< Isaia 40 >

1 Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
Atonthozeni, atonthozeni anthu anga, akutero Mulungu wanu.
2 Mitoria teny soa mahafaly amin’ i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ ny tànan’ i Jehovah izy ho valin’ ny fahotana rehetra nataony.
Ayankhuleni moleza mtima anthu a ku Yerusalemu ndipo muwawuzitse kuti nthawi ya ukapolo wawo yatha, tchimo lawo lakhululukidwa. Ndawalanga mokwanira chifukwa cha machimo awo onse.
3 Injany! misy feon’ ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an’ i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an’ Andriamanitsika.
Mawu a wofuwula mʼchipululu akuti, “Konzani njira ya Yehova mʼchipululu; wongolani njira zake; msewu owongoka wa Mulungu wathu mʼdziko lopanda kanthu.
4 Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
Chigwa chilichonse achidzaze. Phiri lililonse ndi chitunda chilichonse azitsitse; Dziko lokumbikakumbika alisalaze, malo azitundazitunda awasandutse zidikha.
5 Dia hiseho ny voninahitr’ i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
Ndipo ulemerero wa Yehova udzaonekera, ndipo mitundu yonse ya anthu idzawuona, pakuti wanena zimenezi ndi Yehova.”
6 Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
Wina ananena kuti, “Lengeza.” Ndipo ine ndinati, “Kodi ndifuwule chiyani? “Pakuti anthu onse ali ngati udzu ndipo kukongola kwawo kuli ngati maluwa akuthengo.
7 Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin’ ny fofonain’ i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.
Udzu umanyala ndipo maluwa amafota chifukwa cha kuwomba kwa mpweya wa Yehova.” Mawu aja anatinso, “Ndithudi anthu sasiyana ndi udzu.
8 Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin’ Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
Udzu umanyala ndipo maluwa amafota, koma mawu a Mulungu wathu adzakhalapo mpaka muyaya.”
9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!
Iwe amene ukulengeza nkhani yabwino ku Ziyoni, kwera pa phiri lalitali. Iwe amene ukulengeza nkhani yabwino ku Yerusalemu, fuwula kwambiri, kweza mawu, usachite mantha; uza mizinda ya ku Yuda kuti, “Mulungu wanu akubwera!”
10 Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.
Taonani, Ambuye Yehova akubwera mwamphamvu, ndipo dzanja lake likulamulira, taonani akubwera ndi mphotho yake watsogoza zofunkha zako za ku nkhondo.
11 Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Iye adzasamalira nkhosa zake ngati mʼbusa: Iye adzasonkhanitsa ana ankhosa aakazi mʼmanja mwake ndipo Iye akuwanyamula pachifuwa chake ndi kutsogolera bwinobwino nkhosa zoyamwitsa.
12 Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin’ ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin’ ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin’ ny fandanjana sy ny havoana tamin’ ny mizana?
Kodi ndani akhoza kuyeza kuchuluka kwa madzi a mʼnyanja ndi chikhatho chake, kapena kuyeza kutalika kwa mlengalenga ndi dzanja lake? Ndani akhoza kuyeza dothi lonse la dziko lapansi mʼdengu, kapena kuyeza kulemera kwa mapiri ndi zitunda ndi pasikelo?
13 Iza no nanome hevitra ny Fanahin’ i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
Ndani anapereka malangizo kwa Mzimu wa Yehova kapena kumuphunzitsa Iye monga phungu wake?
14 Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan’ ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan’ ny fahendrena?
Kodi Yehova anapemphapo nzeru kwa yani kuti akhale wopenya, kapena kuti aphunzire njira yoyenera ndi nzeru? Iye anapempha nzeru kwa yani ndi njira ya kumvetsa zinthu?
15 Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madinika amin’ ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra.
Ndithudi mitundu ya anthu ili ngati dontho la madzi ochoka mu mtsuko. Iwo akungoyesedwa ngati fumbi chabe pa sikelo; mʼmanja mwa Yehova zilumba nʼzopepuka ngati fumbi.
