< Isaia 36 >

1 Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo nanjakan’ i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
Kwasekusithi ngomnyaka wetshumi lane wenkosi uHezekhiya, uSenakheribi inkosi yeAsiriya wenyuka wamelana lemizi yonke evikelweyo yakoJuda, wayithatha.
2 Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an-dRabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.
Njalo inkosi yeAsiriya yathuma uRabi-Shake esuka eLakishi esiya eJerusalema enkosini uHezekhiya lebutho elinzima. Wasesima emfolweni wechibi elingaphezulu, emgwaqweni omkhulu wensimu yomwatshi.
3 Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia, izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.
Kwasekuphumela kuye uEliyakhimi, indodana kaHilikhiya, owayephezu kwendlu, loShebina umbhali, loJowa indodana kaAsafi umabhalane.
4 Dia hoy Rabsake tamin’ ireo: Andeha, lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’ i Asyria: Inona moa izato itokianao?
URabi-Shake wasesithi kubo: Tshonini khathesi kuHezekhiya ukuthi: Itsho njalo inkosi enkulu, inkosi yeAsiriya: Lithemba bani leli othembele kulo?
5 Hoy izaho: Teny foana ny hoe: Manana saina sy hery hiady aho. Fa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
Ngithi (kodwa yilizwi lendebe): Kuleseluleko lamandla empi. Khathesi uthembele kubani ukuthi ungivukele?
6 Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan’ olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan’ i Egypta, amin’ izay rehetra matoky azy.
Khangela, uthembele kuloludondolo lwalo umhlanga owephukileyo, kuyo iGibhithe, okuthi uba umuntu eseyama kulo, luzangena esandleni sakhe lusihlabe. Unjalo uFaro inkosi yeGibhithe kubo bonke abathembela kuye.
7 Fa raha hoy ianao amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman’ alitara izay noravan’ i Hezekia, izay nilaza tamin’ ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan’ ity alitara ity no hiankohofanareo?
Kodwa uba usithi kimi: Sithembela eNkosini uNkulunkulu wethu; kakusuye yini ozindawo zakhe eziphakemeyo lamalathi akhe uHezekhiya akususileyo, wathi kuJuda leJerusalema: Lizakhonza phambi kwaleli ilathi?
8 Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan’ i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
Ngakho-ke ake unike isibambiso enkosini yami, inkosi yeAsiriya; njalo ngizakunika amabhiza azinkulungwane ezimbili, uba wena ulakho ukunika abagadi bamabhiza phezu kwawo.
9 Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin’ ny mpanompon’ ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza, nefa matoky an’ i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
Uzabuyisela njani-ke emuva ubuso bombusi oyedwa wabancinyane bezinceku zenkosi yami, wena-ke uthembela eGibhithe ngenxa yezinqola labagadi bamabhiza?
10 Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara ho amin’ izany tany izany, ka ravao izy.
Khathesi sengenyukile yini ngingelaNkosi ngimelene lalelilizwe ukulichitha? INkosi yathi kimi: Yenyuka umelene lalelilizwe, ulichithe.
11 Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy amin’ ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren’ ny olona eny ambonin’ ny manda.
UEIiyakimi loShebina loJowa basebesithi kuRabi-Shake: Ake ukhulume lenceku zakho ngesiSiriya, ngoba siyasiqedisisa; ungakhulumi lathi ngesiJuda, endlebeni zabantu abaphezu komduli.
12 Fa hoy Rabsake: Moa ho amin’ ny tomponao sy ianao va no nanirahan’ ny tompoko hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin’ ny olona izay mipetraka eny ambonin’ ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo?
Kodwa uRabi-Shake wathi: Inkosi yami ingithume enkosini yakho lakuwe yini ukukhuluma lamazwi? Kakusebantwini yini abahlezi phezu komduli ukuze badle ubulongwe babo, banathe umchamo wabo kanye lani?
13 Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin’ ny feo mahery tamin’ ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin’ ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’ i Asyria.
URabi-Shake wema-ke, wamemeza ngelizwi elikhulu ngesiJuda, wathi: Zwanini amazwi enkosi enkulu, inkosi yeAsiriya.
14 Izao no lazain’ ny mpanjaka: Aza mety hofitahin’ i Hezekia ianareo; fa tsy hahavonjy anareo izy tsy akory.
Itsho njalo inkosi: UHezekhiya kangalikhohlisi, ngoba kayikuba lakho ukulikhulula.
15 Ary aza mety hampahatokin’ i Hezekia an’ i Jehovah ianareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
Futhi uHezekhiya angalenzi lithembele eNkosini, esithi: INkosi izasikhulula lokusikhulula; lumuzi kawuyikunikelwa esandleni senkosi yeAsiriya.
16 Aza mihaino an’ i Hezekia ianareo; fa izao no lazain’ ny mpanjakan’ i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin’ ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
Lingamlaleli uHezekhiya, ngoba itsho njalo inkosi yeAsiriya: Dingani umusa wami ngesipho, lisithumele kimi; lidle ngulowo lalowo okwevini lakhe, langulowo lalowo okomkhiwa wakhe, linathe ngulowo lalowo amanzi omthombo wakhe;
17 mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin’ izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka.
ngize ngifike, ngilithathe, ngilise elizweni elifanana lelizwe lenu, ilizwe lamabele lewayini elitsha, ilizwe lesinkwa lezivini.
18 Aza mety homen’ i Hezekia vohony ianareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?
UHezekhiya kangalihugi esithi: INkosi izasikhulula. Onkulunkulu bezizwe bakhulule yini, ngulowo lalowo ilizwe lakhe, esandleni samakhosi eAsiriya?
19 Aiza moa ny andriamanitr’ i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ny andriamanitr’ i Sefarvaima? Nahavonjy an’ i Samaria tamin’ ny tanako va ireo andriamaniny?
Bangaphi onkulunkulu beHamathi leArpadi? Bangaphi onkulunkulu beSefavayimi? Bayikhulule yini layo iSamariya esandleni sami?
20 Iza moa amin’ ny andriamanitra rehetra amin’ ireo tany ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin’ ny tanako, koa aiza no hahavonjen’ i Jehovah an’ i Jerosalema amin’ ny tanako?
Ngobani phakathi kwabo bonke onkulunkulu balawomazwe abakhulule ilizwe labo esandleni sami, ukuthi iNkosi ikhulule iJerusalema esandleni sami?
21 Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
Kodwa bathula, kabaze bamphendula lizwi, ngoba umlayo wenkosi wawuyikuthi: Lingamphenduli.
22 Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia, izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’ i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
Kwasekufika uEliyakhimi, indodana kaHilikhiya, owayephezu kwendlu, loShebina umbhali, loJowa indodana kaAsafi, umabhalane, kuHezekhiya, izigqoko zabo zidatshuliwe, bamtshela amazwi kaRabi-Shake.

< Isaia 36 >