< Isaia 48 >
1 Mihainoa, ry taranak’ i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin’ ny anaran’ Isiraely sy avy amin’ ny loharanon’ i Joda, ianareo izay mianiana amin’ ny anaran’ i Jehovah ary mankalaza ny anaran’ Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny;
2 Fa milaza ny tenany ho avy amin’ ny tanana masìna izy ka miankina amin’ Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
3 Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany.
4 Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
5 Dia nambarako taminao hatramin’ ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina no nandidy izany.
6 Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’ izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
7 Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin’ ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan’ ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.
8 Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin’ ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
9 Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.
10 Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin’ ny memy fahoriana Aho.
11 Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.
12 Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.
13 Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin’ ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.
14 Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin’ ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian’ i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin’ i Babylona ary ny sandriny ho amin’ ny Kaldeana.
15 Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany.
16 Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin’ ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.
17 Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ ny lalana tokony halehanao.
18 Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao,
19 Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako.
20 Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin’ ny Kaldeana; torio amin’ ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin’ ny faran’ ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba mpanompony.
21 Ary tsy nangetaheta ireo tamin’ ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.
22 Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.