< Isaia 31 >
1 Lozan’ izay midìna any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ ny Isiraely, na mitady an’ i Jehovah.
Тешко онима који иду у Мисир за помоћ, који се ослањају на коње, и уздају се у кола што их је много, и у коњанике што их је велико мноштво, а не гледају на Свеца Израиљевог и не траже Господа.
2 Nefa Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; Fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin’ ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.
Али је и он мудар, и навући ће зло, и неће порећи своје речи, него ће устати на дом неваљалих људи и на оне који помажу онима који чине безакоње.
3 Fa olona ihany ny Egyptiana fa tsy Andriamanitra; Ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr’ i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.
А Мисирци су људи а не Бог, и коњи су њихови тело а не Дух; и зато ће Господ махнути руком својом, те ће пасти помагач, пашће и онај коме помаже, и сви ће заједно погинути.
4 Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron’ ny liona sy ny liona tanora eo amin’ ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, Tsy matahotra ny feon’ ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany, dia tahaka izany no hidinan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany.
Јер овако ми рече Господ: Као што лав и лавић риче над ловом својим, и ако се и свиче на њ мноштво пастира, он се не плаши од вике њихове нити се покорава на буку њихову, тако ће Господ над војскама сићи да војује за гору сионску и за хум њен.
5 Tahaka ny vorona manomba no hiarovan’ i Jehovah, tompon’ ny maro, an’ i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka.
Као птице крилима Господ ће над војскама заклањати Јерусалим, и заклањајући избавиће, и обилазећи сачуваће.
6 Koa miverena ho amin’ izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak’ Isiraely ô.
Вратите се к Њему, од ког се сасвим одвргосте, синови Израиљеви!
7 Fa amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany, izay fahotana nataon’ ny tananareo.
Јер ће у онај дан сваки одбацити идоле своје сребрне, и златне своје идоле, које вам руке ваше начинише на грех.
8 Ary ny Asyriana ho lavon’ ny sabatra izay tsy mba an’ olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an’ olombelona no handringanana azy; Dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana,
И Асирац ће пасти од мача не човечјег, и мач не човечји појешће га, и бежаће испред мача, и младићи ће његови плаћати данак.
9 Ary ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, Ary mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema.
И стена ће његова проћи од страха, и кнезови ће се његови препасти од заставе, вели Господ, чији је огањ на Сиону и пећ у Јерусалиму.