< Isaia 63 >

1 Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin’ ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.
Who is this coming from Edom, from the town of Bozrah with clothes stained crimson? Who is this wearing robes of splendor, leaning forward in his great strength as he marches? It is me, the one who always speaks goodness and truth, the one who has the power to save.
2 Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an’ izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?
Why are your clothes red, like you've been treading grapes in a winepress?
3 Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin’ ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin’ ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin’ ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
I've been treading the winepress by myself; from the nations around no one came to help me. So in my anger I trod them down as if they were grapes, in my fury I trampled them. It's their blood that has stained my clothes.
4 Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan’ ny voavotro.
For I decided this was the day of my vengeance; the year of my redemption has come.
5 Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.
I looked around, but no one came to help; I was shocked that there was no one to assist me. So I saved them through my own strength alone, and my own anger kept me going.
6 Nanitsaka firenena tamin’ ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin’ ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin’ ny tany.
I trampled down the nations in my anger; in my fury I made them drunk, and spilled their blood upon the ground.
7 Ny famindram-pon’ i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an’ i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben’ ny fahasoavana tamin’ ny taranak’ Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben’ ny famindram-pony.
I want to tell everyone about the Lord's trustworthy love. I will praise the Lord for everything he's done for us—all the good things he has done for the descendants of Israel because of his kindness and his infinite trustworthy love.
8 Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.
He said, “Aren't they my people, children who wouldn't lie to me?” So he became their Savior.
9 Tamin’ ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin’ ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ ny andro taloha ela rehetra.
He suffered with them in all their suffering, and the angel of his presence saved them. In his love and kindness he redeemed them. He picked them up and carried them all throughout those years long ago.
10 Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.
But they rebelled against him, and caused his Holy Spirit grief, so to them he became like an enemy and he fought against them.
11 Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin’ i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin’ ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin’ ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy,
Then they thought back to the days of old when Moses led his people out of Egypt. They shouted out, “Where is the one who took Israel through the sea, along with the shepherds of his flock? Where is the one who placed his Holy Spirit among his people?
12 Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’ i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,
Where is the one who lifted Moses' right hand, and who used his amazing power to divided the sea in front of them, giving him such a wonderful, enduring reputation?
13 Dia Ilay nitondra azy nita ny rano lalina, tahaka ny fandehan’ ny soavaly eny an-tany lemaka, ka tsy tafintohina izy?
Where is the one who led them through the depths of the sea?” They were like a horse running through the desert, they didn't stumble.
14 Tahaka ny fidinan’ ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan’ ny Fanahin’ i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.
Like cattle descending into a valley, the Lord's Spirit gave them rest. This is how you led your people, earning a glorious reputation for yourself.
15 Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin’ ny fonenan’ ny fahamasinanao sy ny voninahitrao; aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin’ ny kibonao sy ny famindram-ponao dia voasakana tsy ho amiko.
Lord, look down on us from heaven! Watch from your high home, in your holiness and glory! Where is your enthusiasm and power? You're not showing me your feelings of sympathy and kindness!
16 Kanefa Hianao no Rainay, fa Abrahama tsy mahalala anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay, Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.
But you are still our Father, even though Abraham wouldn't know us and Israel wouldn't acknowledge us. You, Lord, are our Father; you have always been called our Redeemer from long ago.
17 Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin’ ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin’ ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.
Lord, why do you make us wander from your ways, and make us stubborn so we don't respect you? Come back to us for the sake of your servants, the tribes that belong to you.
18 Vetivety foana no nananan’ ny olonao masìna ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masìna.
Your Temple belonged to us for a little while, but then our enemies invaded and destroyed it.
19 Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin’ ny anaranao akory.
We were yours from ancient times, but we've ended up like people you've never ruled, never identified as yours.

< Isaia 63 >