< Isaia 56 >
1 Izao no lazain’ i Jehovah: Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Hili ndilo asemalo Bwana: “Dumisheni haki na mkatende lile lililo sawa, kwa maana wokovu wangu u karibu na haki yangu itafunuliwa upesi.
2 Sambatra ny zanak’ olombelona izay manao izany, ary ny zanak’ olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masìna sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.
Amebarikiwa mtu yule atendaye hili, mtu yule alishikaye kwa uthabiti, yeye ashikaye Sabato bila kuinajisi, auzuiaye mkono wake usifanye uovu wowote.”
3 Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’ i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin’ i Jehovah tsy ho isan’ ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho.
Usimwache mgeni aambatanaye na Bwana aseme, “Hakika Bwana atanitenga na watu wake.” Usimwache towashi yeyote alalamike akisema, “Mimi ni mti mkavu tu.”
4 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Ny amin’ ny ionoka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko,
Kwa kuwa hili ndilo asemalo Bwana: “Kwa matowashi washikao Sabato zangu, ambao huchagua kile kinachonipendeza na kulishika sana agano langu:
5 Dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin’ ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an’ ny zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy.
hao nitawapa ndani ya Hekalu langu na kuta zake kumbukumbu na jina bora kuliko kuwa na watoto wa kiume na wa kike: nitawapa jina lidumulo milele, ambalo halitakatiliwa mbali.
6 Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’ i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’ i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masìna sady mitana ny fanekeko
Wageni wanaoambatana na Bwana ili kumtumikia, kulipenda jina la Bwana, na kumwabudu yeye, wote washikao Sabato bila kuinajisi na ambao hushika sana agano langu:
7 Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masìna, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin’ ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra.
hawa nitawaleta kwenye mlima wangu mtakatifu na kuwapa furaha ndani ya nyumba yangu ya sala. Sadaka zao za kuteketeza na dhabihu zao zitakubalika juu ya madhabahu yangu; kwa maana nyumba yangu itaitwa nyumba ya sala kwa mataifa yote.”
8 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.
Bwana Mwenyezi asema, yeye awakusanyaye Waisraeli waliohamishwa: “Bado nitawakusanya wengine kwao zaidi ya hao ambao wamekusanywa tayari.”
9 He, ianareo bibi-dia rehetra! Avia hihinana, ianareo biby rehetra any an’ ala.
Njooni, enyi wanyama wote wa kondeni, njooni mle, ninyi wanyama wote wa mwituni!
10 Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.
Walinzi wa Israeli ni vipofu, wote wamepungukiwa na maarifa; wote ni mbwa walio bubu, hawawezi kubweka; hulala na kuota ndoto, hupenda kulala.
11 Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin’ ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin’ ny filàny harena avokoa izy rehetra.
Ni mbwa wenye tamaa kubwa, kamwe hawatosheki. Wao ni wachungaji waliopungukiwa na ufahamu; wote wamegeukia njia yao wenyewe, kila mmoja hutafuta faida yake mwenyewe.
12 Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza
Kila mmoja hulia, “Njooni, tupate mvinyo! Tunywe kileo sana! Kesho itakuwa kama leo, au hata bora zaidi.”