< Isaia 49 >

1 Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’ ineny no efa nankalazainy ny anarako.
Nisikilize mimi, enyi mkao pwani! na kuwa makini, enyi watu mkao mbali. Yahwe amenita mimi kutoka kuzaliwa kwa jina, mama yangu aliponileta duniani.
2 Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin’ ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
Amefanya mdomo wangu kuwa kama upanga mkali; amenificha mimi katika kivuli cha mkono wake; amenifanya mimi kuwa mshale unaong'aa; katika podo yake amenificha mimi.
3 Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.
Amesema na mimi, ''Wewe ni mtumishi wangu, Israeli, kupitia yeye nitaonyesha utukufu wangu.''
4 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’ i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin’ ny asako dia ao amin’ Andriamanitro.
Lakini nilimjibu, ''Japo nilifikiria nilifanya kazi bure, nimetumia nguvu zangu bure, ikiwa haki yangu iko pamoja na Yahwe, na zawadi yangu iko kwa Mungu wangu.
5 Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason’ i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
Na sasa Yahwe asema hivi, yeye aliyeniumba mimi toka kuzaliwa na kuwa mtumishi wake, kumrejesha Yakobo tena kwake mwenyewe, na Israeli wakusanyike kwake. Mimi ninaheshimika katika macho ya Yahwe, na Mungu wangu amekuwa nguvu zangu.
6 Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’ i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ ny faran’ ny tany.
Asema hivi, ''Ni kitu kidogo sana kwa wewe kuwa mtumishi wangu ili kuanzisha ukoo wa Yakobo, na kuwarejesha wanaoishi Israeli. Nitakufanya wewe kuwa mwanga kwa Wayunani, ili uwe wokovu wangu katika mipaka ya nchi.
7 Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin’ Ilay hamavoin’ ny olona sy halan’ ny firenena ka tonga mpanompon’ ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin’ i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
Yahwe asema hivi, Mkombozi wa Israeli, Mtatakatifu wao, kwa yeye ambae maisha yake yamedharauliwa, kuchukiwa na mataifa, na mtumwa wa viongozi, ''Mfalme atakuona wewe na nyanyuka, na wakuu watakuona wewe na inama chini, kwa sababu ya Yahwe ambae ni mwaminifu, hata mtakatifu wa Israeli, aliyewachagua ninyi.''
8 Izao no lazain’ i Jehovah: Tamin’ ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava
Yahwe asema hivi, ''Kwa mda huu nimeamua kuwaonyesha neema yangu na nitawajibu ninyi, na siku ya wokovu nitawasaidi ninyi; Nitakulinda wewe; na nitawapa kama agano kwa watu, kuitengeneza tena nchi, kuwarihtisha urithi uliokuwa na ukiwa.
9 ka hanao amin’ ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin’ izay ao amin’ ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany.
Utasema kwa wafungwa, 'Tokeni nje; kwa wale mlio katika giza gerezani, 'Jionyeshe mwenyewe. 'Watachunga pembeni ya barabara, na juu ya miteremko ya wazi yatakuwa malisho yake.
10 Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
Hawatasikia njaa wala kiu; wala joto au jua halitawaunguza, kwa yeye mwenye huruma juu yao atawaongoza wao; atawaongoza wao kwenye mikondo ya maji.
11 Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasandratra ny lalambeko.
Na nitafanya milima yote kuwa barabara, na kufanya njia za juu kuwa sawa''
12 Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin’ ny tany Sinima ireto.
Tazama, haya yatatoka kutoka mbali, baadhi kutoka kaskazini na magharibi; na wengine kutoka nchi ya Sinimi.
13 Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin’ ny olony mahantra.
Imba, ewe mbingu, na uwe na furaha, ewe nchi pazeni sauti ya kuimmba enyi milima! maana Yahwe anawafariji watu wake, na watakuwa na huruma kwa wale wanoteseka.
14 Fa hoy Ziona’ Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoto efa nanadino ahy.
Lakin Sayuni asema, Yahwe ameniacha mimi, na Bwana amenisahau mimi.''
15 Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.
''Je mwanamke anaweza kumsahau mtoto wake, aliyemnyonyesha, hivyo hana huruma na mtoto aliye mzaa? ndio, hawakusahau, lakini siwezi kukusahau wewe.
16 Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.
Tazama, nimeliandika jina lako kwenye kiganja cha mkono wangu; Kuta zako zinaendelea kuwa mbele yangu.
17 Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.
Watoto wangu wamerudi haraka, wakati wale wanowaangaimiza nyie wameenda mbali.
18 Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon’ ny ampakarina.
Tazama karibu na uone, wote wamekusanyika na wanakuja kwako. Nitahakikisha kama ninaishi- hili ni tamko la Yahwe- hakika mtavivaaa kama kama kijiti; utajifungia kama bibi harusi.
19 Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin’ izany noho ny habetsahan’ ny mponina, ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.
Japo umeharibiwa na kuwa na ukiwa, nchi iliyoharibiwa, sasa itakuwa ndogo sana kwa wenyeji, na wale wanao waliokumeza watakuwa mbali,
20 Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
Watoto watakaozaliwa katika kipindi cha msiba watasema mkiwa mnawasikiliza, 'Sehemu hii ni duni kwetu, tengeneza chumba kwa ajili yetu, ili tuweze kuishi hapa.
21 Dia hanao anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?
Halafu utajiuliza mwenyewe, ni nani aliyewazaa watu hawa kwangu? Mimi nilifiwa na ni tasa, niliyefungwa na kupewa talaka. Ni nani aliyewalea hawa watoto? Tazama, niliachiwa yote mimi mwenyewe; Je haya yametoka wapi?''
22 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin’ ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin’ ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony.
Yahwe asema hivi, ''Tazama, nitanyanyua mkono wangu juu ya mataifa; Nitanyanyua bendera yangu ya ishara kwa watu. Watawaleta watoto wako kwenye mikono yao na watawabeba binti zako juu ya mabega yao.
23 Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin’ andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.
Wafalme watakuwa baba zako wa kambo, na malikia watakuwa wafanyakazi wa ndani; watakuinamia chini wewe kw uso wao kwa nchi na kukung'uta mavumbi ya miguu yenu; wale wanonisubiri mimi hawataabika.''
24 Azo alaina eny amin’ ny mahery va ny sambotra? Na ho afaka va ny babo marina?
Je mateka wanaweza kuchukuliwa kwa shujaa, au wafungwa kukombolewa kutoka kwa mkali?
25 Nefa izao no lazain’ i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin’ izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.
Lakini Yahwe asema hivi, ''Wafungwa watachukuliwa kutoka kwa shujaa, na maeteka watakombolewa; maana utampinga adui yako na kuwakomboa watoto wako.
26 Sady hampihinaniko ny nofon’ ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon’ ny ran’ ny tenany ihany ireny, toy ny amin’ ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’ i Jakoba no Mpanavotra anao.
Na nitawalisha wanowaonea kwa mwili wao wenyewe; na watalewa kwa damu zao wenyewe, kama iliyo mvinyo; na watu wote watajua kwamba Mimi Yahwe, ni Mokozi wenu na Mkombozi wenu, yeye aliyemkuu wa Isareli.

< Isaia 49 >