< Isaia 62 >
1 Tsy hangina Aho noho ny amin’ i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’ i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.
Salehliyi nur kimi saçanadək, Qurtuluşu məşəl tək yananadək Sion naminə susmayacağam, Yerusəlim naminə sakit durmayacağam.
2 Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin’ ny vavan’ i Jehovah;
Millətlər salehliyini, Bütün padşahlar əzəmətini görəcək. Rəbbin ağzı ilə deyəcəyi, Sənə verəcəyi yeni bir adla çağırılacaqsan.
3 Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok’ andriana eo am-pelatanan’ Andriamanitrao.
Sən Rəbbin əlində gözəllik tacı, Allahının ovcunda padşahlıq çələngi olacaqsan.
4 Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak’ i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.
Artıq sənə «atılmış», Ölkənə «viranə qalmış» deməyəcəklər. Əvəzinə sənə «sevdiyim», Ölkənə isə «ərli» deyiləcək. Çünki Rəbb səni sevəcək, Ölkən də ərli sayılacaq.
5 Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran’ ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian’ ny mpampakatra amin’ ny ampakariny no hifalian’ Andriamanitrao aminao.
Bir gənc bakirə qızla evləndiyi kimi Səni Yaradan da səninlə evlənəcək. Bəy gəlindən zövq aldığı kimi Allahın da səndən zövq alacaq.
6 Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangìna ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’ i Jehovah, aza mitsahatra;
Ey Yerusəlim, divarlarının üstünə Mən qarovulçular qoydum. Gecə-gündüz onlar susmayacaq. Ey Rəbbə sözünü xatırladan sizlər, susmayın,
7 Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an’ i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin’ ny tany.
Rəbb Yerusəlimi bərpa edənədək, Onu yer üzünün tərifə layiq şəhərinə döndərənədək Ona rahatlıq verməyin!
8 Jehovah efa nianiana tamin’ ny tànany ankavanana, dia tamin’ ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin’ ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao;
Rəbb sağ əlini, güclü qolunu Qaldırıb and içdi: «Düşmənlərinə sənin taxılını bir daha yedirtməyəcəyəm, Yadellilər sənin əziyyətlə sıxdığın şərabını içməyəcək.
9 Fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera an’ i Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin’ ny kianjako masìna.
Taxılı yığan yeyəcək, Rəbbə həmdlər edəcək. Üzümü toplayan şərabını Məbədimin həyətlərində içəcək».
10 Mivoaha, mivoaha amin’ ny vavahady, amboary ny lalana halehan’ ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan’ ny firenena.
Keçin, keçin şəhər darvazalarından, Xalq üçün yol hazırlayın! Tikin, yol salın, Daşları kənara atın, Xalqlar üçün bayraq qaldırın!
11 Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin’ ny faran’ izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin’ i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.
Rəbb yer üzünün ən uzaq yerlərinə bəyan etdi: «Sion qızına deyin: “Budur, qurtuluşun gəlir, Rəbbin mükafatı onunladır, Ənamı önündədir”».
12 Ary Ireny hotononina hoe Firenena masìna, dia olona navotan’ i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
Sion xalqına «Rəbbin satın aldığı, müqəddəs xalq» deyəcəklər. Sən, ey Yerusəlim, «Allahın axtardığı, tərk olmamış şəhər» adlanacaqsan.