< Isaia 57 >

1 Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ ny loza hanjo.
The righteous perish, and no one lays it to heart. Merciful men are taken away, and no one considers that the righteous is taken away from the evil.
2 Miditra amin’ ny fiadanana izy, mandry amin’ ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin’ ny hitsiny.
He enters into peace. They rest in their beds, each one who walks in his uprightness.
3 Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin’ olona sy ny mpijangajanga.
“But draw near here, you sons of a sorceress, you offspring of adulterers and prostitutes.
4 Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga?
Whom do you mock? Against whom do you make a wide mouth and stick out your tongue? Aren’t you children of disobedience and offspring of falsehood,
5 Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin’ ny hazo terebinta eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ ny tsefatsefaky ny harambato.
you who inflame yourselves among the oaks, under every green tree; who kill the children in the valleys, under the clefts of the rocks?
6 Ao amin’ ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin’ izany va Aho?
Among the smooth stones of the valley is your portion. They, they are your lot. You have even poured a drink offering to them. You have offered an offering. Shall I be appeased for these things?
7 Teo an-tampon’ ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
On a high and lofty mountain you have set your bed. You also went up there to offer sacrifice.
8 Teo ivohon’ ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin’ izay hataon’ ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao.
You have set up your memorial behind the doors and the posts, for you have exposed yourself to someone besides me, and have gone up. You have enlarged your bed and made you a covenant with them. You loved what you saw on their bed.
9 Dia nivezivezy nankany amin’ ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao. (Sheol h7585)
You went to the king with oil, increased your perfumes, sent your ambassadors far off, and degraded yourself even to Sheol. (Sheol h7585)
10 Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
You were wearied with the length of your ways; yet you didn’t say, ‘It is in vain.’ You found a reviving of your strength; therefore you weren’t faint.
11 Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
“Whom have you dreaded and feared, so that you lie, and have not remembered me, nor laid it to your heart? Haven’t I held my peace for a long time, and you don’t fear me?
12 Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
I will declare your righteousness; and as for your works, they will not benefit you.
13 Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan’ ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan’ ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masìna.
When you cry, let those whom you have gathered deliver you, but the wind will take them. A breath will carry them all away, but he who takes refuge in me will possess the land, and will inherit my holy mountain.”
14 Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin’ ny alehan’ ny oloko.
He will say, “Build up, build up, prepare the way! Remove the stumbling-block out of the way of my people.”
15 Fa izao no lazain’ ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masìna no anarany: Ao amin’ ny fitoerana avo sy masìna no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo;
For the high and lofty One who inhabits eternity, whose name is Holy, says: “I dwell in the high and holy place, with him also who is of a contrite and humble spirit, to revive the spirit of the humble, and to revive the heart of the contrite.
16 Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko.
For I will not contend forever, neither will I always be angry; for the spirit would faint before me, and the souls whom I have made.
17 Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin’ ny lalana tian’ ny fony ihany.
I was angry because of the iniquity of his covetousness and struck him. I hid myself and was angry; and he went on backsliding in the way of his heart.
18 Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ ny malahelo ao aminy,
I have seen his ways, and will heal him. I will lead him also, and restore comforts to him and to his mourners.
19 Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an’ izay lavitra sy ho an’ izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho.
I create the fruit of the lips: Peace, peace, to him who is far off and to him who is near,” says Yahweh; “and I will heal them.”
20 Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.
But the wicked are like the troubled sea; for it can’t rest and its waters cast up mire and mud.
21 Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
“There is no peace”, says my God, “for the wicked.”

< Isaia 57 >