16 Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana.
Nkhalango ya ku Lebanoni singakwanire nkhuni zosonkhera moto pa guwa lansembe, ngakhale nyama zake sizingakwanire kupereka nsembe zopsereza.
17 Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman’ ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
Pamaso pa Yehova mitundu yonse ya anthu ili ngati chinthu chopandapake; Iye amayiwerengera ngati chinthu chopanda phindu ndi cha chabechabe.
18 Koa ampitovinareo amin’ iza moa Andriamanitra? Ary endrik’ inona no ampanahafinareo Azy?
Kodi tsono Mulungu mungamuyerekeze ndi yani? Kodi mungamufanizire ndi chiyani?
19 Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
Likakhala fano, mʼmisiri ndiye analipanga ndipo mʼmisiri wa golide amalikuta ndi golide naliveka mkanda wasiliva.
20 Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
Mʼmphawi amene sangathe kupeza ngakhale chopereka nsembe chotere amasankha mtengo umene sudzawola, nafunafuna mʼmisiri waluso woti amupangire fano limene silingasunthike.
21 Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin’ ny fanorenan’ ny tany?
Kodi simukudziwa? Kodi simunamve? Kodi sanakuwuzeni kuyambira pachiyambi pomwe? Kodi simunamvetsetse chiyambire cha dziko lapansi?
22 Izy no mipetraka amin’ ny habakabaka ambonin’ ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
Yehova amene amakhala pa mpando wake waufumu kumwamba ndiye analenga dziko lapansi, Iye amaona anthu a dziko lapansi ngati ziwala. Ndipo anafunyulula mlengalenga ngati nsalu yotchinga, nayikunga ngati tenti yokhalamo.
23 Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin’ ny tany ho tahaka ny zava-poana.
Amatsitsa pansi mafumu amphamvu nasandutsa olamula a dziko kukhala achabechabe.
24 Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin’ ny tany ny fotony, dia notsofin’ Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin’ ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
Inde, iwo ali ngati mbewu zimene zangodzalidwa kumene kapena kufesedwa chapompano, ndi kungoyamba kuzika mizu kumene ndi pamene mphepo imawombapo nʼkuziwumitsa ndipo kamvuluvulu amaziwulutsa ngati mankhusu.
25 Koa ampitovinareo amin’ iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masìna.
Woyera uja akuti, “Kodi mudzandiyerekeza Ine ndi yani? Kapena kodi alipo wofanana nane?”
26 Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ ny anarany avy noho ny haben’ ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
Tayangʼanani mlengalenga ndipo onani. Kodi ndani analenga zonsezi mukuzionazi? Yehova ndiye amene amazitsogolera ngati gulu la ankhondo, nayitana iliyonse ndi dzina lake. Ndipo popeza Iye ali ndi nyonga zambiri, palibe ndi imodzi yomwe imene inasowapo.
27 Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan’ i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan’ Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
Iwe Yakobo, chifukwa chiyani umanena ndi kumadandaula iwe Israeli, kuti, “Yehova sakudziwa mavuto anga, Mulungu wanga sakusamala zomwe zikundichitikira ine?”
28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
Kodi simukudziwa? Kodi simunamve? Yehova ndiye Mulungu wamuyaya, ndiyenso Mlengi wa dziko lonse lapansi. Iye sadzatopa kapena kufowoka ndipo palibe amene angadziwe maganizo ake.
29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
Iye amalimbitsa ofowoka ndipo otopa amawawonjezera mphamvu.
30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;
Ngakhale achinyamata amalefuka ndi kufowoka, ndipo achinyamata amapunthwa ndi kugwa;
31 Fa izay miandry an’ i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
koma iwo amene amakhulupirira Yehova adzalandira mphamvu zatsopano. Adzawuluka ngati chiwombankhanga; adzathamanga koma sadzalefuka, adzayenda koma sadzatopa konse.

< Isaia 40 >