< Isaia 55 >

1 He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
E A! na mea a pau e makewai, E hele mai oukou i na wai, A o ka mea kala ole, e hele mai hoi oukou, e kuai no, a e ai iho; Oia, e hele mai, e kuai i ka waina, a me ka waiu, me ke kala ole, a me ke kumu ole.
2 Nahoana ianareo no mandany vola amin’ izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’ izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ ny matavy ny fanahinareo.
No ke aha la oukou i kaupaona aku ai i ka oukou kala i ka mea, aole ia he berena? A i ko oukou waiwai hoi, i ka mea hoomaona ole mai? E hoolohe pono mai oukou ia'u, a e ai hoi i ka mea i maikai io, A e olioli hoi ko oukou uhane ma ka momona.
3 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.
E haliu mai i ko oukou pepeiao, a e hele mai ia'u; A hoolohe mai, a e ola no ko oukou uhane; A e hana no au me oukou i berita mau loa, I ka lokomaikai oiaio hoi o Davida.
4 Indro, nataoko vavolombelona ho an’ ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin’ ny firenena.
Aia hoi, ua haawi aku au ia ia i mea hoike no na kanaka, I alakai hoi, a i luna no na lahuikanaka.
5 Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin’ i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin’ ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
Aia hoi, e kahea aku no oe i ka lahuikanaka au i ike ole ai; A o ka lahuikanaka i ike ole ia oe, e holo aku no lakou iou la, No Iehova, kou Akua, a no ka Mea Hemolele o ka Iseraela; No ka mea, ua hoonani mai oia ia oe.
6 Mitadiava an’ i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
E imi oukou ia Iehova, oiai oia ma kahi e loaa'i, E hea aku ia ia, oiai oia ma kahi kokoke.
7 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’ i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’ Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
E haalele ke kanaka hewa i kona aoao, A me ke kanaka lawehala, i kona mau manao; A e hoi mai hoi oia io Iehova la, a e lokomaikai no oia ia ia, A i ko kakou Akua hoi, no ka mea, e kala nui loa auanei oia.
8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
No ka mea, o ko'u mau manao, aole ia o ko oukou mau manao, A o ko oukou mau aoao, aole ia o ko'u mau aoao, wahi a Iehova.
9 Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra noho ny tany no hahavon’ ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
No ka mea, e like me ke kiekie o na lani maluna o ka honua, Pela no ke kiekie o ko'u mau aoao maluna o ko oukou mau aoao, A me ko'u mau manao, maluna o ko oukou mau manao.
10 Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ ny mpamafy sy hanina ho an’ ny mpihinana,
No ka mea, e like me ka ua, a me ka hau i iho mai, mai na lani mai, Aole hoi e hoi hou ilaila, aka, e hoomau mai no i ka honua, A hoohua iho la ia ia, e hoomuo no hoi, I haawi mai ia i ka hua na ka mea lulu hua, A i berena hoi na ka mea ai;
11 Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’ izay ampandehanako azy.
Pela auanei ka'u olelo, ka mea i puka aku, mai ko'u waha aku, Aole ia e hoi nele mai ia'u; Aka, e hana no ia i ka mea a'u e makemake ai, A e hooko io ia i ka mea a'u e hoouna aku ai ia ia.
12 Fa amin’ ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.
No ka mea, e puka aku auanei oukou me ka olioli, A e alakaiia'ku oukou me ka malu: E hookani i ke oli na kuahiwi, a me na mauna imua o oukou, A e paipailima hoi na laau a pau o ke kula.
13 Ny hazo kypreso haniry ho solon’ ny tsilo, ary ny rotra ho solon’ ny sampivato; ary ho anarana ho an’ i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.
Ma kahi o ke kakalaioa e ulu mai auanei ka laau kaa, A ma kahi o ka laau ooi, ka hadasa hoi; A e lilo ia i mea kaulana no Iehova, I ouli mau loa no hoi e hooki ole ia'i.

< Isaia 55 >