< Isaia 54 >

1 Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
“Sing, barren, you who did not give birth! Break out into singing, and cry aloud, you who did not travail with child! For more are the children of the desolate than the children of the married wife,” says the LORD.
2 Halalaho ny itoeran’ ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao;
“Enlarge the place of your tent, and let them stretch out the curtains of your habitations; do not spare; lengthen your cords, and strengthen your stakes.
3 Fa hitatra any amin’ ny ankavanana sy any amin’ ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao.
For you will spread out on the right hand and on the left; and your offspring will possess the nations and settle in desolate cities.
4 Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.
“Do not be afraid, for you will not be ashamed. Do not be confounded, for you will not be disappointed. For you will forget the shame of your youth. You will remember the reproach of your widowhood no more.
5 Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
For your Maker is your husband; the LORD of Armies is his name. The Holy One of Israel is your Redeemer. He will be called the God of the whole earth.
6 Fa Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao.
For the LORD has called you as a wife forsaken and grieved in spirit, even a wife of youth, when she is cast off,” says your God.
7 Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin’ ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao.
“For a small moment I have forsaken you, but I will gather you with great mercies.
8 Tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin’ ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.
In overflowing wrath I hid my face from you for a moment, but with everlasting loving kindness I will have mercy on you,” says the LORD your Redeemer.
9 Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon’ i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’ i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
“For this is like the waters of Noah to me; for as I have sworn that the waters of Noah will no more go over the earth, so I have sworn that I will not be angry with you, nor rebuke you.
10 Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
For the mountains may depart, and the hills be removed, but my loving kindness will not depart from you, and my covenant of peace will not be removed,” says the LORD who has mercy on you.
11 Hianao, ry ory izay afotofoton’ ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin’ ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin’ ny safira,
“You afflicted, tossed with storms, and not comforted, behold, I will set your stones in beautiful colors, and lay your foundations with sapphires.
12 Hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao manodidina.
I will make your pinnacles of rubies, your gates of sparkling jewels, and all your walls of precious stones.
13 Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’ i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ ny zanakao.
All your children will be taught by the LORD, and your children’s peace will be great.
14 Amin’ ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
You will be established in righteousness. You will be far from oppression, for you will not be afraid, and far from terror, for it shall not come near you.
15 Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao kosa.
Behold, they may gather together, but not by me. Whoever gathers together against you will fall because of you.
16 Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin’ ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana.
“Behold, I have created the blacksmith who fans the coals into flame, and forges a weapon for his work; and I have created the destroyer to destroy.
17 Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ ny mpanompon’ i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
No weapon that is formed against you will prevail; and you will condemn every tongue that rises against you in judgment. This is the heritage of the LORD’s servants, and their righteousness is of me,” says the LORD.

< Isaia 54 >

A Dove is Sent Forth from the Ark
A Dove is Sent Forth from the Ark