< Isaia 39 >
1 Tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Merodaka-baladana, zanak’ i Baladana, mpanjakan’ i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’ i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.
那時,巴比倫王巴拉丹的兒子默洛達客巴拉丹給希則克雅呈上書信和禮物,因為他聽說希則克雅患病好了。
2 Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’ izay rehetra tao amin’ ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon’ i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ ny fanjakany rehetra.
希則克雅對他們非常 高興,就叫使者參觀自己的寶庫、金銀、香料、珍膏和武器,以及他府庫內所有的財寶:凡他宮中和全國內所有的,希則克雅沒有不叫他們參觀的。
3 Dia nankany amin’ i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
依撒意亞先知來到希則克雅王前對他說:「這些人說了什麼﹖他們是從什麼地方到你這裏來的﹖」希則克雅回答說:「他們是從遠方,從巴比倫到我這裏來的。」
4 Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin’ ny firaketako rehetra.
先知又問說:「他們在你宮裏看見了什麼﹖」希則克雅回答說:「凡我宮裏所有的,他們都看了;凡我府庫內所有的,沒有一樣我不叫他們不看的。」
5 Ary hoy Isaia tamin’ i Hezekia: Henoy ny tenin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro:
依撒意亞遂對希則克雅說:「你聽萬軍上主的話罷!
6 Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah.
看,日子要到,凡你宮中所有的,及你祖先直到今日所積蓄的,都要被帶到巴比倫去,什麼都不會留下:上主說。
7 Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka any amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ i Babylona ireo.
此外,由你所出,即你所生的子孫中,也有一些要被擄去,在巴比倫王的宮殿裏充當太監。」
8 Dia hoy Hezekia tamin’ Isaia: Tsara ny tenin’ i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin’ ny androko handry fahizay.
希則克雅便對依撒意亞說:「你所說的上主的話很好。」他想:「只願在我有生之日有平安,有安全!」