< Isaia 49 >

1 Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’ ineny no efa nankalazainy ny anarako.
Listen, O isles, to me; and listen, you people, from far; The LORD has called me from the womb; from the bowels of my mother has he made mention of my name.
2 Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin’ ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
And he has made my mouth like a sharp sword; in the shadow of his hand has he hid me, and made me a polished shaft; in his quiver has he hid me;
3 Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.
And said to me, You are my servant, O Israel, in whom I will be glorified.
4 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’ i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin’ ny asako dia ao amin’ Andriamanitro.
Then I said, I have labored in vain, I have spent my strength for nothing, and in vain: yet surely my judgment is with the LORD, and my work with my God.
5 Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason’ i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
And now, says the LORD that formed me from the womb to be his servant, to bring Jacob again to him, Though Israel be not gathered, yet shall I be glorious in the eyes of the LORD, and my God shall be my strength.
6 Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’ i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ ny faran’ ny tany.
And he said, It is a light thing that you should be my servant to raise up the tribes of Jacob, and to restore the preserved of Israel: I will also give you for a light to the Gentiles, that you may be my salvation to the end of the earth.
7 Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin’ Ilay hamavoin’ ny olona sy halan’ ny firenena ka tonga mpanompon’ ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin’ i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
Thus says the LORD, the Redeemer of Israel, and his Holy One, to him whom man despises, to him whom the nation abhors, to a servant of rulers, Kings shall see and arise, princes also shall worship, because of the LORD that is faithful, and the Holy One of Israel, and he shall choose you.
8 Izao no lazain’ i Jehovah: Tamin’ ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava
Thus says the LORD, In an acceptable time have I heard you, and in a day of salvation have I helped you: and I will preserve you, and give you for a covenant of the people, to establish the earth, to cause to inherit the desolate heritages;
9 ka hanao amin’ ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin’ izay ao amin’ ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany.
That you may say to the prisoners, Go forth; to them that are in darkness, Show yourselves. They shall feed in the ways, and their pastures shall be in all high places.
10 Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
They shall not hunger nor thirst; neither shall the heat nor sun smite them: for he that has mercy on them shall lead them, even by the springs of water shall he guide them.
11 Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasandratra ny lalambeko.
And I will make all my mountains a way, and my highways shall be exalted.
12 Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin’ ny tany Sinima ireto.
Behold, these shall come from far: and, see, these from the north and from the west; and these from the land of Sinim.
13 Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin’ ny olony mahantra.
Sing, O heavens; and be joyful, O earth; and break forth into singing, O mountains: for the LORD has comforted his people, and will have mercy on his afflicted.
14 Fa hoy Ziona’ Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoto efa nanadino ahy.
But Zion said, The LORD has forsaken me, and my Lord has forgotten me.
15 Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.
Can a woman forget her sucking child, that she should not have compassion on the son of her womb? yes, they may forget, yet will I not forget you.
16 Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.
Behold, I have graven you on the palms of my hands; your walls are continually before me.
17 Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.
Your children shall make haste; your destroyers and they that made you waste shall go forth of you.
18 Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon’ ny ampakarina.
Lift up your eyes round about, and behold: all these gather themselves together, and come to you. As I live, says the LORD, you shall surely clothe you with them all, as with an ornament, and bind them on you, as a bride does.
19 Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin’ izany noho ny habetsahan’ ny mponina, ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.
For your waste and your desolate places, and the land of your destruction, shall even now be too narrow by reason of the inhabitants, and they that swallowed you up shall be far away.
20 Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
The children which you shall have, after you have lost the other, shall say again in your ears, The place is too strait for me: give place to me that I may dwell.
21 Dia hanao anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?
Then shall you say in your heart, Who has begotten me these, seeing I have lost my children, and am desolate, a captive, and removing to and fro? and who has brought up these? Behold, I was left alone; these, where had they been?
22 Izao no lazain’ i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin’ ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin’ ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony.
Thus says the Lord GOD, Behold, I will lift up my hand to the Gentiles, and set up my standard to the people: and they shall bring your sons in their arms, and your daughters shall be carried on their shoulders.
23 Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin’ andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.
And kings shall be your nursing fathers, and their queens your nursing mothers: they shall bow down to you with their face toward the earth, and lick up the dust of your feet; and you shall know that I am the LORD: for they shall not be ashamed that wait for me.
24 Azo alaina eny amin’ ny mahery va ny sambotra? Na ho afaka va ny babo marina?
Shall the prey be taken from the mighty, or the lawful captive delivered?
25 Nefa izao no lazain’ i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin’ izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.
But thus says the LORD, Even the captives of the mighty shall be taken away, and the prey of the terrible shall be delivered: for I will contend with him that contends with you, and I will save your children.
26 Sady hampihinaniko ny nofon’ ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon’ ny ran’ ny tenany ihany ireny, toy ny amin’ ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’ i Jakoba no Mpanavotra anao.
And I will feed them that oppress you with their own flesh; and they shall be drunken with their own blood, as with sweet wine: and all flesh shall know that I the LORD am your Savior and your Redeemer, the mighty One of Jacob.

< Isaia 49 >