< Isaia 51 >

1 Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an’ i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.
“Mverani Ine, inu amene mukufuna chipulumutso ndiponso amene mumafunafuna Yehova: Taganizani za thanthwe kumene munasemedwa ndipo ku ngwenya kumene anakukumbani;
2 Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko.
taganizani za Abrahamu, kholo lanu, ndi Sara, amene anakubalani. Pamene ndinkamuyitana nʼkuti alibe mwana, koma ndinamudalitsa ndi kumupatsa ana ambiri.
3 Fa Jehovah mampionona an’ i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an’ i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’ i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin’ ny fisaorana sy ny feo fiderana.
Yehova adzatonthozadi Ziyoni, ndipo adzachitira chifundo mabwinja ake onse; Dziko lake la chipululu adzalisandutsa ngati Edeni, malo ake owuma ngati munda wa Yehova. Anthu adzayimba nyimbo zonditamanda ndi kundiyamika.
4 Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
“Mverani Ine, anthu anga: tcherani khutu, inu mtundu wanga: malangizo adzachokera kwa Ine; cholungama changa chidzawunikira anthu a mitundu yonse.
5 Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain’ ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.
Ndili pafupi kubwera kudzawombola anthu anga. Ndidzabwera mofulumira ngati kuwunika kudzapulumutsa anthu anga; ndipo ndidzalamulira anthu a mitundu yonse. Mayiko akutali akundiyembekezera. Iwo akudikira kuti ndidzawapulumutse.
6 Andrandrao ho amin’ ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.
Kwezani maso anu mlengalenga, yangʼanani pansi pa dziko; mlengalenga udzazimirira ngati utsi, dziko lapansi lidzatha ngati chovala ndipo anthu ake adzafa ngati nsabwe. Koma chipulumutso changa chidzakhala mpaka muyaya, chilungamo changa chidzakhala cha nthawi zonse.
7 Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon’ ny zanak’ olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.
“Mverani Ine, inu amene mukudziwa choonadi, anthu inu amene mukusunga malangizo anga mʼmitima yanu; musaope kudzudzulidwa ndi anthu kapena kuopsezedwa akamakulalatirani.
8 Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon’ ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby.
Pakuti njenjete idzawadya ngati chovala; mbozi idzawadya ngati thonje. Koma chilungamo changa chidzakhala mpaka muyaya, chipulumutso changa chidzakhala mpaka mibadomibado.”
9 Mifohaza, mifohaza, ry sandrin’ i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ ny andro fahiny! dia tamin’ ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona?
Dzambatukani, dzambatukani! Valani zilimbe, Inu Yehova; dzambatukani, monga munkachitira masiku amakedzana, monga nthawi ya mibado yakale. Si ndinu kodi amene munaduladula Rahabe, amene munabaya chinjoka cha mʼnyanja chija?
10 Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan’ ny navotana?
Kodi sindinu amene munawumitsa nyanja yayikulu, madzi ozama kwambiri aja? Kodi sindinu amene munapanga njira pa madzi ozama, kuti anthu amene munawapulumutsa awoloke powuma?
11 Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Anthu amene Yehova anawawombola adzabwerera nakafika ku Ziyoni nyimbo ili pakamwa; chimwemwe chamuyaya chizidzaonekera pa nkhope zawo. Adzakhala ndi chikondwerero ndi chimwemwe, chisoni ndi kubuwula zidzathawa.
12 Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’ olombelona mety maty sy ny zanak’ olona hatao tahaka ny ahitra
Yehova akuti, “Ndinetu amene ndimakutonthozani mtima. Chifukwa chiyani mukuopa munthu woti adzafa? Mukuopa munthu woti monga udzu sadzakhalitsa.
13 ka manadino an’ i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran’ ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran’ ny mpampahory?
Koma inu mumayiwala Yehova Mlengi wanu, amene anayala za mlengalenga ndi kuyika maziko a dziko lapansi. Inu nthawi zonse mumaopsezedwa chifukwa cha ukali wa anthu okuponderezani amene angofuna kukuwonongani. Kodi uli kuti tsopano ukali wa anthu okuponderezaniwo?
14 Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
Amʼndende adzamasulidwa posachedwa; sadzalowa mʼmanda awo, kapena kusowa chakudya.
15 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarako.
Pakuti Ine ndine Yehova Mulungu wanu, amene ndimavundula nyanja kotero mafunde ake amakokoma. Dzina lake ndi Yehova Wamphamvuzonse.
16 Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin’ ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an’ i Ziona hoe: Oloko ianao.
Ndayika mawu anga mʼkamwa mwanu ndipo ndakuphimbani ndi mthunzi wa dzanja langa. Ine ndimayika pa malo pake zinthu za mlengalenga, ndipo ndinayika maziko a dziko lapansi, ndimawuza anthu a ku Ziyoni kuti, ‘Ndinu anthu anga.’”
17 Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin’ ny tànan’ i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin’ ny faikany.
Dzambatuka, dzambatuka! Imirira iwe Yerusalemu. Iwe amene wamwa chikho cha mkwiyo chimene Yehova anakupatsa. Iwe amene unagugudiza chikho chochititsa chizwezwe.
18 Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
Mwa ana onse amene anabereka, panalibe ndi mmodzi yemwe anamutsogolera; mwa ana onse amene analera, panalibe ndi mmodzi yemwe anamugwira dzanja.
19 Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao?
Mavuto awiriwa akugwera iwe. Dziko lako lasakazika ndi kuwonongeka. Anthu afa ndi njala ndi lupanga. Ndani angakumvere chisoni? Ndani angakutonthoze?
20 Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin’ ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny teny mafy ataon’ Andriamanitrao.
Ana ako akomoka; ali lambalamba pa msewu, ngati mphoyo yogwidwa mu ukonde. Ukali wa Yehova ndi chidzudzulo chake zidzawagwera.
21 Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay:
Nʼchifukwa chake imva izi iwe amene ukuvutika, iwe amene waledzera, koma osati ndi vinyo.
22 Izao no lazain’ i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an’ ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian’ ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,
Ambuye Yehova wanu, Mulungu amene amateteza anthu ake akuti, “Taona, ndachotsa mʼdzanja lako chikho chimene chimakuchititsa kudzandira; sudzamwanso chikho cha ukali wanga.
23 Fa hataoko eo an-tànan’ izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an’ izay mandeha eo.
Ndidzapereka chikhocho kwa anthu amene amakuzunza, amene ankakuwuza kuti, ‘gona pansi tikuyende pa msana.’ Ndipo msana wako anawuyesa pansi popondapo, ngati msewu woti ayendepo.”

< Isaia 51 >