< Isaia 5 >

1 Aoka aho hihira ny amin’ ny Malalako, dia hiran’ ny Malalako ny amin’ ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;
Acha niimbe kwa mpendwa wangu mzuri, wimbo wa mpendwa wangu kuhusu shamba la mzabibu. Mpendwa wangu ana shamba kwenye mlima wenye rutuba.
2 Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy.
Analilima, anaondoa mawe, na anaotesha aina ya mizabibu iliyo bora. Na hujenga mnara katikati ya shamba akichimba shinkizo ndani yake. Anasubiria mzabibu uzae matunda lakini unazaa zabibu mwitu.
3 Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin’ ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.
Kwa hiyo sasa, wakazi wa Yerusalemu na watu wa Yuda, toa hukumu kati yangu na shamba la mzabibu.
4 Inona moa no mbola azo natao tamin’ ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
Je ni kitu gani cha ziada unaweza ukakifanya kwenye shamba langu la mizabibu, ambacho sijakifanya? ninapotamzamia izae matunda, kwa nini inazaa matunda mwitu?
5 Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin’ ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy;
Sasa nitawambia kitu nitakacho kifanya kwenye shamba langu la mzabibu: nitaondoa uzio, nitaligeuza kuwa malisho, Nitavunja ukuta wake chini. Na itakanyagwa chini.
6 Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.
Nami nitaliharibu wala halitapaliliwa wala kuilmwa, bali litatoa mbigiri na miba; nami nitayaamuru mawingu yasinyeshee mvua juu yake.
7 Fa ny taranak’ i Isiraely no tanim-boalobok’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Ary ny lehilahy amin’ ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.
Maana shamba la mzabibu la Yahwe Bwana wa majeshi ni nyumba ya Israeli, na mtu wa Yuda ndio mazao yake ya kupendeza; anaisubiria haki lakini badala ya yaki kuna mauwaji; maana haki, lakini badala yake ni kelele zikihitaji msaada.
8 Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin’ ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran’ ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin’ ny tany ianareo!
Ole wao wanaoungana nyumba kwa nyumba, shamba kwa shamba, mpaka wanamaliza, na umebaki mwenyewe kwenye shamba!
9 Izao no ren’ ny sofiko avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.
Yahwe wa majeshi ameniambia mimi, nyumba nyingi zitakuwa wazi, hata kubwa na zinazovutia, hakuna mwenyeji yeyote.
10 Ary bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo Zemeda, Ary rehefa iray monja no ho vokatry ny voan-javatra eran’ ny homera.
Maana mashamba ya mizabibu la nira kumi lilitoa bathi moja tu, na homeri ya mbegu itatoa efa tu.
11 Lozan’ izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ ny andro ka ampirehetin’ ny divay!
Ole wao wanaoamka asubuhi na mapema kutafuta pombe kali, wale wanaokaa usiku wa manane mpaka pombe inawaka moto.
12 Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan’ i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon’ ny tanany tsy mba hitany.
Wanasherekea kwa kinubi, kinanda, kigoma, filimbi, na mvinyo, lakini hawazitambui kazi za Yahwe, wala hawaziangalii kazi za mikono yake.
13 Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main’ ny hetaheta.
Kwa hiyo watu wangu wameenda kifungoni kwa kukosa uelewa; viongozi wao wakuheshimiwa wanashinda na njaa, na watu wao hana kitu cha kunjwa.
14 Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita Hanao teli-moka an’ i Jerosalema; Ary any no hivarinan’ ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin’ izay mifalifaly ao aminy; (Sheol h7585)
Hivyo basi kuzimu kumeongeza ladha yake na imefungua kinywa chake kwa kiasi kikubwa; wasomi wao, viongozi wao, manabii na wenye furaha miongoni mwao, watashuka kuzimu. (Sheol h7585)
15 Ary ny zanak’ olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary ny mason’ ny miandranandrana dia haidina.
Mtu atalazimishwa kuinama chini, na watu watakuwa wayenyekevu; na macho yao ya kujivuna yatatupwa chini,
16 Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no hisandratra amin’ ny fitsarana, Ary Andriamanitra masìna dia hiseho ho masìna amin’ ny fahamarinana.
