< Isaia 38 >

1 Ary tamin’ izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak’ i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
En aquellos días Ezequías cayó enfermo de muerte. [El] profeta Isaías, hijo de Amoz, fue a él y le dijo: Yavé dice: Ordena tu casa, porque morirás y no vivirás.
2 Dia nitodika nankany amin’ ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin’ i Jehovah
Entonces Ezequías volvió su rostro hacia la pared y habló a Yavé:
3 hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.
Oh Yavé, te ruego que te acuerdes ahora que he andado delante de ti en verdad con íntegro corazón e hice lo bueno ante tus ojos. Lloró Ezequías con gran llanto.
4 Dia tonga tamin’ Isaia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
Entonces la Palabra de Yavé vino a Isaías:
5 Mandehana, ka lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin’ ny folo taona ny andronao,
Vé y dí a Ezequías: Yavé, ʼElohim de David, tu antepasado, dice: Escuché tu oración y vi tus lágrimas. Mira, añado a tus días otros 15 años.
6 sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.
Además, te libraré de la mano del rey de Asiria, a ti y a esta ciudad, a la cual ampararé.
7 Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin’ i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
Esto te servirá de señal de que Yavé hará lo que dijo:
8 Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan’ ny masoandro azy teo amin’ ny dialin’ i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany.
Ciertamente Yo hago retroceder diez gradas la sombra del sol que descendió en la gradería de Acaz. Y el sol volvió atrás diez gradas, sobre las cuales había descendido.
9 Ny teny nosoratan’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin’ ny aretiny:
Escrito de Ezequías, rey de Judá, después de su enfermedad y recuperación:
10 Hoy izaho: Amin’ izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita; nesorina tamiko ny androko sisa. (Sheol h7585)
Yo dije: En lo mejor de mis días entraré por las puertas del Seol. Soy privado del resto de mis años. (Sheol h7585)
11 Hoy izaho: Tsy mba hahita an’ i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an’ i Jehovah ao amin’ ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan’ ny mponina any amin’ ny fiainan-tsi-hita.
Dije: No veré a YA en la tierra de los vivientes. No volveré a ver hombre con los habitantes del mundo.
12 Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain’ ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin’ ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
Mi habitación es levantada y enrollada como tienda de pastor. Enrollaste mi vida como tejedor. Me cortaste del hilo del tejido. Me consumes entre el día y la noche.
13 Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain’ ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
Duraba mi clamor hasta el amanecer. Rompes todos mis huesos como león. Me acabarás entre el día y la noche.
14 Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin’ ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
Yo chillaba como un ave zancuda o como golondrina. Gemía como paloma. Mis ojos lloraban y miraban hacia lo alto: ¡Oh Yavé, estoy angustiado! ¡Asume responsabilidad por mí!
15 Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin’ ny taonako sisa rehetra noho ny fangidian’ ny aiko.
¿Qué puedo decir, Si Él es el que lo hace? En la amargura de mi alma, andaré todos mis años con inquietud.
16 Tompo ô, izany no iveloman’ ny olona, ary amin’ izany tokoa no iainan’ ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.
Oh ʼAdonay, los hombres viven según estas cosas, Y en todas ellas está la vida de mi espíritu: Restáurame la salud y permíteme vivir.
17 Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
Ciertamente me vino amargura grande en [tiempo de] paz, Pero libraste mi vida del hoyo de la corrupción, Porque echaste todos mis pecados tras tu espalda.
18 Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midìna any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. (Sheol h7585)
El Seol no te exaltará, ni la muerte te alabará, ni esperarán en tu fidelidad los que bajan al sepulcro. (Sheol h7585)
19 Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
El que vive te alaba como yo hoy. El padre enseñará tu fidelidad a sus hijos.
20 Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon’ i Jehovah izahay Amin’ ny andro rehetra iainanay.
Yavé me salvará. Por tanto cantaremos nuestros cánticos en la Casa de Yavé todos los días de nuestra vida.
21 Ary hoy Isaia: Makà ampempan’ aviavy, ary apetaho amin’ ny vay izany, mba ho sitrana izy.
Isaías dijo: Tomen una masa de higos. Aplíquenla sobre la úlcera y sanará.
22 Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon’ i Jehovah aho?
Eso, porque Ezequías preguntó: ¿Qué señal tendré de que subiré a la Casa de Yavé?

< Isaia 38 >