< Isaia 53 >

1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah?
Ni nani angeweza kuamini tuliyasikia? Na mkono wa Yahwe, kwake uliojidhihirisha?
2 Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin’ ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
Maana amekuwa mbele za Yahwe kama sampuli, na kama chipukizikatika aridhi kavu; hakuna maajabu yalionekana au mapambo; tulipo muona yeye, hapakuwa na uzuri kutuvutia sisi.
3 Natao tsinontsinona sy nolavin’ ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian’ ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
Alidharauliwa na kukataliwa na watu; mtu wa huzuni, na mwenye maumivu. Kama mmoja aliyetoka kwa watu wafichao nyuso zao, alidharauliwa; na kujfikiria kuwa asiye na faida.
4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahorina.
Lakini hakika amezaliwa ugonjwa wetu na kubeba huzuni yetu; tulidhani aliadhibiwa na Mungu, amepigwa na Mungu, na kutaabishwa.
5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.
Lakini alichomwa kwa sababu ya uaasi wa matendo yetu; aliangamizwa kwa sababu ya dhambi zetu. Adhabu ya amani yetu ilikuwa juu yake, na kwa majeraha yake sisi tumepona.
6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Sisi ni kama kondoo tumepotoka; kila mmoja amejeuka katika njia yake, na Yahwe amemueka juu yake maovu kwetu sisi sote.
7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.
Aliteswa; lakini alinyenyekea mwenyewe, hakufungua mdomo wake; kama kondooendae kuchinjwa, na kama kondoo mbele ya mtu anayemkata mnyoa yake taratibu, hivyo hakufungua mdomo wake.
8 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’ ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ ny tanin’ ny velona Izy, ka ny fahadisoan’ ny oloko no nikapohana Azy?
Kwa kutumia nguvu na hukumu yeye aliyelaaniwa; ni katika kizazi hicho atafikiria zaidi kuhusu yeye? Lakini aliondolewa katika aridhi ya walio hai; kwa sababu ya makosa ya watu wangu na adhabu ilikuwa juu yake.
9 Ary nokasaina hatao tao amin’ ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin’ ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.
Wameliweka kaburi lake pamoja nawahalifu, kwa utajiri wa mtu katika kifo chake ingawa hakuwa na vurugu wala udanganyifu wowote katika mdomo wake.
10 Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
Lakini yalikuwa ni mapenzi ya Yahwe kumponda yeye na kumfanya yeye apone. Alipoyafanya maisha yake kuwa sadaka kwa ajili ya dhambi, ataona watoto wake, ataongeza siku zao, na mapenzi ya Yahwe yatatimizwa kupitia yeye.
11 Noho ny fisasaran’ ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ ireo.
Baada ya mateso ya maisha yake, ataona mwanga na ataridhika kwa maarifa yake.
12 Koa dia hanome Azy anjara amin’ ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin’ ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan’ ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ ny maro sady manao fifonana ho an’ ny mpanota.
Hivyo basi Je ninaweza kumpa yeye sehemu yake miongoni mwa wengi, naye atatawnya mateka kwa wengi, kwa sabubu amejionyesha yeye mwenye kwenye kifo na amehesabiwa na wahalifu. Amezaa dhambi za wengi na kufanya maombolezo kwa wahalifu.

< Isaia 53 >