< Isaia 30 >

1 Lozan’ ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin’ ny Fanahiko, mba hanampy ota amin’ ny ota,
耶和華說: 禍哉!這悖逆的兒女。 他們同謀,卻不由於我, 結盟,卻不由於我的靈, 以致罪上加罪;
2 Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin’ ny vavako, handositra ho any amin’ ny fiarovana mafin’ i Farao sy hialokaloka ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
起身下埃及去,並沒有求問我; 要靠法老的力量加添自己的力量, 並投在埃及的蔭下。
3 Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin’ i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
所以,法老的力量必作你們的羞辱; 投在埃及的蔭下,要為你們的慚愧。
4 Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
他們的首領已在瑣安; 他們的使臣到了哈內斯。
5 Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin’ ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
他們必因那不利於他們的民蒙羞。 那民並非幫助,也非利益, 只作羞恥凌辱。
6 Faminaniana ny amin’ ny behemota any amin’ ny tany atsimo. Any amin’ ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian’ ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran’ afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin’ ny boriky tanora ary ny fananany teo amin’ ny trafon’ ny rameva ho any amin’ ny firenena tsy mahasoa azy.
論南方牲畜的默示: 他們把財物馱在驢駒的脊背上, 將寶物馱在駱駝的肉鞍上, 經過艱難困苦之地, 就是公獅、母獅、蝮蛇、火焰的飛龍之地, 往那不利於他們的民那裏去。
7 Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen’ ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona!
埃及的幫助是徒然無益的; 所以我稱她為「坐而不動的拉哈伯」。
8 Mandehana ankehitriny soraty amin’ ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin’ ny taratasy mba haharitra amin’ ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
現今你去, 在他們面前將這話刻在版上, 寫在書上, 以便傳留後世,直到永永遠遠。
9 Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn’ i Jehovah,
因為他們是悖逆的百姓、說謊的兒女, 不肯聽從耶和華訓誨的兒女。
10 Izay manao amin’ ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin’ ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
他們對先見說:不要望見不吉利的事, 對先知說:不要向我們講正直的話; 要向我們說柔和的話, 言虛幻的事。
11 Mialà amin’ ny lalana, mivilia amin’ ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin’ ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
你們要離棄正道,偏離直路, 不要在我們面前再提說以色列的聖者。
12 Koa izao no lazain’ ny Iray Masin’ ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin’ izany,
所以,以色列的聖者如此說: 因為你們藐視這訓誨的話, 倚賴欺壓和乖僻,以此為可靠的,
13 Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin’ ny manda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany.
故此,這罪孽在你們身上, 好像將要破裂凸出來的高牆, 頃刻之間忽然坍塌;
14 Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin’ ny vilanin’ ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
要被打碎,好像把窯匠的瓦器打碎, 毫不顧惜, 甚至碎塊中找不到一片可用以從爐內取火, 從池中舀水。
15 Fa izao no lazain’ ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin’ ny Isiraely: Amin’ ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
主耶和華-以色列的聖者曾如此說: 你們得救在乎歸回安息; 你們得力在乎平靜安穩; 你們竟自不肯。
16 Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
你們卻說:不然,我們要騎馬奔走。 所以你們必然奔走; 又說:我們要騎飛快的牲口。 所以追趕你們的,也必飛快。
17 Ny arivo handositra, raha rahonan’ ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan’ ny dimy, Mandra-pahatongan’ ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon’ ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ ny havoana.
一人叱喝,必令千人逃跑; 五人叱喝,你們都必逃跑; 以致剩下的,好像山頂的旗杆, 岡上的大旗。
18 Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin’ ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
耶和華必然等候,要施恩給你們; 必然興起,好憐憫你們。 因為耶和華是公平的上帝; 凡等候他的都是有福的!
19 Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
百姓必在錫安、在耶路撒冷居住;你不再哭泣。主必因你哀求的聲音施恩給你;他聽見的時候就必應允你。
20 Ary homen’ ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
主雖然以艱難給你當餅,以困苦給你當水,你的教師卻不再隱藏;你眼必看見你的教師。
21 Fa na mivily ho amin’ ny ankavanana ianao, na mivily ho amin’ ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
你或向左或向右,你必聽見後邊有聲音說:「這是正路,要行在其間。」
22 Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin’ ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin’ ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy.
你雕刻偶像所包的銀子和鑄造偶像所鍍的金子,你要玷污,要拋棄,好像污穢之物,對偶像說:「去吧!」
23 Ary dia hanome ranonorana ho an’ ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin’ izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin’ ny tany malalaka;
你將種子撒在地裏,主必降雨在其上,並使地所出的糧肥美豐盛。到那時,你的牲畜必在寬闊的草場吃草。
24 Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin’ ny sahiratsy sy ny fikororohana.
耕地的牛和驢駒必吃加鹽的料;這料是用木杴和杈子揚淨的。
25 Ary any amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin’ ny andro lehibe famonoana, dia amin’ ny andro hianjeran’ ny tilikambo.
在大行殺戮的日子,高臺倒塌的時候,各高山岡陵必有川流河湧。
26 Ary ny fahazavan’ ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ ny masoandro, ary ny fahazavan’ ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan’ ny hafitoana, Amin’ ny andro hamehezan’ i Jehovah ny fahatorotoroan’ ny olony sy hanasitranany ny fery tamin’ ny namelezana azy.
當耶和華纏裹他百姓的損處,醫治他民鞭傷的日子,月光必像日光,日光必加七倍,像七日的光一樣。
27 Indro, avy any lavitra any ny anaran’ i Jehovah, mirehitra amin’ ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin’ ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
看哪,耶和華的名從遠方來, 怒氣燒起,密煙上騰。 他的嘴唇滿有忿恨; 他的舌頭像吞滅的火。
28 Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin’ ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin’ ny valanoranon’ ny olona.
他的氣如漲溢的河水,直漲到頸項, 要用毀滅的篩籮篩淨列國, 並且在眾民的口中必有使人錯行的嚼環。
29 Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian’ ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban’ ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr’ i Jehovah, dia any amin’ ny Vatolampin’ ny Isiraely;
你們必唱歌,像守聖節的夜間一樣,並且心中喜樂,像人吹笛,上耶和華的山,到以色列的磐石那裏。
30 Ary Jehovah hanandratra ny feon’ ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ ny sandriny amin’ ny firehetan’ ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
耶和華必使人聽他威嚴的聲音,又顯他降罰的膀臂和他怒中的忿恨,並吞滅的火焰與霹雷、暴風、冰雹。
31 Fa ny feon’ i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; Hasiany amin’ ny tsorakazo ireo.
亞述人必因耶和華的聲音驚惶;耶和華必用杖擊打他。
32 Ary na aiza na aiza no amelezan’ ny tsorakazo voatendry, izay amelin’ i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin’ ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.
耶和華必將命定的杖加在他身上;每打一下,人必擊鼓彈琴。打仗的時候,耶和華必掄起手來,與他交戰。
33 Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an’ ny mpanjaka izany; Efa nataony lalina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain’ i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
原來陀斐特又深又寬,早已為王預備好了;其中堆的是火與許多木柴。耶和華的氣如一股硫磺火使他着起來。

< Isaia 30 >