< Isaia 64 >
1 Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra,
''Oh, ikiwa umeigawa kwa kuifungua mbingu na kushuka chini! Milima inetikisika mbele yako,
2 Dia tahaka ny fandevon’ ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa.
ni kama vile moto uunguzao vichaka, moto uchemshao maji. Oh, jina lako lingejulikana kwa maadui wako, na ya kwamba mataifa yangetetemeka mbele yako!
3 Raha nanao zava-mahatahotra izay tsy nantenainay Hianao, dia nidina, ka nihorohoro teo anoloanao ny tendrombohitra.
Awali, ulipofanya mambo ya ajabu ambayo hatukuyategemea, ulishuka chini, milima ikatetemeka mbele zako.
4 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola ren’ ny olona, na nohenoiny, Na hitan’ ny masony, Izay Andriamanitra miasa ho an’ ny miandry Azy afa-tsy Hianao.
Tangu nyakati za kale hakuna hata mmoja aliyesikia au kujua, wala jicho kuona Mungu yeyote karibu yake, ni nani afanyae mambo haya kwake anayemsubiri yeye.
5 Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin’ ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay; Hatramin’ ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va?
Umekuja kuwasidia wale wanaofurahia kutenda yaliyo ya haki, wale wanaowaita kuwakumbusha njia zake na kumheshimu yeye. Ulipatwa na hasira tulipotenda dhambi. Katika njia zako daima tutakombolewa.
6 Fa samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra,
Maana sote tumekuwa kama mmoja aliye na unajisi, na matendo yetu ya haki yamekuwa kama hedhi kali. Sote tumenyauka kama majani; maovu yetu, ni kama upepo, unaotupeperusha sisi mbali.
7 Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay.
Hakuna hata mmoja anayeita jina lako, hakuna anayefanya jitihada za kukushika wewe; maana umeuficha uso wako mbali na sisi na kutufanya sisi kuwa takataka katika mkono wa maovu yetu.
8 Fa ankehitriny, Jehovah ô, rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay, ary asan’ ny tananao izahay rehetra.
Na lakini, Yahwe, wewe ni baba yetu; sisi ni udongo. Wewe ni mfinyanzi wetu; sisi ni kazi ya mkono wako.
9 Aza dia tezitra mafy loatra, Jehovah ô. Ary aza dia mahatsiaro heloka mandrakizay; masìna Hianao, tsinjovy, fa olonao izahay rehetra.
Usiwe na hasira kubwa, Yahwe, wala daima usikumbuke maovu dhidi yetu, tafadhali sisi sote, watu wako.
10 Tonga efitra ireo tanànanao masìna, Eny, tany lavavolo Ziona, ary efa lao Jerosalema.
Miji yenu mitakatifu imekuwa jangwa; Sayuni imekuwa jangwa, Yerusalemu imekuwa ukiwa.
11 Ny tranonay masìna sady mendrika, Izay nideran’ ny razanay Anao, dia voadotry ny afo, ary rava ny zavatray mahafinaritra rehetra.
Hekalu letu takatifu na zuri. mahali ambapo baba zetu walikusifu wewe, limeangamizwa kwa moto, na kila kilichokuwa karibu kiliharibiwa.
12 Ary mbola mahatsindry fo amin’ izany zavatra izany ihany va Hianao, Jehovah ô? Hangina va Hianao ka hampahory anay mafy loatra?
Je unawezaje kuendelea kumshika, Yahwe? Unawezaje kutulia kimya na kuendelea kutufedhehesha sisi?''