< Isaia 4 >

1 Ary amin’ izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin’ ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso
그 날에 일곱 여자가 한 남자를 붙잡고 말하기를 우리가 우리 떡을 먹으며 우리 옷을 입으리니 오직 당신의 이름으로 우리를 칭하게 하여 우리로 수치를 면케 하라 하리라
2 Amin’ izany andro izany ny rantsan’ i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an’ ny Isiraely sisa afaka;
그 날에 여호와의 싹이 아름답고 영화로울 것이요 그 땅의 소산은 이스라엘의 피난한 자를 위하여 영화롭고 아름다울 것이며
3 Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masìna. Dia izay rehetra voasoratra ho isan’ ny velona any Jerosalema.
시온에 남아 있는 자, 예루살렘에 머물러 있는 자 곧 예루살렘에 있어 생존한 자 중 녹명된 모든 사람은 거룩하다 칭함을 얻으리니
4 Rehefa voasasan’ ny Tompo ho afaka amin’ ny fahalotoany ireo zanakavavin’ i Ziona, Ary rehefa voadion’ ny fanahy fitsarana, sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin’ ny ran’ olona nalatsany.
이는 주께서 그 심판하는 영과 소멸하는 영으로 시온의 딸들의 더러움을 씻으시며 예루살렘의 피를 그 중에서 청결케 하실 때가 됨이라
5 Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan’ ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin’ ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin’ ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin’ ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo
여호와께서 그 거하시는 온 시온산과 모든 집회 위에 낮이면 구름과 연기, 밤이면 화염의 빛을 만드시고 그 모든 영광 위에 천막을 덮으실 것이며
6 Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin’ ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin’ ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.
또 천막이 있어서 낮에는 더위를 피하는 그늘을 지으며 또 풍우를 피하여 숨는 곳이 되리라

< Isaia 4 >