< Isaia 52 >

1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masìna; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
Amka, amka, vaa nguvu zako, Sayuni; vaa vazi lako zuri, mji mtakatifu; maana hakuna tena kutotahiriwa wala wasio safi kuingia kwako.
2 Ahintsano ny vovoka hiala amin’ ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin’ ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
Jikung'ute mwenyewe kutoka mavumbini; nyanyuka na ukae, ewe Yerusalemu; ondoa shanga katika shingo yako, wafungwa, binti ya Sayuni.
3 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.
Maana Yahwe asema hivi, umeuzwa bure, na utakombolewa pasipo pesa.''
4 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan’ ny oloko tamin’ ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.
Maana Bwana Yahwe asema hivi, ''Hapo mwanzo watu wangu walishuka chini Misri kuishi kwa muda mfupi; Waasiria waliwanyanyasa wao hivi karibuni.
5 Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
Sasa ni kitu gani nilicho nacho hapa- Hili ni tamko Yahwe- aonae kwamba watu wake wanachukuliwa bure tu? Wale wanowaongoza wao wanafanya mzaha-Hili ni tamko la Yahwe- jina langu linakashifiwa mchan kutwa.
6 Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin’ izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.
Hivyo basi watu wangu watalijua jina langu; watajua kwamba siku hiyo kwamba mimi ndiye ninayesema ''Ndiyo, Ni Mimi!''
7 Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Ni kwa uzuri gani juu miliima ni miguu ya mjumbe aliyeleta habari njema, atangazae amani, aliyebeba uzuri wa ukuu, aliyetangaza wokovu, anayesema kwa Sayuni, ''Mungu wako anatawala!''
8 Injany ny feon’ ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian’ i Jehovah ho any Ziona.
Sikiliza enyi walinzi nyanyueni sauti zenu, kwa pamoja pigeni kelele kwa furaha, maana mtamuona, kwa kila jicho lenu, kurejea kwa Yahwe Sayuni.
9 Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’ i Jerosalema.
Pazeni sauti kwa kuimba kwa furaha, enyi mateka wa Yerusalemu; maana Yahwe amefariji watu wake; ameikomboa Yerusalemu.
10 Jehovah efa nampiseho ny sandriny masìna teo imason’ ny firenena rehetra; ary ny faran’ ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitsika.
Yahwe amewaonyesha kwamba mkono wake mtakatifu katika macho ya mataifa yote; nchi yote itauona wokovu wa Mungu wetu.
11 Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak’ i Jehovah.
Ondokeni, ondokeni, enendeni mbali na hapa; msiguse kitu chochote ambacho ni najisi; au kuishi katikati yake; jitakase mwenyewe, enyi mliobeba vyombo vya Yahwe.
12 Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
Maana hautakwenda nje kwa kukimbia, wala hautaondoka kwa hofu; Maana Yahwe atakuwa mbele yako; na Mungu wa Israeli atakuwa mlinzi wako nyuma.
13 Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.
Tazameni, mtumishi wangu atafanya hekima; atakuwa juu na atanyanyuliwa juu, na atapandishwa juu.
14 Fa toy ny nigagan’ ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’ olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’ olombelona),
Na wengi watamstajabia yeye- muonekano wake umekunjamana nje ya muonekano wa mwanadamu, hivyo basi upande wake ulikuwa mbali na kitu chochote ambacho ni binadamu-
15 Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
Na hivyo, mtumishi wangu atanyunyizia mataifa mengi na wafme watafunga midomo yao kwa sababu yake. Kana kwamba hawajawahi kuambiwa, wataona, kana kwamba hawakusikia, wataelewa.

< Isaia 52 >