyuuaga iria imata, na marĩĩage ũũkĩ.
23 Ary amin’ Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
Mũthenya ũcio, kũndũ kũrĩa guothe kwarĩ mĩthabibũ 1,000 ĩngĩendirio cekeri 1,000 ya betha, gũgaakũra o congʼe na mĩtĩ ya mĩigua.
24 Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin’ izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.
Andũ magaathiiaga kuo marĩ na ũta na mĩguĩ, nĩgũkorwo bũrũri ũcio ũkaiyũra congʼe, na mĩtĩ ya mĩigua.
25 Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin’ ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan’ ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman’ osy izany.
Nakuo irĩma-inĩ guothe kũrĩa kwanarĩmwo na icembe, mũtigacooka gũthiĩ nĩ ũndũ wa gwĩtigĩra congʼe, na mĩtĩ ya mĩigua; kũndũ kũu gũgaatuĩka gwa kũrĩithagio ngʼombe, na gwa kũrangagwo nĩ ndũũru cia ngʼondu.

< Isaia 7 >