< Isaia 7 >

1 Ary tamin’ ny andron’ i Ahaza, zanak’ i Jotama, zanak’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan’ i Syria, sy Pelza, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely, hanafika an’ i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
當烏齊雅的孫子,約堂的兒子阿哈次為猶大王時,阿蘭王勒斤和以色列王勒瑪里雅的兒子培卡黑,上來攻打耶路撒冷,但是不能攻陷。
2 Dia nambara tamin’ ny taranak’ i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin’ ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon’ ny vahoakany toy ny firondronan’ ny hazo any an’ ala, raha asian’ ny rivotra.
有人報告達味家說:「阿蘭已經駐紮在厄弗辣因!」君王與人民都膽戰心驚,有如風中搖動的樹木。
3 Ary hoy Jehovah tamin’ Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an’ i Ahaza eo amin’ ny faran’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, eo amin’ ny lalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba,
上主對依撒意亞說:「你和你的兒子舍阿爾雅叔布出去,到上池的水溝盡頭,即漂工田間的大道上,去會見阿哈次;
4 ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan’ ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak’ i Remalia.
對他說:你必須審慎,保持鎮定,不必畏懼,不要因那兩個冒煙的火把頭-即勒斤、阿蘭和勒瑪里雅之子-的怒火而膽怯。
5 Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak’ i Remalia ka nanao hoe:
雖然阿蘭、厄弗辣因和勒瑪里雅的兒子同謀,迫害你說:
6 Andeha isika hananika an’ i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak’ i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
我們上猶大去,擾亂她,把她佔領過來歸於我們,並在那裏立塔貝耳的兒子為王;
7 Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
但是吾主上主卻這樣說:這事決不能成立,亦不能發生!
8 Fa ny lohan’ i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan’ i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin’ ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),
因為阿蘭的首都是大馬士革,大馬士革的首領是勒斤;
9 Ary ny lohan’ i Efraima dia Samaria, Ary ny lohan’ i Samaria dia ny zanak’ i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, Dia tsy ho tafatoetra.
厄弗辣因的首都是撒瑪黎雅,撒瑪黎雅的首領是勒瑪里雅的兒子。【六年或五年以後,阿蘭將被消滅,厄弗辣因將要衰敗。】假使你們不肯相信,你們必然不能存立。」
10 Ary Jehovah mbola niteny tamin’ i Ahaza ihany ka nanao hoe:
上主又對阿哈次說:「
11 Mangataha famantarana amin’ i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ ny lalina ambany, na ho avy amin’ ny avo ambony. (Sheol h7585)
你向上主你的天主要求一個徵兆罷 !或求諸陰府深處,或求諸上天高處。」 (Sheol h7585)
12 Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an’ i Jehovah
阿哈次回答說:「我不要求,我不願試探上主。」
13 Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak’ i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an’ Andriamanitro koa ianareo?
依撒意亞說:「達味的家族,你們聽著罷 !你們使人厭惡還不夠,還要使我的天主厭惡嗎﹖
14 Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan’ anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.
因此,吾主要親自給你們一個徵兆:看,有位貞女要懷孕生子,給他起名叫厄瑪奴耳。
15 Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.
到他知道棄惡揚善的時候,要吃乳酪和蜂蜜;
16 Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin’ ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
因為在這孩子尚未知道棄惡擇善以前,你在那兩個君王面前所擔心的國土,必將荒廢。
17 Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin’ ny andro nialan’ i Efraima tamin’ ny Joda (Dia ny mpanjakan’ i Asyria);
上主必使患難的日子臨於你、你的百姓和你的父家身上;這是從厄弗辣因叛離猶大那一天所未有過的,【即亞述王加禍的日子。】
18 Ary amin’ izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin’ ny faran’ ny onin’ i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin’ ny tany Asyria;
那一日,上主要喚來埃及大河盡頭的蠅和亞述境內的蜂,
19 Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin’ ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin’ ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin’ ny saha fiandrasana rehetra.
牠們將要前來,一起落在荒谷、巖穴,以及一切荊棘叢中和一切水溝上。
20 Amin’ izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin’ ny hareza nohofana any amoron’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin’ iny koa.
那一日,吾主要用由大河那邊借來的剃刀【即亞述王】剃去你的頭髮和恥毛,連鬍鬚也要刮掉。
21 Ary amin’ izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;
到那一日,人僅能餵養一隻牛犢和兩隻母山羊,
22 Ary noho ny haben’ ny ronono azo avy amin’ ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan’ ny olona sisa rehetra ao amin’ ny tany.
因為出奶很多,人將以乳酪為食,因而境內所有的遺民,都將以乳酪和蜂蜜為食。
23 Ary amin’ Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
到那一日,先前所有種植一千棵葡萄,值一千塊銀子的地方,必將叢生荊棘和蒺藜。
24 Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin’ izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.
人往那裏去,必須攜帶弓箭,因為遍地都是荊棘和蒺藜。
25 Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin’ ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan’ ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman’ osy izany.
先前用鋤頭開墾的山地,沒有人敢到那裏,因為害怕荊棘蒺藜。那裏將成為放牛和羊群踐踏的地區。

< Isaia 7 >