< Isaia 43 >

1 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
Sik’oyo, tala liloba oyo Yawe alobi, Ye oyo akelaki yo, oh Jakobi; Ye oyo abongisaki yo, oh Isalaele: « Kobanga te, pamba te nasikolaki yo, nabengaki yo na kombo na yo, ozali ya ngai.
2 Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;
Tango okokatisa mayi monene, nakozala elongo na yo; mpe tango okokatisa bibale, ekozindisa yo te. Tango okotambola kati na moto, okozika te, mpe ndemo na yango ekotumba yo te;
3 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
pamba te Ngai Yawe, nazali Nzambe na yo, Mosantu ya Isalaele, Mobikisi na yo. Nakabi Ejipito mpo na kofuta niongo ya lobiko na yo, Kushi mpe Seba na esika na yo.
4 Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon’ ny ainao.
Lokola ozali na motuya mpe na kilo mingi na miso na Ngai, lokola nalingaka yo, nakokaba bato mosusu na esika na yo, mpe bikolo mpo na kosomba bomoi na yo.
5 Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
Kobanga te, pamba te nazali elongo na yo: nakoyeisa bana na yo wuta na ngambo ya este mpe nakosangisa bino wuta na ngambo ya weste;
6 Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ ny faran’ ny tany,
nakoloba epai ya nor: ‹ Pesa, › mpe epai ya sude: ‹ Kokanga te. › Zongisa bana na Ngai ya mibali wuta na mikili ya mosika, mpe bana na Ngai ya basi wuta na suka ya mabele,
7 Dia izay rehetra antsoina amin’ ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.
moto nyonso oyo abengami na Kombo na Ngai, oyo nakelaki mpo na nkembo na Ngai, oyo nasalaki mpe nabongisaki. »
8 Ento mivoaka ny olona jamba mana-maso sy ny marenina manan-tsofina.
Bimisa bato oyo bazali na miso, kasi bamonaka te; bato oyo bazali na matoyi, kasi bayokaka te.
9 Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany.
Tika ete bikolo nyonso esangana elongo mpe bato basangana esika moko! Nani kati na bango asakolaki makambo oyo? Nani kati na bango ayebisaki biso makambo oyo esalemaki liboso? Tika ete babimisa batatoli na bango mpo na kolobela bango! Tika ete bato mosusu bayoka mpo ete baloba: « Ezali ya solo! »
10 Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko, Mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.
« Bozali batatoli na Ngai, » elobi Yawe, « mpe mosali na Ngai, oyo naponi, mpo ete bokoka koyeba, kondimela Ngai mpe kososola ete Ngai moko kaka nde nazali Nzambe: Liboso na Ngai, nzambe moko te asila kosalema; mpe sima na Ngai, akotikala kozala te.
11 Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
Ezali Ngai, Ngai kaka moko, nde nazali Yawe; Mobikisi mosusu azali te, soki Ngai te.
12 Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; Dia ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.
Kati na bino, Ngai nde nasakolaki, nabikisaki mpe natatolaki; kasi ezali banzambe ya bapaya te. Bozali batatoli na Ngai, » elobi Yawe, « mpe Ngai, nazali Nzambe.
13 Eny, hatramin’ izary andro izany Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany?
Solo, wuta na tango ya kala, nazalaka kaka ndenge moko; moko te akokoka kokangola na loboko na Ngai. Soki nasali, nani akobongola yango? »
14 Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin’ ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin’ ny sambo izay efa nifaliany.
Tala liloba oyo Yawe, Mosikoli na bino, Mosantu ya Isalaele, alobi: « Mpo na likambo na bino, nakotinda na Babiloni, mampinga ya basoda, mpe nakokitisa bato nyonso ya Babiloni lokola bakimi, ezala bato ya Chalide oyo bamikumisaka na koganga mpo na bamasuwa na bango.
15 Izaho no Jehovah, Iray Masinareo, Mpamorona ny Isiraely sady Mpanjakanareo.
Ngai, nazali Yawe, Mosantu na bino, Mokeli ya Isalaele, Mokonzi na bino. »
16 Izao no lazain’ i Jehovah, Izay manao lalana eny amin’ ny ranomasina sy lalan-kaleha eny amin’ ny rano manonja,
Tala liloba oyo Yawe alobi, Ye oyo apasolaka nzela monene kati na ebale monene, mpe nzela moke kati na mayi ya makasi;
17 Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
Ye oyo atelemisaka bashar mpe bampunda, mampinga ya basoda elongo na bilombe ya bitumba; Ye oyo alalisaka bango nyonso, mpe bakokaka lisusu kotelema te, bakufaka lokola singa ya mwinda:
18 Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.
« Bokanisa lisusu te makambo oyo eleka, bomitungisa lisusu te mpo na makambo ya kala.
19 Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin’ ny tany sao no hasiako ony;
Tala, nazali kosala likambo ya sika! Ezali kobima sik’oyo, bozali komona yango te? Nazali kopasola nzela kati na esobe, mpe kotia bibale kati na mabele ya kokawuka.
20 Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin’ ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko.
Banyama ya zamba, bambwa ya zamba mpe maligbanga ekopesa Ngai nkembo; pamba te nakopesa mayi kati na esobe, bibale kati na mabele ekawuka, mpo na komelisa bato na Ngai, oyo naponaki,
21 Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.
bato oyo Ngai moko nabongisaki mpo ete bakoka kotatola lokumu na Ngai.
22 Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao, ry Isiraely.
Kasi obelelaki Ngai te, oh Jakobi, pamba te olembaki Ngai, oh Isalaele.
23 Tsy nitondranao ny zanak’ ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin’ ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin’ ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin’ ny ditin-kazo mani-pofona.
Omemelaki Ngai bana meme te lokola mbeka ya kotumba, mpe opesaki Ngai lokumu te na nzela ya bambeka na yo. Nakomisaki yo mowumbu te mpo ete opesa Ngai malasi ya ansa lokola makabo, mpe nalembisaki yo te mpo ete obonzela Ngai malasi.
24 Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin’ ny saboran’ ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin’ ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin’ ny helokao.
Osombelaki Ngai te biloko ya solo kitoko na motuya ya mbongo, mpe otondisaki Ngai te na mafuta ya mbeka na yo, kasi onyokolaki Ngai nde na masumu na yo mpe olembisaki Ngai na mabe na yo.
25 Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ ny tenako, ary tsy hotsarovako ny fahotanao.
Ezali Ngai, Ngai kaka nde nalimbisaka masumu na yo mpo na lokumu ya Ngai moko mpe nakokanisa lisusu masumu na yo te.
26 Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao.
Zongisa yango nanu na makanisi na Ngai; tika ete tosamba elongo, mpe loba yo moko mpo na kotalisa ete ozali moto ya sembo.
27 Ny razambenao voalohany indrindra dia efa nanota, ary ireny mpanalalana aminao efa niodina tamiko,
Tata na yo ya liboso asalaki masumu, balobeli na yo batombokelaki Ngai.
28 Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masìna ho tsy masìna, sy nanolorako an’ i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa.
Boye, nakosambwisa bakambi ya tempelo na bino mpe nakobongisa Jakobi mpo na kobebisama, mpe Isalaele, mpo na pasi.

< Isaia 43 >