Yahwe wa majeshi atainuliwa katika haki yake, na Mungu mtakatifu atajidhirisha kuwa mtakatifu kwa haki yake.
17 Ary ny zanak’ ondry hikania toy ny eny amin’ ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan’ ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
Ndipo kondoo watalishwa kama wako kwenye malisho yao wenyewe, na katika uharibifu, kondoo watachungwa kama wageni.
18 Lozan’ izay mitari-keloka amin’ ny kofehin’ ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin’ ny mahazakan-tsariety,
Ole wao wanaovuta pamoja na waovu kwa kamba isiyo na maana na wanaovuta pamoja na dhambi kwa kamba za gari.
19 Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
Ole kwa wale wasemao, '' Basi na Mungu afanye haraka, basi afanya upesi, ili tuweze kuona kinachotokea; na tuache mipango ya Mtakatifu wa Israeli ije, ili tuifahamu.''
20 Lozan’ izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
Ole wao waitao uovu wema, na wema ni uovu; inayowakilisha giza kama mwanga, na mwanga kama giza; inayowakilisha kitu kichungu kama kitamu, na kitamu kama kichungu!
21 Lozan’ izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!
Ole kwa wale wenye busara machoni mwao, na buasra kwa uelewa wao!
22 Lozan’ izay fatratra nefa amin’ ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto nefa amin’ ny fampiharoharoana toaka ihany!
Ole wao ambao ni washindi kwa kunjwa mvinyo, na wazoefu wa kuchanganya pombe kali;
23 Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin’ ny marina!
ambao wako huru kumpa haki mtenda maovu, na kuwanyima haki wenye haki!
24 Koa toy ny fandevonan’ ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan’ ny fakany sy hijofoan’ ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn’ i Jehovah, Tompon’ ny maro izy Sy nanamavo ny tenin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Hivyo basi kama ndimi za moto zinazokula mabua, kama majani makavu yanavyochomwa na moto, hivyo basi mizizi yake itaoza na maua yake yataperuka kama mavumbi. Hii itatokea kwa sababu wameikataa sheria ya Yahwe wa majeshi, na kwa sababu wamedharau neno la Mtakatifu wa Israeli.
25 Koa izany no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin’ ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Hivyo basi hasira ya Yahwe imewaka juu ya watu wake. Ameunyoosh mkono wake juu yao na kuwaadhibu wao. Milima inatikisika, na maiti ni kama takata mitaani. Katika mambo yote haya, hasira yake haijapungua; badala yake, ameonyoosha mkono wake nje.
26 Ary hanangana faneva ho amin’ ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran’ ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo;
Atapandisha bendera ya ishara mabali na mataifa na atapuliza filimbi kwa wale walio mwisho wa nchi. Tazama watakuja wakikimbia mara moja.
27 Tsy hisy reraka na tafintohina ao aminy; Tsy ho rendrehana na hatory izy: Tsy hiboraka ny fehin-kibony, ary tsy ho tapaka ny fehin-kapany,
Hakuna tairi wala mashaka miongoni mwao; hakuna asinzae wala kulala usingizi. Au kama mkanda uliolegea, wala kamba za viatu kukatika.
28 Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio;
Mishale yao ni mikali na upinde wao umejikunja; kwato za farasi wao' ni kama jiwe, na gari lao magurudumu yake ni kama miba.
29 Ny fierony dia tahaka ny fieron’ ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.
Mngurumo wao utakuwa kama wa simba, wataunguruma kama mtoto wa simba. Watanguruma na kukamata mawindo na kuvuta mbali, na hakuna hatakayeokolewa.
30 Ary hirohondrohona aminy amin’ izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon’ ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin’ ny rahona.
Siku hiyo ataunguruma juu ya mawindo kama vile bahari kwa kishindo. Yeyote atakayeangalia nchi, ataona giza na mateso; hata mwanga hutafanjwa kuwa mweusi kwa mawingu.

< Isaia 5 >